Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Herin’ny Ra
Ny Herin’ny Ra
Ny Herin’ny Ra
Ebook74 pages49 minutes

Ny Herin’ny Ra

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Miresaka karazan-drà maro ny Baiboly: ran’osy, ran’ ondry, ram-boromailala! Mametraka mazava tsara ihany koa ny Baiboly far aha tsisy fandatsahan-drà dia tsy misy fanadinoana ny fahotana. Noho izany, afaka manila ny fahotantsika ve ireo karazan-draha maro samihafa rehetra ireo? Tsisy afa-tsy ny ran’ I Jesosy Kristy ihany! Ny ran’ I Jesosy irery ihany no manana hery manasa ny fahotantsika sy mitondra famonjena ho antsika.

Hahita fahamarinana masina mikasika ny ran’ I Jesosy Kristy ianao ao anatin’ity boky tena manan-danja ity. Ho fantatrao ao hoe ahoana no anomezan’ ny ran’ I Jesosy fiainana ary ahoana no mahazava-dehibe ny ran’ I Jesosy.Ho azonao ny fifandraisana eo amin’ ny Fanahy Masina sy ny ran’ I Jesosy. Tena misy hery tokoa ny ran’ I Jesosy!

LanguageMalagasy
Release dateJun 12, 2018
ISBN9781613958032
Ny Herin’ny Ra
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Herin’ny Ra

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Herin’ny Ra - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ny Teny sy ny Ran’i Jesosy Kristy

    Zavatra betsaka no azontsika ianarana avy amin’i Jesosy Kristy. Betsaka no azontsika ianarana momba an’i Jesosy Kristy! Azontsika ianarana ny fiainany, ny fianakaviany, ny asa vitany, ny ministerany, ny lalana nalehany, ny tanjony sy ny fomba fitarihany. Fa ny zavatra roa lehibe indrindra mikasika an’i Jesosy Kristy dia ny Teniny sy ny Rany.

    Teny Sarobidy

    Tena manan-danja be ny Tenin’i Jesosy satria mampianatra antsika ny fahamarinana maro sy ny fahendren’Andriamanitra izy.

    Mila apetraka ambonin’ny tenin’olombelona rehetra ny tenin’i Jesosy. Ankehitriny dia nosarahana amin’ny sisa amin’ny Soratra Masina ny tenin’i Jesosy amin’ny fanoratana azy amin’ny soratra menamena.

    Taloha, ireo teny tsaran’i Jesosy dia tsy navahana fa nampifangaroana tamin’ny sisa ao amin’ny Soratra Masina. Ny Baiboly maoderina dia manome ny tenin’i Jesosy ny voninahitra izay mendrika azy. Amin’ny Baiboly izay nosoratana menamena dia nomena ny sokajiny azy manokana ny tenin’i Jesosy, sokajy tsy misy mitovy aminy.

    Tamin’ny fotoanan’ny Reformasionan’ny fiangonana dia nifantoka be tamin’ny asan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny olona. Taloha, dia Kristy ilay olona no tena nifantohana.Taty aoriana, ny antsipirihan’ny fiainany amin’ny mahaolona azy nomboka teo amin’ny vilon’ omby ka hatreo amin’ny hazofijaliana, no nifantohan’ny fanadihadiana mafy. Ankehitriny koa isika dia mila asongadintsika ny ran’i Jesosy Kristy.

    Soa ihany fa ny toetra mampihavaka ny ran’i Jesosy dia efa ekana sy ankatoavina ankehitriny.Ny ran’i Jesosy dia nomena ny fanavahana misongadina izay mendrika azy.

    Ra Sarobidy

    Tsy mety voadion’ny tenin’i Jesosy ny helotsika. Mila ny ran’i Jesosy isika hanadio antsika amin’ny faharatsiana sy toetra mahampanota mba ho voasoratra ao amin’ny Bokin’ny Fiainana ny anarantsika. Na niteny betsaka aza Jesosy, na nitory sy nampianatra, mbola nila namonjy antsika tamin’ny alalan’ny herin’ny rany ihany Izy. Raha tsy misy ra latsaka, tsy misy famelana ny heloka! Nilaina ny fandatsahana ra mba hahatonga ny otantsika voasarona.

    Iza no Nandoha ny Otantsika?

    Marina fa ny toriteny sy fahendren’Andriamanitra dia hita ao amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Fa iza no nandoha ny otantsika? Iza no nandoha vola hahafahantsika nandositra ny helo? Novonjena (naverina novidiana)’ny ran’i Jesosy Kristy isika. Novonjena isika tsy tamin’ny tenin’i Jesosy fa tamin’ny rany. Novonjena isika tsy tamina ran’omby na ran’osilahy fa tamin’ny ran’i Jesosy.

    Ajanony ny Fitoriana fa Avelao ny Ra Ikoriana

    Fa naninona Jesosy nijanona tsy nitory teo amin’ny faha telo amby telopolo taonany ary nandroso ho eny amin’ny hazofijaliana? Naninona no tsy notohizany ny irany ka nitory sy nampianatra ny tenin’Andriamanitra tany amin’ny firenena hafa izyy? Tsy afaka nandeha tany Siria, Libanona, Angletera, Alemaina, Iraka, Persia, Indy sy Afrika ve Izy? Raha ny marina, dia ho afaka Izy! Vao telo amby telopolo taona Izy raha nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana. Raha niaina efa-polo taona ambonin’io Izy , dia angamba ho afaka nandehandeha eran’izaotontolo izao.

    Tamin’izaho namangy tany Chennai tany Indy, dia hitako fa misy fiangonana any naorina ho fahatsiarovana an’i Masindahy Tomas, ilay tsy nino. Tomas dia iray tamin’ny mpianatra roa ambin’ny folon’i Jesosy Kristy. Toa hoe tonga sy nanao asa fanompoana tany Indy ny apostoly Tomas. Novonoina maritiora tany izy ary ilay fiangonana dia naorina ho fahatsiarovana azy. Raha Tomasy, izay niara-niaina sy naira-nandeha tamin’i Jesosy, no afaka nandeha tany Indy, dia Jesosy koa mba ho afaka nankany Indy. Vitan’i Jesosy Kristy tsara mihintsy ny nandeha eran’izao tontolo izao sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana.

    Ny Teny sy ny Ran’i Jesosy Kristy

    Tampoka be ny nanajanonan’i Jesosy ny fitoriany fa nandeha nankany Jerosalema Izy izay fantany fa ho toerana hisamborana Azy, hampahoriana sy hamonoana Azy. Hoy Jesosy, ‘Tsy misy afaka maka ny aiko amiko. Amin’ny sitrapoko ihany no anomezako azy".Nahoana Jesosy no nanao izany?Nieritreritra tsara ve Izy?

    Nahoana no Hazofijaliana?

    Nahoana Jesosy no, nandeha tamin-tsitra-po sy fahatsiarovan-tsaina ho amin’ny toerana hanombohana Azy nefa fantany fa olon-dratsy no hamono Azy? Izay no fomba namelan’i Jesosy nandatsahany ny rany noho ny heloky ny olombelona. Raha tsy nandatsaka ny rany Jesosy dia ho naharitra ny ministerany mandrapahatonga ny hafany ho nangina ho azy teny. Ankehitriny, mbola miasa ny herin’ny ra izay nalatsak’i Jesosy. Mahatratra ny lohasaha lemaka indrindra sy ny tendrombohitra avo indrindra eto amin’izao tontolo izao io ra io. Ny herin’ny famonjen’Andriamanitra dia naharihary na dia roa arivo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy aza noho ny rany. Izany

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1