Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Jeneraly Tsara
Ny Jeneraly Tsara
Ny Jeneraly Tsara
Ebook459 pages5 hours

Ny Jeneraly Tsara

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Fantatrao ve fa ny fiainan'ny olona eto an-tany dia ady? Ao anaty ady isika na nisafidy ny ho ao anaty ady na tsia. Ny Baiboly no miteny fa ady ny fiainanao. Tsy maintsy miady ny ady tsara ianao ary mandresy ny ady. Ity boky vaovao momban' ny ady ity dia boky tsy maintsy vakian'ireo mpitarika rehetra.

LanguageMalagasy
Release dateJun 9, 2018
ISBN9781641356039
Ny Jeneraly Tsara
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Jeneraly Tsara

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Jeneraly Tsara - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ny Jeneraly Tsara dia Hianatra momba ny Ady

    … ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.

    Apokalypsy 19:11

    Isy famonoana, halahelo, fangorakorahana sy fahafatesana amin’ny ady. Ny ady no everina fa ratsy Indrindra amin’ireo zavatra mety hitranga amin’ny olombelona. Noho izany, dia mahalana no misy ifandraisany amin’Andriamanitra ny ady. Ahoana no idiran’Andriamanitra amina ady? Ahoana no mety itiavan’Andriamanitra ny ahafatesan’ny olona? Te-hamono olona ve Andriamanitra? Te-handratra olona ve Andriamanitra? Tena tsia!

    Tsy manana hevitra ratsy toy izany Andriamanitra. Ny fitsanganan’ny fahavalo izay mila potehina no miteraka ady. Manao ady Andriamanitra amin’ny fomba marina ary manapotika ny fahavalony. Amin’ny maha Kristiana antsika dia manana fahavalo mila potehina sy vonoina isika. Amin’ny maha mpanompon’ny filazantsara antsika, dia manana fahavalo bebe kokoa aza isika ary mila mahalala ny fomba handresena, hanapotehina sy handripahana azy. Hoy ny Soratra Masina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. Misy fomba iadiana araka an’Andriamanitra. Tian’Andriamanitra ianao hiady amin’ny fomba fiadiny sy amin’ny fahendreny.

    Ity boky ity dia momba ny fomba anaovana ady araka an’Andriamanitra, ara-panahy sy amim-pahendrena. Izay manao fa tsy an-tanim-piadiana isika dia tsy ampy fahatakarana. Tian’i Satana isika hihevitra fa miaina am-pilaminana isika miaraka amin’Ilay Andrianan’ny Fiadanana.Tian’i Satana ianao hihevitra fa tsy misy tokony hanahianao. Mazava be ny Tenin’Andriamanitra fa an-tanin’ady isika. Mazava be ny Tenin’Andriamanitra fa miady ady tsara isika ary miadia ny ady tsara!

    Antony Folo Ianarana momba ny Ady

    1. Jesosy Kristy dia mitarika tafiky ny lanitra ary manao ady amin’ny fahamarinana.

    Marobe ny olona no tsy miady ao anaty ny fanompoany satria tsy te-hiady izy. Raha te-hanara-dia an’i Jesosy ianao, dia tsy maintsy manaraka ny tafiny sy miady.

    Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ARY AMIN’NY FAHAMARINANA NO ITSARANY SY IADIANY.

    Ary ny masony dia lelafo, ary tamin’ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.

    Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atao hoe Ny Tenin’Andriamanitra.

    Ary NY ANTOKON’NY MIARAMILA ANY AN-DANITRA dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.

    Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny

    fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha.

    Apokalypsy 19:11-15

    2. Jesosy Kristy dia zanak’ondry izay miady.

    Niady tamina mpanjaka folo izay nitambatra hiady Aminy ny zanak’ondry ka nahresy azy. Jesosy Kristy dia zanak’ondry izay miady. Tsy tianoa ve ny mitovy amin’i Jesosy? Raha te-hitovy amin’i Jesosy ianao dia tsy maintsy mianatra miady!

    Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ny bibi-dia izy.

    Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibi-dia.

    Ireo DIA HIADY AMIN’NY ZANAK’ONDRY, ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.

    Apokalypsy 17:12-14

    3. Mampianatra ny tanantsika hiady Andriamanitra.

    Mampianatra anao Andriamanitra ny fomba iadiavana ady. Raha mino ianao, dia hahay amin’ny fomba sornatoraly ary hahazo toro-lalana amin’ny fomba fiady.

    Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

    Salamo18:34

    4. Nomena toro-lalana hiady ady tsara isika.

    Misy teny iray mazava ao amin’ny Baiboly izay milaza fa tsy maintsy miady ianao. Mampirisika anao Andriamanitra hiady! Ny ady tsara dia ady tsara satria mandresy ianao. Ny ady tsara dia ady misy tanjona tsara.

