Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ahoana no Ahafahanao ho Tonga Kristiana Mahery
Ahoana no Ahafahanao ho Tonga Kristiana Mahery
Ahoana no Ahafahanao ho Tonga Kristiana Mahery
Ebook121 pages1 hour

Ahoana no Ahafahanao ho Tonga Kristiana Mahery

Rating: 1 out of 5 stars

1/5

()

Read preview

About this ebook

Nandray an'I Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjina ianao dia voavonjy! Kristiana nateraka inndray ianao ary voasoratra ao amin' ny bokin'ny fiainana ny anaranao. Ny fanontanianao dia hoe: "Inona no dingana raisina manaraka?" Dingana tsara ny nahatongavanao ho Kristiana, nefa fiatomboany fotsiny izany. Mila tonga Kristiana tsara, mahery ianao. 'Koa ahoana no anaovako izany?' - Ao amin'ity boky tsotra ity dia hianatra ireo dingana raisina hahatongavana sy hijanonana ho Kristiana mahery izay sady vonona ho amin' ny fahafatesana sy ho amin' ny fampakarana ianao.

LanguageMalagasy
Release dateJun 8, 2018
ISBN9781641355957
Ahoana no Ahafahanao ho Tonga Kristiana Mahery
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ahoana no Ahafahanao ho Tonga Kristiana Mahery

Rating: 1 out of 5 stars
1/5

1 rating0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ahoana no Ahafahanao ho Tonga Kristiana Mahery - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Inona no Atao hoe Kristiana Mahery

    Farany, MAHEREZA AO AMIN’NY TOMPO sy amin’ny herin’ny faherezeny.

    Efesiana 6:10

    Hita manerana ny Baiboly, fa ny Kristiana dia anarina mba hahery. Ho hitanao miseho amin’ny fotoana maro ao amin’ny Baiboly ny teny hoe ‘‘Mahereza.’’ Mba ahatongavanao mahery dia tsy maintsy mampahery tena ianao. Ny ankamaroan’ ny Kristiana dia mahery amin’ny vatana, mahery amin’ny politika, mahery amin’ny fianarana, mahery amin’ny asa, mahery amin’ny fanaovana olo-tiana fa tsy mahery ao amin’ ny Tompo. Manamafy Andriamanitra hoe tsy maintsy mahery ao amin’ny Tompo ianao.

    Ny hoe tonga mahery ao amin’ny Tompo dia tonga Kristiana mahery. Maro ny olona mahalala ny Tompo nefa tsy mba tonga mahery ao amin’ny Tompo. Mijanona ho malemilemy ara-panahy izy eo amin’ny fiainany manontolo. Hampianatra anao ny fomba ahatongavana Kristiana tsara sy mahery ity boky ity. Misy zavatra maromaro izay mamaritra ny toetry ny Kristiana mahery sy tsara. Tsy maintsy manana tanjona ny hampandroso ireo toetra rehetra ireo ianao raha ho tonga mpino mahery tsara. Mba ho tonga Kristiana mahery dia tsy maintsy mampandroso fiainana ara-panahy, fahazotoana, fahamatorana, fahamasinana sy fiorenana tsara ao amin’ny Tompo ianao.

    Misy ireo lafiny samihafa maro tsy maintsy ampamdrosoanao raha te ho antsoina hoe Kristiana mahery mandrakizay ianao. Ity boky manontolo ity dia entina ampandrosoana ireo lafin-javatra izay manova anao ho Kristiana Mahery. Ireo lafiny sivy mila ampandrosoanao raha te hahery ao amin’ny Tompo ianao dia ireto lisitra eo ambany ireto.

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia mampandroso fiainana Kristiana lalina.

    Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.

    Salamo 42:7

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia tonga miorina tsara.

    Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.

    1 Korintiana 15:58

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia tonga tsy miova.

    Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.

    1 Korintiana 15:58

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia tonga ara-panahy.

    Ary izaho, ry rahalahy tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy.

    1 Korintiana 3:1

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia tonga masina.

    Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.

    Hebreo 12:14

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia tonga matotra.

    Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana.

    Efesiana 4:14

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia ilam-pitia amin’ny tsara mandrakariva. Ny hoe mahery ao amin’ny Tompo dia feno fahazotoana.

    Fa tsara raha ilam-pitia amin’ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.

    Galatiana 4:18

    • Ny atao hoe Kristiana mahery dia tonga mamokatra.

    Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy HAMOA, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.

    Jaona 15:16

    • Ny atao ho Kristiana mahery dia vonona hihaona amin’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.

    Koa izao no hataoko aminao, ry Isiraely: Satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin’ Andriamanitra, ry Isiraely ô.

    Amosa 4:12

    Antony Enina Mahatonga Anao Tsy Maintsy Mampahery ny Tenanao

    1. Ampaherezo ny tenanao mba ahafahanao mandresy ilay ratsy.

    Nanoratra taminareo ray aho,satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, SATRIA MAHERY IANAREO, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’ Andriamanitra, SADY EFA NAHARESY ILAY RATSY IANAREO.

