Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Demony sy ny Fanao Azy
Ny Demony sy ny Fanao Azy
Ny Demony sy ny Fanao Azy
Ebook133 pages1 hour

Ny Demony sy ny Fanao Azy

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Tsy misaron-tava intsony ireo demony ao anatin’ ity boky fitaratra vaovao Heward-Mills ity.Amin’ ny fampiasana ny fijoroana vavolombelon’ ilay lehilahy adalan’ ny Gadarena no hanehoany ny làlana makany amin’ ny fandresena ireo demony sy ny fanahy ratsy.

LanguageMalagasy
Release dateJun 12, 2018
ISBN9781613958087
Ny Demony sy ny Fanao Azy
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Demony sy ny Fanao Azy

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Demony sy ny Fanao Azy - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ny Modely Faratampony Amin’ny Asan-Demony

    « ARY tonga teny am-pitan’ny ranomasina tao amin’ny tanin’ny Gerasena izy ireo. Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ny fasana ka nifanena taminy;fa nitoetra tao amin’ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ny gadra aza.

    Fa efa nafatony matetika tamin’ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena amin’ny vato. Fa nony nahita an’i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany sady niantso tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Ampianianiko amin’Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.

    Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay. Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany.Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny akaikin’ny tendrombohitra. Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ny kisoa mba hiditra any aminy. Dia neken’i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty.

    Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany; ary tonga tany amin’i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka izay, nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.

    Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ny olona izay natao tamin’ilay demoniaka sy ny amin’ny kisoa. Ary nifona tamin’i Jesosy izy mba hiala amin’ny taniny.

    Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. Nefa tsy navelan’i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.

    Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra. »

    Marka 5 :1-20

    Ny fandinihana ny momba an’ilay lehilahy adala tao Gerasena dia fianarana ny fomba fisehon’ny asan’ny devoly. Hahay ny asan’ny devoly. Hahay zavatra maro mikasika an’i Satana sy ny devoly ianao amin’ny alalan’ny fandinihanao fotsiny ny tranga iray. Maro ny olona manontany tena hoe inona moa ny atao hoe pathologie na fomba fisehon’aretina iray. Matetika isika manontany tena hoe nahoana ny olona iray no mandany fotoana mandinika ara-tsiantifika ny fatin’olona. Tamin’izaho mbola mpianatra ho dokotera dia tsy azoko ny maha-zava-dehibe ny hikirakiran’ny dokotera fatin’olona iray. Hoy aho « Rehefa maty dia maty, avelo handry am-piadanana izay maty. »

    Kanefa lasa takatro fa ny pathologie dia ny fandinihana ny vokatry ny aretina isan-karazany ao amin’ny vatan’ny olombelona. Fandinihana ny vokatra farany entin’ny aretina. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia tsy maintsy mianatra pathologie ianao rehefa te hahatakatra ny zavatra hitranga raha avela hanao ny danin’ny kibony ny aretina iray. Matetika ao amin’ny vatana mangatsiaka ihany no tena ahitanao ny vokatra farany ateraky ny aretina.

    Ohatra, raha mikirakira fatin’olona avy nararin’ny tosi-drà ambony ianao. Dia ho hitanao ny fiovana ao amin’ny fon’ilay olona, ny lalan-dràny sy ireo voany. Ireo fiovana ireo no hanampy anao hahatakatra ny asa ataon’ny tosi-drà miakatra amin’ny olona mbola velona mararin’izany aretina izany.

    Ny tantaran’ilay lehilahy adala tao Gerasena dia fianarana ny sehatra avo lenta amin’ny fidiran’ny devoly. Maneho ny zavatra tian’i Satana hatao aminao io raha manana fahafahana hanao izany izy. Ny lafim-piainan’iray manontolon’ilay lehilahy adala dia ahitana soritry ny devoly avokoa. Ny toerana misy azy dia maneho ny fahitana ananan’i Satana ho ahy sy ho anao. Raha avela hiasa i Satana dia tahaka ny nahazo an’io lehilahy tao Gerasena io no saika nahazo ahy sy ianao.

    Na dia tsy ny ankamaroan’ny olona aza no ho lasa very saina tanteraka toy ilay « adalan’ny Gerasena » dia ny ankamaroan-tsika dia hahatsapa ny fihetsika demoniaka izay hita tao amin’ity lehilahy adala ity na farany maivana indrindra tamin’ izany aza.

    Ny mahazo ilay adalan’ny Gadara dia maneho antsika zavatra telo :

    1. Ny tian’ny devoly hatao raha afaka manao izany izy.

    2. Ny ataon’ny devoly amin’ny olona, na dia tsikelikely aza no anaovany azy.

    3. Ny fiafaran’ny olona iray izay afaka nihetsehin’ny devoly tanteraka .

    Rehefa mamaky ity boky ity ianao. Andriamanitra dia haneho zavatra maro aminao mikasika ireo asan’ny devoly sy ny fiantraikan’izany aminao. Ho afaka amin’ny asan’ny devoly ianao rehefa vitanao ity boky ity.

