Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Fananganana Fiangonana
Ny Fananganana Fiangonana
Ny Fananganana Fiangonana
Ebook203 pages2 hours

Ny Fananganana Fiangonana

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Ny fananganana fiangonana dia tranga iray izay miely patrana eo amin' ireo mpanompon' ny filazantsara. Asa lehibe nataon' ireo mpianatra voalohany ihany koa izany. Ny fananganana fiangonana mahomby dia mitaky fahaiza-manao ary miankina amin'ny antony maro. Dag Heward-Mills, mpanorina fiangonana karismatika iray maneran-tany misy fiangonana telo arivo, no mitarika antsika amin' ny famakafakana ireo singa samihafa amin' ny fananganana fiangonana ao amin'ity boky ity. Izy ity dia boky fiofanana ho an'ireo mpanompon' Andriamanitra te hanao ny fananganana fiangonana ho tanjony eo amin' ny fianana sy ny asa fanompoana.

LanguageMalagasy
Release dateJun 12, 2018
ISBN9781613958063
Ny Fananganana Fiangonana
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Fananganana Fiangonana

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Fananganana Fiangonana - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ny Fihitaran’ny Fiangonana

    Fandrosoana

    Misy fotoana ianao mametra-panontaniana raha tena mandroso marina tokoa ny ny fiangonana na tsia. Betsaka ny hetsika ao am-piangonana ary fandaharam-potoana maro no tanterahina. Kanefa moa ve tena mandroso marina tokoa ny Fanjakan’ Andriamanitra sa mihodinkodina fotsiny ?

    Indraindray ao anaty amin’ny tanàn-dehibe iray dia mahita ianao fiangonana vao miforona maro dia maro. Matetika dia izy ireny no lasa resaky ny olona, ary sahala amin’ny hoe manao zava-baovao Andriamanitra. Lasa mirona any avokoa ny olon-drehetra, ary toa tahaka tian’ny olona ilay zava-baovao. Kanefa, rehefa dinihina akaiky, ireo hetsika vaovao ireo, dia matetika mampiseho, fa hay ireo mpino vaovao ireo dia tsy iza, fa olona nifindra avy tamin’ny fiangonana teo akaiky teo ihany.

    Feno Kristianina ara-nofo izay mitady zavatra vaovao sy manaitaitra mandrakariva ny Fanjakan’Andriamanitra. Mpitandrina maro no marisika, satria mihevitra izy ireo fa mitombo ny fiangonany ary misy fifohazana. Kanefa ny tena marina, dia zara raha misy fitomboana ao anatin’ny Fanjakan’ Andriamanitra. Mihodinkodina avy amin’ny fiangonana iray mankany amin’ny fiangonana iray hafa fotsiny ny olona. Mila tena mandroso marina ny fanjakan’ Andriamanitra.

    Taona maro lasa izay, dia nandefa misionera maro tany Afrika sy Azia ny Eoropeana. Tamin’ny alalan’izany hetsika fahafoizan- tena izany, dia firenena marobe no tonga Kristianina. Olona maro mpanompo sampy teo aloha, no tonga niova fo ho an’i Kristy. Aoka isika tsy hamita-tena: efa mitombo be ny isan’ny olona eto amin’izao tontolo izao, ankehitriny. Ary maro be ihany koa ireo olona, izay tsy manana fiangonana mahefa na koa mpitandrina. Tena mila fanampiana, ankehitriny, mba tena hampandrosoana ny fiangonana any amin’ny faritra tsy mbola misy Kristianina.

    Tamin’ny fotoana nandefasan’ny Eoropeana misionera, roanjato taona lasa izay, dia vao 1 miliara monja no isan’ny olona teto ambonin’ny tany. Ankehitriny, tamin’ny taona 2004, dia 6.1 miliara no isan’ny olona eto ambonin’ny tany. Mitaraina foana ireo tsy mpivavaka noho ny fahavitsian’ny mpitsabo mihoatra amin’ny mponina.

    Fa mba misy olona mitaraina ve, mikasika ny salan’isan’ny pasitera ho an’ny mponina ? Firy ny isan’ny Evanjelistra misy, raha ampitahaina amin’ireo vahoaka an-tapitrisany miaina ankehitriny ?

    Ahoana no Fomba Hampandrosoana ny Fanjakana ?

    Tena handroso tokoa ny Fanjakan’ Andriamanitra, amin’ny fotoana isika manaraka ny toromarik’i Kristy. Ny baikon’i Jesosy farany dia ny handehanana any amin’izao tontolo izao, sy ny hanaovana azy ho mpianatra !

    Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; KOA MANDEHANA IANAREO, DIA ATAOVY MPIANATRA NY FIRENENA REHETRA, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina; sady Mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara- pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Amen !

    Matio 28:18-20

    Eo amin’io Soratra Masina io, dia milaza amintsika rehetra Jesosy hampianatra amin’ny olona ny Tenin’ Andriamanitra. Kanefa tsy misy fomba ahafahanao mampianatra ny olona, raha tsy vorianao ara-dàlana miaraka aloha izy ireo.

    Inona marina no atao hoe Fiangonana ?

    Antsoina hoe fiangonana ny fivorian’ny Kristianina amin’ny fotoana voafaritra sy mitohy, mba handray fampianarana. Izany hoe, miteny amintsika ny Tompontsika mba ho any amin’izao tontolo izao ary hamory olona amin’ny fotoana mitohy sy raikitra, mba hampianarana azy ireo ny teny. Andriamanitra no miasa mamorona fivorian’ny olona azo ampianarina. Ary amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina no ananganan’ Andriamanitra lehilahy maro izay handeha, any amin’ny faritra rehetra eto amin’izao tontolo izao, hamory olona amin’ny fotoana mitohy sy raikitra, mba hampianarana Ny Teny.

    Rehefa maro ny fivoriana sy ny vondron’ olona misy, dia tena tanteraka ny Iraka Lehibe. Rehefa maro ny vondron’olona izay nampianarina, dia tena tanteraka ny Iraka Lehibe. Ireo vondron’ olona ireo dia tsy iza fa ireo fiangonana izay natsangan’ny mpanompo mahatokin’ny Tompo.

    Tia Mampivanàka Olona Isika

    Ny mampalahelo anefa, dia maro amin’ireo mpitandrina no liana amin’izay fisainan’ny olona, ka tsy afaka manatanteraka araka ny tokony ho izy an’io Iraka Lehibe io. Te hanana fivoriana goavana sady mampitolagaga isika mba ho hitan’ny olona rehetra ! Tiantsika ny olona hieritreritra fa tena goavana isika! Ny habetsahan’ny olona kosa ange no voninahitry ny pasitera e.

    Ny FAHABETSAHAN’NY VAHOAKA no voninahitry ny mpanjaka ; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.

    Ohabolana 14:28

    Mila manomboka famorian’ olona betsaka isaky ny toerana azo anaovana an’izany, isika mba hahatanteraka ny Iraka Lehibe. Ny fidadasik’izao tontolo izao sy ny fiparitaky ny mponina, dia mitaky pastera sy olona maro, hiala avy amina fiangonana iray ho any amin’ny famoriam-bahoaka marobe, any amin’ny toerana maro samihafa. Koa raha tena matotra isika amin’ny fankatoavana ny Tompo, dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mankatò an’io isika.

    Tsy maintsy hofanina ny mpitarika. Tsy maintsy hofanina ny mpitandrina. Tsy maintsy hofanina ireo izay hiasa. Tokony ho faty amin’izay, ny toe-tsain’ny fiangonana te ho olo-malaza. Io toe- tsaina te ho olo-malaza io mantsy dia te hanao izay hananantsika pasitera lehibe iray, izay eken’ny olona rehetra sy derainy.

    Matetika isika voafitaky ny fieritreretana, fa ny mpitandrina miaraka amin’ny fiangonana goavana, no ho tonga lehibe ihany koa any an-danitra. Kanefa tsy izany no izy. Ny mpitandrina ho tonga lehibe any an-danitra, dia ny mpitandrina faran’izay manetry tena sy tahaka ny zaza.

    Tamin’izany ora izany dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe : IZA MOA NO LEHIBE INDRINDRA AO AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA? Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany ka nanao hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, DIA IZY NO HO LEHIBE INDRINDRA AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA.

    Matio 18:1-4

    Nataon’ i Jesosy mazava tsara hoe iza, no ho tonga lehibe indrindra, any amin’ny fanjakana. Tsy misy olona afaka hanambara ny fanetren-tenanao, amin’ny haben’ny fiangonanao. Ny tena marina, ny mpanompon’ Andriamanitra manana fiangonana tena kely, no sahala amin’ny hoe manetry tena indrindra (ary kanefa ho tonga goavana any an-danitra) noho ny mpitandrina manana fiangonana lehibe.