    MIADIA NY ADY TSARAn’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.

    1 Timoty 6:12

    5. Nomena toro-lalana hiady amin’ny fomba tsara isika

    Nolazaina isika mba ho tsara amina ady.Torolalana ho an’ny mpanompon’ny filazantsara rehetra io. Timoty no anisan’ny pastera voalohany tao amin’ny tantaran’ny fiangonana. Dia nasaina manao tsara ny adiny.

    Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao MIADY NY ADY TSARA ireo,

    1 Timoty 1:18

    6. Ny fanompoan’ny Tompo Jesosy dia voalaza fa ady tsara.

    Ny apostoly Paoly dia nihevitra ny fanompoany toy ny tafika ka nametraka fanontaniana lehibe. Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ny haren’ny tenany?

    IZA NO MANDEHA MANAFIKA ka mivelona amin’ny haren’ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’osy ka tsy mihinana ny rononony?

    1 Korintiana 9:7

    7. Nohazavain’i Paoly fa toy ny ady ny fiainany sy ny fanompoany.

    Niady tsy ankijanona Paoly. Raha manompo ianao. dia miady! Raha miasa ho an’Andriamanitra ianao, dia mpiady! Na tianao na tsia, dia miady ho an’ny fahavelomanao ianao. Izaho dia nahatsapa foana fa miady ho an’ny fiainako aho.

    Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ARY MAMELY TOTOHONDRY aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;

    1 Korintiana 9:26

    Efa niady NY ADY TSARA aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;

    2 Timoty 4:7

    8. Notoroina hevitra isika hanana fitaovam-piadiana.

    Paoly, mpanompon’Andriamanitra, dia nanana fitaovam-piadiana izay niadiavany ny ady tsarany. Raha nila fitaovana Paoly, ianao koa mila.

    Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (FA TSY AVY AMIN’NY NOFO NY FIADIAN’NY TAFIKAY, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy);

    2 Korintiana 10:3-4

    9. Notoroina hevitra isika hahery sy hiaro tena.

    Nahoana no manana fiarovana ianao raha tsy hiady? Miady amin’ny fanjakan eny amin’ny rivotra isika, hery, fanapahan’ny maizina eto amin’izao tontolo izao. Misikina ianao ary mivonona hanao ady tsara, lava sy sarotra!

    Farany, MAHEREZA ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.

    Tafio avokoa NY FIADIAN’ANDRIAMANITRA, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.

    Fa isika tsy MITOLONA amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra

    Efesiana 6:10-12

    10. Misy ny ady amin’ny dragona ary anisan’ny mpiady amin’izany isika.

    Ny dragona dia miady amin’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra. Ianao ve mitandrina ny didin’Andriamanitra? Raha eny, dia manantena hoavy aminao ny dragona sy hiady aminao.

    Dia tezitra tamin’ilay vehivavy NY DRAGONA ka lasa nandeha HIADY tamin’ny zanany sisa, IZAY MITANDRINA NY DIDIN’ANDRIAMANITRA sy mitana ny filazana an’i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin’ny fasiky ny ranomasina izy.

    Apokalypsy 12:17

    Toko 2

    Ny Jeneraly Tsara dia Hisoroka Ady Adaladala

    Miadia ny ady tsaran’ny finoana. . .

    1 Timoty 6:12

    Ny jeneraly tsara dia mpiady voahofana fa tsy miady ady kidaladala. Mampianatra antsika ny Baiboly hiady ny ady tsara. Zavatra tsara ny miady ny ady tsaran’ny finoana. Ny hoe miady dia manao ezaka be mihintsy ho an’ny zavatra iray. Na izany aza anefa dia misy ady adaladala izay mety hampisaringotra ny olona iray. Voasaringotra amina ady adaladala ve ianao sa anaty ady tsara?