    Maro ny mieritreritra fa ny zava-mitranga tamin’ilay lehihlay adala tao Gadara dia fijoroana vavolombelon’ny olona very saina izay any amin’ny hopitalin’ny adala. Hoy izy ireo anakam-po « Satria izaho tsy adala, dia tsy mahakasika ahy izany ity fijoroana vavolombelona ity ». Diso izany ! Mahakasika antsika rehetra io tantara io.

    Ny fahatakarana ireo fihetsika sy ny vinavinan’ny fahavalonao dia tena miankina aman’aina mba handresena amin’ny ady. Raha te handresy ny ady amin’ny fanahy maloto ianao dia tsy maintsy fantarinao ny fomba sy ny toerana iasany. Tsy maintsy fantarinao hoe inona ny tetik’asany mikasika anao.

    « Fandrao hararaotin’I Satana isika, fa FANTATSIKA NY HAFETSENY.»

    2 Koritiana 2 :11

    Toko 2

    Ny Fahamaizinana – Fonenan’ny Demonia

    « …mitolona… amin’ny mpanjakan’ny FAHAMAIZINANA eto amin’ity tany ity… »

    Efesiana 6 :12

    Ny fahamaizinan’izao tontolo izao no fonenan’ny fanahy ratsy. Ny fahamaizinana dia miresaka ny amin’ny tontolo izay mampiroborobo ny faharatsiana. Satana dia manapaka ao amin’ny fahamaizinan’izao tontolo izao. Ny famitahana dia karazana fahamaizinana ara-panahy. Izany dia satria ny tontolon’ny fitaka dia saha iposahan’ireo fanahy ratsy.

    Ny fahamaizinana dia tsotra fotsiny fa ilay tontolo feno fitaka izay sehatra iasan’i Satàna. Ilay fahavalontsika efa resy dia mamololona ao anaty haizina lalina. Rehefa mivoaka avy tao ho ao amin’ny fahazavana isika dia tsy afaka manao n’inon’inona izy. Izany no antony tena tsy itiavan’i Satàna mihitsy ny Tenin’Andriamanitra.

    Jesosy no fahazavana izay manapotika ny asan’i Satàna eo amin’ny fiainan’ny olona. Izy no ilay Tenin’Andriamanitra. Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mamiratra ao amin’ny maizina. Tena mihena dia mihena ny hetsika ataon’ny devoly any amin’ny toerana izay ampianarana ny Tenin’Andriamanitra.

    « Ary ny MAZAVA DIA MAMIRAPIRATRA AO AMIN’NY MAIZINA; fa ny maizina tsy mandray azy. »

    Jaona 1 :5

    Ny herin’i Satana manohitra ny fiangonana dia azo ampitahaina amin’ny ady maro sy fifanoherana misy amin’izao tontolo izao ankehitriny. Rehefa miady amin’ny tafika goavana sy mahery ny tafika madinika iray. Ilay tafika malemy kokoa dia matetika mahafantatra fa tsy handresy eo izy raha miady an-karihary. Noho izany dia miafina izy ary maka toerana maizina, azo amitahana sy takotakona. Matetika dia miteraka ady anaty akala izany na asa fampihorohoroana ihany koa.

    Ohatra, ny tafik’Isiraely izao dia tena avo lenta lavitra raha mitaha amin’ny tafika Palestiniana. Tsy manana fahafahana handresy ny hery ara-miaramilan’ny Israely izy ireo. Voalaza aza fa hery ara-nokleary i Isiraely. Satria tsy afaka handresy ny Palestinianina dia manao asa fampihorohoroana izy ireo na koa fanafihana tampoka hamonoana. Ny fanodikodinana fiaramanidina na famonoana mpilalao Olympika dia ohatra vitsy amin’ireo karazan’ady ataon’ireo tafika kely hery.

    Ny fanafihana fampihorohoroana tahaka ny nitranga tamin’ny Septambra 11 dia ohatra hafa amin’ny ataon’ny tafika kelikely sy malemy kokoa rehefa hiady amin’ny hery goavana izy. Dia toy izany, ny tafiky ny devoly alahatra hiady amin’ny fiangonana dia tsy mitaha na kely akory aza amin’ny Herin’Andriamanitra. Fa mahery ny fitaovam-piadianay.

    « Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa MAHERY AMIN’ANDRIAMANITRA handrava fiarovana mafy. »

    2 Korintiana 10 :4

    Mangovitra Satàna vao tononina ny Anaran’i Jesosy. Mitsangam-bolo ny devoly rehefa mihira momba ny Rà isika. Mandalo fotsiny izy ireo rehefa mahita ny Rà. Sabatra mahery ny Tenin’Andriamanitra, izay manapatapaka madinika ireo anjely nazera sy ireo fanahy ratsy. Ao amin’ny tontolon’ny fanahy, isika dia hery nokleary miady amin’ny tafika tambanivohitra mandrangaranga sabatra.

    Satria

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1