    Ny ilaintsika dia fivoriana, fiangonana ary vokatra misimisy hatrany ho an’ny Tompontsika. Andeha isika hanangana fiangonana ! Fiangonana isam-baravarana ary amin’ny fiteny rehetra, no tsy maintsy tanjon’ ny tena mpanompon’ Andriamanitra marina rehetra. Ny fivoriam-bavaka isaky ny andrin-jiro na isaky ny foto- kazo no hampandroso ny fanjakana.

    Andeha atsahatra ny fiezahana hampivanàka olona. Andeha atsahatra ny fanombatombanana ny ministerantsika, amin’ny alalan’ny haben’ny fiangonantsika. Andeha hanao fivoriam- bavaka maro. Ry mpitarika fiangonana malala, aza mitady laza avy aman’ olona, fa laza (fankasitrahana sy fanohanana) avy amin’ Andriamanitra.

    Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?

    Jaona 5:44

    Fanatanterahana ny Iraka Lehibe ve Ny Fitoriana Filazantsara ?

    Tsara ny fitoriana filazantsara sy ny tafika masina, satria teboka fanombohana ny fampianarana ireny. Tsy maintsy mandroso ny mpitory filazantsara. Kanefa tena manatanteraka ny Iraka Lehibe tokoa ve izy ireo ? Eny sy Tsia ! ENY, satria nanomboka ny zavatra tokony hatao ry zareo, ary TSIA, satria raha tsy misy ny fampianarana, izay avy amin’ny fametrahana fiangonana, dia tsy ho tena tanteraka ny Iraka Lehibe.

    Apetraho fotsiny hoe, NY IRAKA LEHIBE DIA FITORIANA FILAZANTSARA, ARAHANA FANANGANANA FIANGONANA MARO. Ny fiangonana dia famorian’ olona, ary amin’ireny famorian’ olona ireny, no hampianarana ny Teny.

    Manangàna Fiangonana any Amin’ny Faritra Mbola Tsy Vaky Lay

    Ambonin’ny zavatra rehetra, ny fiangonana dia tsy maintsy atsangana any amin’izay itarihan’ny Tompo antsika. Tsy maintsy hatsangana any amin’ny tanàn-dehibe sy ny tanàna kely rehetra ny Fiangonana.

    Izaho dia mahita fa ilaina ny fananganana fiangonana, any amin’ny faritra mbola tsy vaky lay. Maro amintsika no mifantoka any amin’ny faritra izay efa misy zavatra mandeha.

    Kanefa lazaiko anao, fa misy faritra betsaka mbola tsy voakitika, izay niantsoan’ Andriamanitra antsika. Ny firehetana sy ny fanokanan-tena hamonjy fanahin’ olona, ary ny fananganana fiangonana, dia tsy maintsy miainga avy ao anatin’ny fiangonana ihany, ary tsy maintsy afointsika ny zatovolahintsika ho amin’izany.

    Mila tonga saina ny mpitandrina rehetra, fa manenika ny faritra maro any Afrika sy eran’izao tontolo izao ny fivavahana Silamo, ary toa tsy rototra akory ny fiangonana. Mpanao sorona ny ainy ry zareo Silamo, ka tsy olana aminy ny fandehanana any amin’ny tanàn-dehibe sy ny Tanàna rehetra faran’ izay alavitra amina firenena marobe.

    Mandritra izany fotoana izany, anefa ny Kristianina, izay nobaikoana handeha any amin’ny faran’ izao tontolo izao, dia mijanona eo amin’izay tanàn-dehibe akaiky sy metimety aminy!

    Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo : ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary ANY AMIN’IZAY TANAN-DEHIBE AKAIKY INDRINDRA, FARAN’IZAY METIMETY INDRINDRA AMINAREO ARY FARAN’IZAY MIROBOROBO ETO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO ! (Baiboly inona io?)

    Toko 2

    Ny Toe-tsain’ny Mpanangana Fiangonana

    Aoka ho ao aminareo izao saina izao...

    Filipiana 2:5

    Kristy dia nanana fomba fisainana, izay nahatonga Azy nanao ireo zavatra nataony. Mampianatra antsika hisaina tahaka ny fomba fisainan’i Kristy io andalan-tsoratra masina io. Izay no dikan’ny hoe : Aoka ho aminareo izao saina izao...

    Raha tsy misaina amin’ny fomba hafa mihitsy ianao, tsy afaka mahavita manatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra.