    Jeneraly Paulus sy ny Ady Adaladala

    Tamin’ny 1942, nanafika fanindroany ny Firaisana Sovietika i Adolf Hitler ary nezaka ny hahazo tanan-dehibe iray antsoina hoe Stalingrad. Adolf Hitler sy Stalin (mpitarika an’i Rosia) dia samy mpifehy mahery ary toa ohatry ny nitovy ny heriny tao Stalingrad. Ny tafika alemana dia notarihin’ i Jeneraly Paulus

    Namoaka baiko ho an’ny miaramilany Stalin hoe: Tsy mihemotra na dia dingana iray aza! Hiady hatramin’ny fahafatesana ny tsirairay. Io baiko io dia nanoro lalana fa izay mpitarika nanome alalana hiala amin’ny lehibeny dia hampidirina fitsarana miaramila. Ny baiko dia niantso izay miaramila hita fa diso, halefa any ambava ady. Midika izany fa alefa amin’ny faritra misy ady tena mampidi-doza indrindra eny aloha izy. Ny baiko koa dia nanoro hevitra ny miaramiala rosiana hitifitra izay miaramila matahotra sy mandositra eny aoriana. Nandritry ny roa volana voalohany taorian’ny baiko, dia nisy miaramila 1.000 voatifitry ny antoko mpanakana ary mihoatra ny 130.000 ny miaramila nalefa tany ambava ady.

    Fa Hitler koa efa nanakana ny miaramilany tsy hihemotra na inona na inona zava-misy. Noho izany zavatra izany, nifanandrina an-dalambe ny miaramila ary nandroso an-tokony nandrapahatonga’ny tanana ho niova tanteraka ho tanana matoatoa. Namerimberina ny fanafihany ny alemana ary nampiasa fiaramanidina 1.000 indray miaraka. Ny miaramila andaniny roa dia samy nandaroka bomba trano ary nandritra izany koa ny mpitifitra mahay rosiana sy alemana dia miafina anaty ireny tranorava ireny mba hitsindroka ny miaramila fahavalo.

    Tamin’ny 24 janoary, dia nangataka ny hitolo-tena ny jeneraly Paulus. Nandefa hafatra tamin’i Adolf Hitler izy hoe, Tsy misy famatsiana na sakafo ny miaramila. Tsy tanteraka intsony ny baiko. Misy 18.000 ny maratra tsy misy fanampiana na famezana fery na fanafody. Tsy misy antony tokony hiarovan-tena intsony. Tsy azo sorohana ny faharesena. Nangataka fahazoan-dalana hitolo-batana ny tafika mba hamonjena ny sisa velona.

    Nandà Hitler ny hanome alalana ny alemana hitolo-tena ary niteny azy hijoro tsara hatramin’ny lehilahy farany. Io fandavan’i Adolf Hitler hanome alalana ny alemana hitolo-tena io dia toro-lalana hiady ady adaladala.

    Fa Jeneraly Paulus tsy nanaiky izany velively. Na dia nakarin’i Hitler ho Manam-boninahitra Ambony Indrindra aza izy, dia nandà ny hanohy amin’ny hadalana. Tamin’ny 31 janoary 1943, nitolo-tena i Paulus na dia teo aza ny toro-lalan’i Adolf Hitler hiady ady adaladala. Tamin’ny nanatona ny foibe alemana ny tafika rosiana mpandeha an-tongotra, dia nivoaka tsotra tamin’izao sy nitolo-tena ny Manam-boninahitra Ambony Indrindra Paulus sy ny miaramilany sisa velona. Tsy niraharaha tanteraka ny toro-lalan’i Hitler ny hiady ady adaladala hatramin’ny lehilahy farany ry zareo.

    Noho izany, ny adin’i Stalingrad dia nifarana tamin’i Jeneraly Paulus hiady ady adaladala izay tsy nisy dikany.Taorian’ny faharesena tao Stalingrad, dia niodina tamin’i Hitler i mangidy fo Jeneraly Paulus. Niara-niasa tamin’ny rosiana izy nanangana ny Komity ho Fanafahana an’i Alemana ary dia nanao antso tamin’ny radio Mosko nanosika ny miaramila alemana handao tsy hiady ho an’i Hitler.

    Ny Ady Adaldala Nataoko

    Taona maro lasa izay tamin’ny tany an-tsekoly aho, dia niady tamina mampijaly tao an-tsekoly. Zavatra roa no nitranga taorian’ny ady.Voalohany, nihevitra ho fa nandresy na nitovy izaho sy ilay niady tamiko. Fa ny nanodidina niomehy ahy sy nilaza fa novonoina aho.

    Faharoa, na dia niezaka be aza aho, dia mangana ny masoko. Nihamainty ny faritra nanodidina ny masoko ary nijanona toy izay nandritry ny roa herinandro. Taorian’io ady io, dia hitako fa tsy nisy antony tokony hiadiana ady tsy misy dikany amina olona tsy misy dikany sy mpitazana tsy misy dikany toy itony izay tsy tia akory ny fahaizako totohondry sy niady!