    1 Jaona 2:14

    Ilay ratsy dia tsy malemilemy. Rehefa mahery ihany ianao vao afaka mandresy ilay ratsy. Raha mivazivazy amin’ny fahavalo ianao, dia hamena tsiny ny tenanao. Ny miady amin’ny Satana dia miady amin’ny mpiady efa za-draharaha izay efa niatrika ady maro. Efa maro ireo Kristiana niadivan’ny devoly an-taonany maro. Efa manana traikefa amin’ny fandravana Kristianina alaim-panahy izy. Velona Satana tamin’ny fahaveloman’I Jesosy. Tsy vao tonga vao izao izy, fa ianao no vao tonga izao! Mifohaza ary tongava mihamahery mba handresenao ilay ratsy.

    Tamin’izaho tamin’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia nampijaly hay ilay ratsy. Niaina tanaty karazana horohoro aho ary sazy no niatra tamiko nataon’ireo olona izay tao amin’ny kilasy mihoatra taona iray monja ambony noho izaho. Nandritra ireo fotoana ireo, dia tsapako ny faharatsiana lalina tao am-pon’ny olombelona. Ireo ankizilahy telo amby folo sy efatra amby folo taona ireo dia nampiatra izay fara-hery tamiko satria zareo efa ambony kilasy.

    Indraindray, nasaina nanao ilay antsoin’izy ireo hoe ‘fandihy ragidro’ aho. Ary indraindray, nasaina nanao ny sazy ‘Tilikambon’ny Fahafahana. Indraindray tsy

    maintsy mikosoka trano fivoahana sy fidiovana hatramin’ny 3:00 maraina.Indraindray, tsy maintsy mitondra gamela maromaro feno zezika entina amin’ny halavirana dimy kilaometatra. Indraindray nasaina mijoro miambina sy mamono izay moka manidina manodidina ny fandriana. Sazy hafa izay nisy tao anatin’izany ny fihinanana gari (Potika Mangahazo) sy fanafody pilina mangidy voatoto. Nandritry ny volana maro dia nijaly teo an-tànan’ireo zoky ratsy toetra ireo aho. Indray andro, tsikaritro fa ny iray tamin’ iray kilasy taminay tsy mba nantsoina, tsy mba nirahana n’aiza n’aiza, tsy mba nosahiranina ary tsy mba nosaziana! Fa haiko ny antony! Izy dia lehibe sy mahery lavitra noho ireo zoky! Io mpiara-mianatra tamiko io dia lehibe, mahery ary be taona noho ireo iray kilasy tamiko hafa ary ireo zoky dia tena natahotra azy mihintsy.Afaka namely an’ireo ao anaty fotoana fohy izy na iza izany na iza.

    Nisy fotoana ireo zoky ireo miantso mafy hoe: Lehilahy kely iray! Midika izany fa izay zandry rehetra dia tsy maintsy mihazakazaka manantona ilay zoky niantso hoeLehilahy kely iray! Izahay rehetra dia nihazakazaka nefa ilay lehilahy be taona kokoa, lehibe, mahery minia tsy mahalala ireo zoky ary manohy manao izay ataony. Tsy nisy sahy naniraka azy nanao na inona na inona. Natahotra azy izy ireo satria nahery izy! Nefa aho tsy nahery. Nalemy aho, azo velesina sy saziana. Haza tsara ho an’ireo zoky ratsy toetra tsy manana fo mitempo ireo aho. Raha mba nahery sy bokon’ozatra mitovy tamin’io iray kilasy tamiko io moa aho.

    Teo no nianarako ny maha-zava-dehibe ny hery! Rehefa mahery ianao dia voatery hamela anao irery ilay ratsy. Fantan’ilay ratsy fa ho resy izy. Tsy hahasahy hanomboka hampisy olana akory aza satana satria fantany fa tsy hahomby izany. Tsy maintsy mahery ianao satria rehetra tonga eo aminao ny zavatra mahery kokoa noho ianao, dia handresy anao ary handrava anao.

    Raha ny mahery mivonona amin’ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra Izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.

    Lioka 11:21-22

    Tokony ho antony lehibe indrindra hampaherezanao ny tenanao io! Raha tonga mahery ianao, voatery hamela anao irery ilay ratsy satria fantany fa ny fakam-panahy maro tsy handaitra tsotr’ izao eo aminao. Mahereza ao amin’ny Tompo!

    2. Tsy maintsy mampahery ny tenanao ao amin’ny Tompo ianao satria mikasa ny hamely anao indray ny fahavalonao.

    Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin’ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin’nympitaingin-tsoavaly sasany koa.

    Ary ny mpanjakan’ny Isiraely nivoaka, dia namely ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.

    Ary ilay mpaminany nankany amin’ny mpanjakan’ny Isiraely ka nanao taminy hoe: MAHEREZA TSARA, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan’ny Syria hiady aminao.

    1 Mpanjaka 20:20-22

    Mikasa hamely ny fahavalonao. Na tianao izany na tsy tianao dia hisy hamely ianao. Efa nanara-maso anao ny fahavalo ary nifidy anao ho tarigetra voalohany. Na tsy nisy fihantsiana aza dia handona ny fahavalo rehefa tonga ny fotoanany. Nisy namely hatrany hatrany Jesosy nandritry ny fiainany sy ny asa

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1