    Eto aho dia manoratra mikasika ny amin’ny fomba tsy maintsy hisainanao, raha te ho tonga mpanangana fiangonana ianao. Raha tsy misy an’io fototra io, dia tsy hisy olona afaka handroso ao anatin’ny asa sarotry ny fananganana fiangonana.

    Ireo fizaràna manaraka dia mampianatra anao ny maha-zava- dehibe ny fotom-pampianaran’ny fananganana fiangonana. Ho voasintona ianao ary ny ministeranao dia ho voasarika, hiditra ao anatin’ny hetsiky ny fananganana fiangonana apostolika goavana farany.

    1. Fantaro fa manara-maso ny asanao Andriamanitra.

    Ry namana isany, ny asanao ety an-tany dia voaara-maso. Hitaky valin-teny avy aminao Andriamanitra, ny amin’izay nataony tao anatinao. Hanontany anao Izy, ny amin’izay nanaovanao ireo fanomezam-pahasoavana nomeny anao. Ho takian’Andriamanitra aminao ireo zavatra nomeny anao. Hanontany mikasika ny asanao Izy!

    Mahaliana fa ao amin’ireo taratasy fito nosoratana ho an’ireo fiangonana fito, dia misy fehezan-teny iray miverina ombieny ombieny – Fantatro ny asanao. Asa inona moa izany? Na inona na inona ireo asa ireo, dia tokony ho zava-dehibe ho an’ny fiangonana tsirairay, ny mametraka ireo asa ireo amin’ny toerana tokony hisy azy. Mariho ireto andàlan-tsoratra manaraka ireto:

    FANTATRO NY ASANAO, sy ny fikelezanao aina, sy ny faharetanao, ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;

    Apokalypsy 2:2

    FANTATRO NY ASANAO, sy ny fahorianao, ary ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan- dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’i Satana.

    Apokalypsy 2:9

    FANTATRO NY ASANAO, sy izay onenanao, dia ao amin›ny itoeran›ny seza fiandrianan`i Satàna; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron`i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin`izay onenan’i Satàna.

    Apokalypsy 2:13

    FANTATRO NY ASANAO, sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.

    Apokalypsy 2:19

    Ary soraty ho amin`ny anjelin`ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito : FANTATRO NY ASANAO, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany.

    Apokalypsy 3:1

    FANTATRO NY ASANAO: indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [ Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, ]

    Apokalypsy 3:8

    Andriamanitra tsy nilaza hoe: Fantatro ny tranonao sy ny fiaranao. Tsy nilaza Izy hoe: Fantatro ny Mercedes-Benz-nao. Fa nilaza Izy hoe : Fantatro ny asanao ! Tsy nilaza Izy hoe : Fantatro ny diplaomanao. Tsy nilaza Izy hoe: Fantatro ny rainao sy ny reninao. Fa nilaza Izy hoe: Fantatro ny asanao!"

    2. Ny fananganana fiangonana no fanalahidy handehanana amin’ny làlana rehetra miaraka amin’ Andriamanitra.

    Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.

    Marka 8:35

    Tamin’ny 1985, dia nandray fanapahan-kevitra aho, handeha amin’ny làlana rehetra miaraka amin’Andrimanitra. Vao avy namita fanadinana, tamin’ny fianarana ho mpitsabo, izay tena sarotra aho. Ary araka ny fiheverako azy, dia saika tsy afako io fanadinana io. Rehefa nandinika ny ezaka nataoko tamin’ny fanadinana, sy ny asa fanampiny nataoko aho, dia ren’ny tato anatiko fa tsy nisy lanjany akory izany. Nahoana aho no hiaritra fahoriana mafy amin’ny asa fitsaboana? Inona no antony tokony hanolorako ny fiainako ho amin’izany?

    Nanomboka hatreo dia nivoady aho, fa hataoko laharam- pahamehana ny asan’ Andriamanitra. Tamin’ny voalohany aho dia nieritreritra, fa Andriamanitra no olona laharana voalohany amin’ny fiainako. Mpitarika Kristianina tena matotra aho, kanefa tsy tonga saina hoe tsy nataoko laharam-pahamehana ny asan’Andriamanitra. Fa nanomboka hatreo, dia tsy nisalasalako fa manana tanjona iray loha aho, dia ny fanaovana asan’ Andriamanitra ! Lasa an-kilabao ny zavatra hafa rehetra. Tena fotoana lehibe teo amin’ny fiainako izany.

    Hatreo dia Andriamanitra sy ny ministera no ny tanjoko voalohany indrindra. Ny fianarana ho mpitsabo dia naka ny

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1