    Nanomboka teo dia nanapa-kevitra aho ny hiady ady tsara ihany izay mendrika iadivana. Niady fotsiny aho raha nisy antony tsara sy izay zavatra mitondra vokatra tsara. Izany no antony, ankehitriny aho dia tsy miditra amina ady politika na ho an’ny vola akory aza. Nianatra aho ny tsy hiady ady adaladala taona maro lasa izay tamin’izaho tany am-pianarana. Mahita zavatra tsara marobe izay iadivana aho ankehitriny. Ny Tenin’Andriamanitra mampiseho amiko zavatra tsara marobe izay mendrika iadivana. Mendrika ny isahiranana sy mendrika iezahana ireny. Afaka miady ho an-javatra tsara ianao na hiady ho an-javatra adaladala. Marobe ny olona tafiditra amina ady adaladala.

    Toko 3

    Hiady Ady Tsara ny Jeneraly Tsara

    Miadia ny ady tsaran’ny finoana. ..

    1 Timoty 6:12

    Zava-dehibe ny mahalala ny ady tsara mba tsy hihemotra amin’ireny ianao rehefa tonga ny fotoana hiadivanao azy. Ity ambany ity misy listry ny ady tokony ho vonona hidiranao. Mivonona ianao hiady satria Kristiana. Mivonona ianao hiady bebe kokoa aza satria mpanompon’ny filazantsara.

    ADY TSARA VALO AMBINIFOLO

    1. Miady mba ho Kristiana matanjaka.

    Tsy matanjaka ao amin’ny Tompo ny ankamaroan’ny Kristiana. Mila ezaka be vao tonga mpino matanjaka.

    Farany ry rahalahy, mahareta ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.

    Efesiana 6:10

    2. Miadia mba hotarihin’ny Fanahy Masina sy ho ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

    Sarotra ny manavaka ny feo samihafa izay miezaka hanetsika antsika. Ady ny miezaka ny hanasaraka ny feon’ny nofo amin’ny feon’ny saina sy ny feon’ny Fanahy. Ny toerana tsara iainana indrindra dia ny miaina anatin’ny sitrapon’Andriamanitra. Misy feo marobe miantso ny fitandremanao. Marobe ny demony te-hamily lalana anao.Tena ady ny mijanona ao anaty sitrapon’Andriamanitra. Indraindray, ny feon’ny vadinao na ny feon’ny nofonao dia mahery loatra ka mila mibedy azy ianao. Vonona ve ianao hiady amin’ny namana akaikinao indrindra mba hahatonga anao hijanona ao anaty sitrpon’Andriamanitra?

    Misy fiteny maro samy hafa amin’izao tontolo izao ka samy manana ny heviny avy.

    1 Korintiana 14:10

    3. Miadia ho ara-panahy fa tsy ara-nofo. Ady ho tonga olona ara-panahy izany.

    Ara-voajanahary kokoa ny manaraka ny filan’ny nofo. Ara-voajanahary kokoa ny mihinana, matory, miala sasatra sy ny manao firaisana noho ny tsy manao an’ireo. Mandtry ny fiainanao manontolo dia miady ianao mba ho olona ara-panahy. Ady be koa ny ho tonga olom-bavaka. Ny mifoha maraina sy ny manompo an’Andriamanitra dia tsy ara-boajanahary. Mila ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra ny miditra ao amin’ny tontolo ara-panahy.

    Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafaesana ; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa dia fiainana sy fiadanana.

    Romana 8:6

    4. Miady mba hanana ny vokatry ny Fanahy. Miady mba handeha amin’ny fitiavana.

    Ezaka be ny afahana mitondra ny vokatry ny fitiavana, fifaliana sy fiadanana. Ara-boajanahary kokoa ny tezitra, mangidy sy mampiseho tsy fahafaham-po. Miady amin’ilay tena mahaianao anao ianao mba hitondra ny vokatry ny fitiavana, fifaliana sy fiadanana.

    Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalana manohitra izany.

    Galatiana 5:22-23

    5. Miady mba hiditra amina asa fanompoana..

    Anisan’ny ady lehibe indrindra dia ny ady mba hidirana amina asa fanompoana. Io no ho adinao lehibe indrindra. Tsy dia mandeha ho azy ny mandao asa tsara eto amin’izao tontolo izao hanao pastera. Raha vonona hanaraka an’Andriamanitra ianao, ary te-hanao ady tsara, dia miezaha miditra amin’ny asa fanompoana ny Tompo Jesosy Kristy.

    Ary hoy Izy tamin’ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. Fa hoyJesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.

