Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Fiverenan-dàlana
Ny Fiverenan-dàlana
Ny Fiverenan-dàlana
Ebook130 pages1 hour

Ny Fiverenan-dàlana

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Na dia loha-hevitra tsy mahazatra aza, ny fiverenan-dàlana dia trangan-javatra fahita foana eo amin’ ny Kristiana.Maro no manomboka, fa tsy tena maro no maharitra hatramin’ ny farany. Ao amatin’ ity boky ity, mampaneno ny kiririoka I Bishop Dag Heward-Mills, mampiseho an-tsary mihintsy ny antony tsy maintsy hanohizantsika hanao izany hatrany an-Danitra!

LanguageMalagasy
Release dateJun 12, 2018
ISBN9781613958025
Ny Fiverenan-dàlana
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Fiverenan-dàlana

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Fiverenan-dàlana - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Inona No Atao Hoe Fiverenan-dalana ?

    Andriamanitra dia nanangana an’i Jeremia mpaminany tamin’ny fotoana nambaboan’i Babylona ny fokon’Isiraely sy ny fokon’i Joda. I Jeremia no nampiasainy hampiseho amin’ny vahoakan’Isiraely ny toe-pon’izy ireo izay niverin-dalana.

    Ry Jeremia, Nahoana no Mitomany Ianao ?

    Ny Bokin’i Jeremia dia manome fanazavana mazava marobe mikasika ny toe-pon’izay niverin-dalana. I Jeremia ihany koa, izay fantatra ho «mpaminany mpitomany», dia nanana hafatra, izay ny ankamaroany dia nifantoka tamin’ny fiverenan-dalana. Matetika izy no «niady» tamin’ny vahoakan’ny Isiraely, nampitandrina azy ireo mandrakariva ny amin’ny tokony ibebahany sy hialany amin’ny làlan-dratsiny. Ilay mpaminany mpitomany dia nanahy ny amin’ny fisainana feno fanoherana Izay nananan’ny vahoakany. Tsy nitsahatra ny namporisika azy ireo izy, «Mialà amin’ny làlan-dratsinareo. Atsaharo hatreo ny fanaovana ny ratsy. Mibebaha ary miverena amin’ Andriamanitra.»

    Niezaka mihitsy izy tamin’ny fomba maro samihafa hampiseho azy ireo ny atao hoe miverin-dalana. Kanefa dia tsy nety niova ny vahoakan’ Isiraely sy ny vahoakan’i Joda.

    Taona maro lasa izay no nianarako tamin’ny alalan’ny traikefa fa ny fiverenan-dalana dia afaka ampitahana amin’ny fandehanana manaraka ny làlambe tsisy takela-by. Amin’ny fiainantsika kristiana dia tsy misy famantarana manokana mampitandrina anao fa miverin-dalana ianao. Tsy misy famantarana milaza hoe, HELO SY FAHARAVANA - 200 METATRA MIALA ETO. Tsy misy famantarana tahaka izany mihitsy ! Ny fiverenan-dalana dia mandeha tsikelikely, mandra-pahatonga anao voasintona any amin’ny toerana tsy noeritreretinao hisy anao mihitsy. Tsikelikely anefa dia azo antoka tanteraka fa dia ho RARAKA any ianao.

    Ny fiverenan-dalana dia tena misy ary afaka jerena manokana amin’ny alalan’ny fianarana manokana ireo karazana fiverenan-dalana izay voalazan’i Jeremia.Ny mpaminany dia mampiasa ireo trangam-piainana tena misy hanazavany io tranga ara-panahy izay efa mpiseho matetika io.

    Trangan-javatra efa mahazatra ao amin’ny tontolo Kristiana io. Ny Baiboly dia milaza,

    ...fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina.

    Matio 22:14

    ...Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.

    Raha atao amin’ny heviny hafa dia, maro ireo manomboka miaraka amin’i Kristy fa mbola maro ihany no lavo. Ny Baiboly ihany koa dia milaza,

    ...fa izay maharitra HATRAMIN’NY FARANY no hovonjena.