    Lioka 9:59-60

    6. Miadia mba hijanona ao amin’ny antsonao.

    Raha vao tafiditra ao amin’ny asa fanompoana ianao, dia ezaka ny mijanona ao amin’ny lalan’ny fanompoana marina. Misionera tanora sasany dia voatery hanao asa hafa dia manao pastera laika mba hahafahany miantoka ny tenany any am-panaovana iraka. Ao anatina fotoana fohy aloha dia niala tamin’ny tena fanompoana ny fony ary nirona nankany amin’ny asan’izao tontolo izao. Rehefa anaty fanompoana ianao, dia mora ny mibolisatra sy tafahala amin’ny tena antsonao. Rehefa tahian’Andriamanitra ny asa fanompanao ka mihalehibe ny fiangonanao, dia mora ny mivadika ho mpitory teny tsy misy dikany. Rehefa manana fiangonana lehibe ianao, dia mety mihevitra ianao fa ny fahamarinana fototry ny Tenin’Andriamanitra, dia tsotra loatra ka tsy mila toriana. Mila miady ady tsara ianao mba tsy ho tonga mpitory teny mahataona.

    Fa DEMASY EFA NANDAO AHY SATRIA TIA IZAO FIAINANA IZAO IZY ka lasa nankanyTesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.

    2 Timoty 4:10

    7. Miadia mba hiray amina lehilahy lehiben’Andriamanitra.

    Tsy mora ny manakaiky lehilahin’Andriamanitra. Niezaka aho ny hanakaiky olona maro fa nisy fotoana tsy nahomby aho. Mila taona maro iadivana, ifandraisana, ikorianana sy anetren-tena mba hanakaiky olom-boahosotra. Be ny olona tsy vonona amin’izany. Be ny mijanona tsy miezaka mifandray intsony amina lehilahin’Andriamanitra rehefa hitany fa voatery hiady izy hanakaiky sy voatery hiady izy hihazona ilay fifandraisana akaiky. Tsy mora ny mifandray. Elisa dia tsy maintsy niady mba hanakaiky an’i Elia. Fa nandresy tamin’ilay ady izy. Vonona hiady hahazo hosotra ve ianao?

    Ary nony efa hampakarin’i Jehovah ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.

    2 Mpanjaka 2:1

    Ary hoy Elia tamin’i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, TSY HANDAO ANAO MIHITSY AHO. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.

    2 Mpanjaka 2:2

    Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, TSY HANDAO ANAO MIHITSY AHO. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.

    2 Mpanjaka 2:4

    Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, TSY HANDAO ANAO MIHITSY AHO. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.

    2 Mpanjaka 2:6

    8. Miadia mba hahasambotra ny hosotra.

    Ady ny misambotra ny hosotra. Izany no nahatonga an’i Elia hiteny tamin’i Elisa hoe, Zavatra sarotra no angatahinao. Sarotra tokoa ny misambotra ny hosotra sy ny ho tonga voahosotra. Raha tsy vonona ny hiady ianao, dia tsy hahazo hosotra. Ireo izay vonona hiady hahazo hosotra ihany no mendrika hosorana!

    Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ny fanahinao mba ho ahy.

    Fa hoy izy: SAROTRA NY NANGATAHINAO; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.

    2 Mpanjaka 2:9-10

    9. Miadia mba hahita vady tsara ho an’ny fiainanao.

    Ady ny mitady vady. Niady mafy i Rota vao nahasarika ny fijerin’i Boaza. Ady koa ny mijanona amin’ny fanambadiana. Ny ankamaroan’ny biby dia tsy mijanona amina vady iray. Ny faharisiantsika ara-boajanahary dia toa misarika antsika hanana vady maro. Tsy maintsy miady ianao hisoroka mba tsy ho tonga olona maro vady.

    Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian’ny rafozani-vavy azy. Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ny faran’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

    Rota 3:6-7

    10. Miadia mba hanana harena. Tsy tonga moramora ny harena.

    Mila miady ianao mba hanana harena. Ny harena dia miafina any amin’ny toerana miafina. Ny harena tsara dia miafina any amin’ny toerana maizimaizina. Raha tsy misy ady, dia tsy hahita ny harena eran’izao tontolo izao ianao. Ny olona kanosaosa, miadan-doatra sy kamolahy dia tsy mora manan-karena. Satria ady mahery vaika no ilain’ny tany vao hamoaka vokatra izy. Mila miady ianao mba handeha ho any am-pianarana. Mila miady ianao mba ho afaka fanadinana. Mila miady ianao mba hahazo asa tsara. Mila miady ianao mba hisondrotra toerana. Mila miady koa ianao mba hampiasa ny volanao amim-pahendrena.

    Fa izay manana no homena;ary ny amin’izay tsy manana, na dia izay ananany aza halaina aminy.

    Marka 4:25

    11. Miadia mba hanorina trano. Tsy maintsy miadia mba hanorina trano. Maro ny olona no tsy manana trano ary tsy hanana trano mandrakizay. Ady vao tonga ho tompon-trano fa ady mendrika iadivana ny ho tonga tompon-trano

    Fahenddrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy.

    Ohabolana 24:3

    12. Miadia mba ho ela velona sy hanompo ny Tompo mandritry ny fotoana lava.

    Ady ny ananana fahasalamana tsara, mijanona velona sy manompo ny Tompo taona maro.

    Ary hoy izy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon’ny vahoaka ianao, ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia HO MPANOMPONAO MANDRAKIZAY IZY.

    1 Mpanjaka 12:7

    13. Miadia ny endrika tsy mahomby amin’ny toe-ponao.

    Ny toe-ponao kanosaosa, ny toe-ponao mora tezitra, ny toe-ponao malaeloelo, ny toe-ponao mafana rà dia samy manana endrika tsy mahomby avy.

    Ny toetra miadan-doatra sy dombo ananan’ny olona manana toe-po kanosaosa dia hanohitra azy hanatanteraka zavatra ao amin’ny fanompoana. Ny toetra miadan-doatra sy dombo anananao izay manana toe-ponao kanosaosa dia hahatonga anao tsy te-hihetsika na hiady. Mirona mankamin’ny fahantrana izany.

    Ny fahalalahan’ny olona izay manana toe-po mafana rà, dia hitondra azy any amin’ny tsy fisian’ny fandaminana, korontana sy ady ara-nofo.

    Ny fiovaovana sy ny hakivian’ny olona manana toe-po malaheloelo, dia handrava ny fifandraisany sy hanaratsy ny rivo-pifandraisany. Ny halaheloelo dia hahatonga anao ho tia mitsara sy manilika olona raha vao manao diso kely fotsiny izy.

    Ny haratsian-toetra, mivantambantana sy tsy fahalalam-pomban’ny olona mora tezitra, dia handrava ny fifandraisany. Ny fanapahan-kevitra maimaikan’ ny olona mora tezitra dia mety hitarika azy any amin’ny fikomiana. Ny fiasany be loatra sy ny zavatra ataony dia tsy hamela azy hanompo an’Andriamanitra.

    Ady ny mandà tena amin’izay mampirona anao atao! Hitako fa io no ady sarotra indrindra amin’ny maro: Ny adin’ny fandavana ny tena. Miadia ny ady tsara ary akisaho izay natiora nolovan’olombelona.

    Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy te-hanaraka ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra nyhazo fijaliany ka hanaraka ahy.

    Marka 8:34

    14. Miadia amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy anao.

    Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, NA LAHY NA VAVY; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.

    Galatiana 3:28

    Raha lehilahy ianao, dia ho sarotra ny mijanona amina vady iray. Fa mila miady amin’izany fironana sy sary mahalehilahy izany ianao mba hijanonao amina olona iray ihany. Ady ho an’ny lehilahy ny mijanona mahatoky. Fa ady mila resinao izany! Ny toetra mahalehilahin’ny olona dia miseho amin’ny faniriany hanao firaisana. Io fahamaizana hanao firaisana io dia mety mitarika azy amina fijerena sarimihetsika maloto, filalaovana ny mahalehilahy azy, fiainam-pahalotoana sy fijangajangana. Raha tsy miady handa ny tenanao ianao, dia hidirana angano amin’ny fanompoanao.

    Torak’izany koa nyvehivavy dia ho feno fanahiana, fialonana sy fanakianana. Mila ampangininao ny mahavehivavy anao raha tsy izany dia hanafoana ny asa fanompoanao izany. Zava-dehibe ny mifehy ny mahalehilahy na mahavehivavy anao mandrapa tsy hisian’ny fahasamihafana, na lehilahy na vehivavy ianao na vehivavy.

    15. Miadia amin’ireo endrika sy toetra ary fomba izay mampihavaka foko sy firenena.

    Hoy ny anakiray amin’ireny izay mpaminany eo aminy: MPANDAINGA MANDRAKARIVA NY KRETANA, biby ratsy kamo be tenda.’

    Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany, dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana.