    Matio 10:22

    Maro amin’ireo izay manatona an’i Kristy, no ho lavo rehefa aoriana kely.

    Eny fa na dia IANAO IO koa aza dia mety hiverin-dalana !

    Mety misy olona izay tsy ho tia an’ity lohahevitra ity mihitsy ka hiteny hoe, «sarotra ho ahy ny mahita ny tenako miverin-dalana». Izany fisainana izany dia mampiseho fa manana fironana hiverin-dalana ianao. Ny Baiboly dia mampitandrina ao amin’ny 1 Korintiana 10:12,Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho LAVO.

    Ity boky ity dia hanampy anao ahafahanao mampivelatra ny herin’ny fijanonana ilaina amin’ny hazakazaka kristiana. Ny habetsahan’ny fahalalana anananao no mamaritra ny habetsahan’ny fiadananao - sy ny habetsahan’ny herin’ny fijanonana hanananao. Ny Baiboly dia milaza,

    ... fa fantatsika ny hafetseny.

    2 Korintiana 2:11

    Ny fampianarana izay omen’ity boky ity dia hanaisotra ny aretin’ny tsi- fahalalana. Tsarovy fa ireo izay tsy mamaky dia ratsy noho ireo izay tsy afaka mamaky. Raha atao amin’ny fiteny hafa dia tahaka izao, ireo izay tsy mikely aina mikaroka fahalalana dia ratsy noho ireo tena tsy manana fahafahana hanao izany mihitsy.

    Ao amin’ny toko manaraka ao, dia hampiseho anao fomba maro samihafa azonao ijerena ny fiverenan-dalana aho.

    Toko 2

    Famaritana Omen’ny Baiboly mikasika ny Fiverenan-dalana

    Manakalo ny Loharano amin’ny LAVAKA MITRIATRIATRA

    ... efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.

    Jeremia 2:13

    Tamin’izaho mbola mpianatra ho mpitsabo, dia voairaka nanao fitsidihana tany Danfa, tanàna Ganeana, aho nandritra ny roa herinandro. Indray mandeha izay, nandritra ny fandehananay tamin’ny saha iray, dia nahita tanàna kely mitoka-monina izay izahay izay tsy mba nanana fitantanan-drano. Satria tsy nanana fitantanan-drano ilay tanàna, dia nangady lavaka lehibe izy mba hiangonan’ny rano ; matetika dia maloto sady mainty be izany rano izany .

    Izy ireo dia Nisotro Ilay Rano Izay Sady Maloto no Mainty Be !

    Ny olona tao amin’ilay tanàna dia nandro, sy nanao maloto tao amin’ilay rano. Kanefa dia sady nisotro avy tamin’io rano io ihany koa izy ireo ary no nampiasa ilay rano tamin’ny fandrahoana sakafo. Raha ny fandinihina dia nahatonga karazana aretina marobe tamin’izy ireo io rano io.

    Ao anatin’ny Baiboly, Ireo olona miverin-dalana dia mitovy amin’Ireo olona izay mba nanana loharanon-drano madio ihany saingy nanakalo izany tamin’ny rano sady maloto no maimbo - tahaka ilay hitako tao amin’io tanàna io.

    Mino mihitsy aho fa te hanontany ianao hoe maninona no misy olona izay mahafoy rano madio, tsy misy loharanon’ aretina atakalo rano maloto sady feno aretina. Misy mpino izay afaka miaina anaty fiainana araka an’Andriamanitra sady feno fahamasinana. Kanefa, dia nolaviny izany mba hiainany fiainana feno fahotana sady eo ambany fifehezan’ny devoly.

    Andriamanitra dia nanome anao fahafahana hisafidy ilay rano sady maloto no mainty be. Andriamanitra dia milaza aminao fa amin’ny fotoana ianao miverin-dalana dia miverina mankany amina zava-doza tanteraka izay azo antoka fa hamono amin’ny farany. Milaza aminao Izy mba tsy hanao zavatra kidaladala tahaka ny fiverenana misotro indray io rano maloto io.