    Titosy 1:12-13

    Ny foko, fianakaviana sy firenena tsirairay avy dia samy manana ny firehany. Any Gana, ny Ashanti dia fantatra tsara amin’ny zavatra sasany ary ny Ewe, dia toy izany koa, fantatra amin’ny zavatra hafa. Rehefa amin’ny fanompoanao, tsy maintsy miady ianao mba tsy ho Ewe loatra na Ashanti loatra amin’ny fisehonao. Raha hita ho ilay iray na ilay anankiray hafa ianao, dia hisy fiatraikany amin’ny fitondranao vokatra amin’ny ankilany izany. Ny pastera sasany dia tia loatra ny fireneny hany ka tsy afaka mahatratra ny any ivelan’ny fireneny. Maro ny amerikana no amerikana loatra ka voageja ao Amerika ihany ary tsy afaka manompo ny sisa amin’izao tontolo izao. Dimy isan-jato fotsiny amin’ny pastera eran’izao tontolo izao no avy any Amerika Avaratra ary maro amin’ny mpanompon’ny filazantsara amerikana no voafetra manompo amin’ny dimy isan-jato fotsiny amin’izao tontolo izao. Tena mahagaga fa amin’io dimy isan-jato io, dia sivifolo isan-jato no mpitory ny filazantsara.

    Ny nizeriana dia niteraka fiangonana marobe. Malaza amin-javatra hafa koa ny nizeriana. Raha pastera nizeriana ianao, dia mila miezaka mampanalavitra ny tenanao amin’izay zavatra manavaka anao sy amantarana ny maha ianao anao nefa tsy mahomby. Ady mendrika iadiana kokoa ny maha Kristiana noho ny zavatra hafa rehetra.

    Ny firenena miteny frantsay dia voamarika amina fomba fanao sasany. Zava-dehibe ny mampanalavitra ny tenanao amin’izay zavatra manavaka anao sy amantarana ny maha ianao anao nefa tsy mahomby. Tsy maintsy Kristiana kokoa ianao noho izay anisan’ireo miteny frantsay!

    16. Miadia amin’izay endrika sy toetra mampihavaka anao ara-bolon-koditra.

    Ary hoy koa izy, "ho voaozona anir Kanana;

    Ho tena andevon’ny rahalahiny izy.

    Ary hoy koa izy, "Isaorana anie Jehovah Amdriamanitr’i Sema; ary aoka Kanana ho andevony.

    Hataon’Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina any an-dain’ Sema izy; ary aoka Kanana ho andevony

    Genesisy 9:25-27

    Ny olona mainty hoditra dia voamarika amin’ny tsy fampian’ny fandrosoana, fahantrana, loto, akanjo rovitra, korontana, tsy fisian’ny lamina sy tsy fahafahana manan-karena! Ny olona fotsy dia voamarika amin’ny fitiavany vola, tsy fisian’ny fifandraisana, fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, fisaraham-panambadiana, fanambadian’ny lahy samy lahy ary vavy samy vavy, tsy finoana an’Andriamanitra, fifohana, fisotroana alikaola sy amin’ny habetsahan’ny famonoan-tena!

    Saingy izao, ireo endrika sy toetra mampihavaka antsika ireo no tena modely izay mila iadivantsika.

    Na olona fotsy ianao, na mainty, dia miadia mampisaraka anao amin’izay zavatra manavaka anao sy amantarana ny maha ianao anao. Mampanalavira ny tenanao amin’ireo zavatra manavaka anao sy amantarana ny maha ianao ireo. Raiso ny toetra maha Kristiana toy izay toetra maha mainty na maha fotsy. Ady tsara mendrika iadivana izany!

    17. Miadia amin’ny filan’ny nofo.

    Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.

    2 Timoty 2:22

    Ny fila’ny nofo dia fo mandoro anao handositra ny fahamasinana. Mandany anao ara-panahy io. Io no antony nitenenan’i Paoly hoe, ‘aleo manambady toy izay maimay.’ Ny fanirianao ara-piraisana dia mifandray amin’ny ara-panahinao. Ny ara-piraisana dia araka an’Andriamanitra satria efa saiky fironana ambonin’ny mahazatra ao amin’ny olombelona. Ny faniriana hanao firaisana mirehitra dia zavatra tsy tsara ary mandany anao ara-panahy. Mila miady ny filan’ny nofo amin’ny fonao rehetra sy ny herinao rehetra ianao.

    Ny fomba voalohany iadivanao ny filan’ny nofo dia ny fisorohana ny fanandramana. Raha vao nahazo tsirony indray mandeha amina zavatra ara-piraisana ianao, dia sarotra kokoa ny mifehy azy.

    Faharoa, raha efa nanandrana zavatra ara-piraisana ianao toy ny sarimihetsika misy olona mivetaveta, na filalaovana ny mahalahy na mahavavy na fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, dia mila mivavaka manohitra izany ianao mandritry ny androm-piainanao.

    Ny fomba fahatelo iadivana amin’ny filan’ny nofo dia manome alalana ny amin’ny ara-piraisanao. Amin’ny fanambadiana no anaovana izany, izay hahafahanao manao firaisana ara-potoana. Nefa na ao amin’ny fanambadiana aza dia tsy azo antoka foana ny firaisanao raha manana vady ratsy ianao. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy maintsy hiady foana amin’ny filan’ny nofo ianao mandritry ny androm-piainanao sisa.

    18. Miadia mba hahavokatra.

    Fa aoka anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy havelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.

    2 Petera 1:8

    Ny ady amin’ny famombana dia lava sy maharitra. Izany dia mitarika ny fanairana ny hatsarana niafina rehetra sy fanamboarana ny fiainanao eo am-panompoana ny Tompo. Ho voamarikao fa ny fahavokarana dia mifandray amin’ny fitandremana tsara, finoana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, fahalalana oniny, fahatakarana, hatsaran-toetra sy faharetana. Toetra ara-panahy daholo ireo izay toa tsy misy ifandraisany amin’ny fahavokarana. Fa mifandray aminy mihintsy! Ireo no tena mamaritra ny fahavokaranao. Mandritry ny fiainanao manontolo dia hiady amin’ny fitandremana tsara ianao, fahaiza-mionona, finoana, fahatakarana, fitiavana ny rahalahy sy fiantrana. Ady tsara iadivana sy mahasoa satria ady ho an’ny fahavokarana.

    Toko 4

    Mizara amin’ny Rivotry ny Ady.

    Fa ny kiraron’izay mitratrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady. Sy ny fitafiana mihoson-drà; dia samy hodoroana, ny ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.

    Isaia 9:5

    Ao amin’ny ady farany ho famonjena fanahin’olona isika izao. Raha tsy zatra amin’ny rivotry ny ady ianao, dia tsy hiasa ara-dalana mihintsy. Henoy ny lazain’ny Baiboly: Fa ny kiraron’izay mitratrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady. Sy ny fitafiana mihoson-drà; dia samy hodoroana, sy ho kitay hatohoka amin’ny afo izany. (Isaia 9:5) Tsy rivotra manginan’ny fiadanana, filaminana sy fifaliana io.

    Rivotry ny ady feno loza, vy very, fikorontanana, fahaverezan-kevitra, tsy fahalalana izay tokony hatao, harerahan-tsaina, fihenjanana, tsy hafaliana, tahotra, fahafatesana, halahelo, fanaintainana, fahadisoam-panantenana sy hatairana tampoka. Mampiasa antsika Andriamanitra hanaparitaka ny Teniny sy hiady amin’ny fitaka sy hevitra tsy izy izay mitarika ny maro any amin’ny helo. Manana fahavalo isika izay tsy faly amin’ny handrosoan’ny fanjakan’Andriamanitra. Tamin’ny vao tonga Jesosy dia nasian’ny devoly foana Izy. Niaina tanaty rivotry ny ady Jesosy Kristy. Tsy nandeha lavitra mihintsy ny devoly. Nasian’ny fanahiny mpamono olona Izy izay nitady handringana Azy talohan’ny nahalehibe Azy. Nasiana Izy tany an-tany foana raha nivavaka sy nifady hanina. Nasiana Izy tamin’ny alalan’ny Fariseo ary farany dia nasiana Izy tamin’ny fampiasana an’i Jodasy Iskariota.

    Ny Rivotry ny Asa Fanompoana dia Rivotry ny Ady

    Raha vantany vao mihevitra ilay antso ambony nataon’Andriamanitra ianao, dia tafiditra amin’ny ady tena farany ho an’ny fanjakan’Andriamanitra. Maty teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy ary io dia nanomboka ny fampielezan-kevitra hamonjena izao tontolo izao amin’ny devoly sy ny anjeliny tena ratsy fanahy. Ny devoly ilay menarana ela izay namitaka izao tontolo izao nandritry ny taona maro.

    Ny tena fanompoana dia ady. Ny rivotry ny tena fanompoana dia rivotry ny ady. Fa toy inona ny rivotry ny ady? Rivotry ny filaminana, fahanginana sy fiadanana ve, ? Tsy izany mihintsy! Raha fiadanana sy fahanginana no tadiavinao, dia aza miditra amin’ny asa fanompoana. Raha vao manomboka mankato an’Andriamanitra sy miaina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ianao, dia hanomboka hiaina karazana zavatra fahita amin’ny rivotry ny ady. Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia enjehina (2 Timothy 3:12).

    Raha vao vaky ny ady, dia miova aingana ny rivotra manjary fitambaran’ny fifandirana, fikorontanana sy tsy fahafantarana izay tokony hatao. Rehefa anaty ady ianao, dia anaty fahaporetana foana. Hisy ny tahotra, hisy ny fifanenjanana

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1