    Fiovana ho Lasa Voaloboka Ratsy

    ... ka ahoana no nanjary sampany ratsy hianao ho voaloboka hafa?

    Jeremia 2:21

    Ity fanazavana manaraka izay omen’ny Baiboly mikasika ny fiverenan- dalana ity dia mikasika ny sampan-kazo tsara iray izay nanjary ho voaloboka hafa sady ratsy.

    Eto, Andriamanitra dia mampiseho amintsika tanin’ny mpamboly iray izay niandrandrany vokatra tsara kanefa nivadika ho tanimbolin’ny tsilo ahi-dratsy tsisy nilana azy. Ianao, ilay mpino, ireo voly mahafinaritra an’Andriamanitra ireo. Nahoana loatra re ianao no hamela ny tenanao hitotongana ho hazo feno tsilo sy tsisy ilana azy ? Izany no ahitan’Andriamanitra anao rehefa miverin-dalana ianao.

    Ny olan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely dia Izy namafy fitiavana be, fikarakarana, hatsaram-panahy sy fotoana tamin’ny fiainan’izy ireo. Kanefa dia nivadika ho olona tsy mpankatoa, mafy fo sy tena ratsy ihany izy ireo. Ianao ve dia hamela ny tenanao ho lasa olona tsy mendrika eo anatrehan’Andriamanitra ? Azo antoka fa «Tsia !» avy hatrany ny valiny.

    Lasa Rameva Dia

    ...Ianao dia ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,

    Jeremia 2:23

    Ny Kristiana niverin-dalana koa dia oharina amin’ny rameva haingam- pandeha mamaky ny làlany. Ny «dromadaire» dia anaran’ny rameva hafa.

    Zava-boahary dia sy haingam-pandeha, mirenireny eny rehetra eny.

    Ny fon’ny olona miverin-dalana dia tsy voafehy toy ny rameva dia. Tsisy zavatra mahafehy azy. Gaboraraka sady tsisy fifehezana. Tadidiko taona vitsy lasa izay namangy aho Kristiana niverin-dalana tany Londres.

    Tonga Olona Gaboraraka Ilay Namako

    Ny fomba tsara indrindra afaka hanoritsoritako ity olona ity dia ny hoe gaboraraka sy tsisy fifehezana. Niezaka hamerina azy ao amin’ny Tompo aho. Nandany fotoana ela aho vao nahita ny tranony. Tonga tao an-tranony ihany aho taorian’ny misasak’alina. Taitra izy nahita ahy, ary nampandroso ahy tao an-tranony. Rehefa niresaka izahay dia fantany ny antony nahatongavako. Efa nandalo tamin’izany maha Kristiana matotra izany indray mandeha izy ka dia nahalala ireo andalan-tsoratra Masina rehetra nomaniko holazaina.

    Koa tamin’ny teboka iray dia notapahiny aho ary hoy izy, « Henoy, fantatro izay holazainao, ary fantatro ireo andininy rehetra ao amin’ny Baiboly ho fiadianao anio alina. Kanefa tiako ho fantatrao fa tena tsy miraharaha izany aho.»

    Ka dia navoakany ny sigarany ary dia nanomboka nifoka teo anoloako mihitsy izy. Nilaza hoe, «Tiako ho hitanao aho mifoka. Tsy fehezin’inona na inona aho.»

    Dia navoakany «album» iray nampisehoany ahy sary vitsivitsy nalainy niaraka tamin’ny olon-tiany. Ny sasany amin’ireo sary dia somary manetsika filàna sy maloto.

    Dia hoy izy, «Tiako ho hitanao izaho amin’ny maha tena izy ahy. Ohatr’izao aho ankehitriny. Ary tsy misy azon’iza na iza atao amin’ izany !»

    Nohamafisiny indray fa afaka manao izay zavatra tiany atao izy, ary tsisy na iza na iza afaka hahafehy azy. Hitanao, ireo mpiverin-dalana dia

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1