Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Fitaomana Mamin’ ny Hosotra (Natonta faha-2)
Ny Fitaomana Mamin’ ny Hosotra (Natonta faha-2)
Ny Fitaomana Mamin’ ny Hosotra (Natonta faha-2)
Ebook144 pages1 hour

Ny Fitaomana Mamin’ ny Hosotra (Natonta faha-2)

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Mandeha eo anivon’ ny loza, fandrika ary fitaka maro ny Kristiana. Hanokatra ny masonao amin’ ireo loza voahevitra tsara miandry hamely, handratra sy hamotika antsika ity boky ity. Ampio ny tenanao, vonjeo ny tenanao ary afaho ny tenanao amin’ ny alalan’ ity boky mahery vaika mikasika ny Loza ara-panahy ity! Araka ity boky tena miavaka nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity dia tsy maintsy mamela ny Fanahy Masina mitaona, manainga,mikasika sy manova ny fiainanao ianao mandrakkizay.

LanguageMalagasy
Release dateJun 14, 2018
ISBN9781613958186
Ny Fitaomana Mamin’ ny Hosotra (Natonta faha-2)
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Fitaomana Mamin’ ny Hosotra (Natonta faha-2)

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Fitaomana Mamin’ ny Hosotra (Natonta faha-2) - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Inona No Mety Mahataona Anao?

    Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny masirasira azy rehetra.

    Matio 13:33

    Ny masirasira dia tsy hita maso, fitaomana miafina izay manetsika ny koba ka mahatonga azy io hihitatra sy hiakatra, ka ho tonga maivana. I Jesosy Kristy dia nampianatra antsika fa ny fanjakan’ny Lanitra dia manaiky ihany koa izay fitaomana miafina misy fiantraikany amin’ny zava-drehetra.

    Ny herin’ny ny masirasia eo amin’ny koba dia sady tena misy no mahatalanjona. Nefa dia tsy hita maso ny masirasira rehefa miasa mahery. Izay mahataona miafina dia tena misy. Izay mahataona nefa miafina dia na tsara na ratsy.

    Ny tsara lehibe indrindra, hery tsy hita maso mitarika ao amin’ny fiainan’ny Kristianina dia ny Fanahy Masina, ary ity boky ity dia mikasika izany tsy hita maso, nefa tena fitarihana izany! Fitaomana mamin’ ny Fanahy Masina!

    Ny zava-mahasarika sy miafina ary tsara indrindra amin’ny fiainan’ny Kristiana dia ny Fanahy Masina ary ity boky ity dia momba izay zavatra miafina izay nefa tena misy! N hery mahasarika mamy izay ananan’ny Fanahy Masina!

    Ity boky iy dia manome listry ny faritra izay anantenaintiska ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Mila karohintsika izany ary mila ka isika mivavaka ho amin’izany. Ain-dehibe ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Miankina indrindra amin’izany ny fahavelomantsika.

    Inona no mitaona anao izao? Amin’ny maha pastera anao, inona no mahakasika anao?Inona no mitarika anao ka mahatonga anao hanao io zavatra ataonao io? Zavatra tsara ve sa zavatra ratsy no mahataona anao?

    Misy zava-dratsy tsy hita maso telo mahasarika izay tsy be pahafantatra ary diso ny fahalalan’ny Kristiana azy. Ny zava-dratsy tsy hita maso misy fiantraikany amin’ny Kristiana voalohany dia ny devoly. Ny zava-dratsy tsy hita maso misy fiantraikany amin’ny Kristiana faharoa dia izao tonolo izao na ny tany. Ny fahatelo dia ny fahatsapatsika. Rehefa tsy ny Fanahy Masina no manana fiantraikany amin’ny olona dia ny iray amin’ireo no mahazo azy. Izany hoe, na izy arak’izao tontolo izao na izy mandeha araka ny fahatsapany na izy mandeha araka ny devoly.

    Tamin’ny nanoratra ho an’ny Galatiana ny apostoly Paoly dia nampitandrina azy izy ny amin’ny hery mahataona tsy hita maso izay misy fiantraikany eo amin’ ny fiangonana. Antsoiny hoe ny masirasira ireny fitaomana ireny. Nazavain’i Paoly ny fiantraikan’ny vonga masirasira. Nilaza izy fa ny masirasira dia karazana fitaomana. Io fitaomana tsy hita maso io dia matanjaka be ka mety manakana ny Kristiana amin’ny asa fanompoany. Diniho ny Soratra Masina Nihazakazaka tsara ianareo, iza no nanakana anareo tsy hanaiky izay marina? Izany fitaomana izany dia tsy avy amin’Ilay niantso anareo. Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masira avokoa. (Galatiana 5:7-9).

    Ity boky ity dia miresaka ny fitaomana mamy ataon’ny Fanahy Masina! Hampiharihary aminao ny faritra samihafa amin’ny fiainanao izay mety hahazo vokatra avy amin’ny Fanahy Masina. Ary satria hitenyaminao Andriamanitra amin’ny alalan’ity boky ity dia hisokatra amin’ny Fanahy Masina ianao. Sady hanantena ianao no hamela ny Fanahy Masina hitondra vokatra amin’ny endrika samihafan’ny fiainanao.

    Toko 2

    Zava-dratsy Telo Mety Mahataona

    Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia.

    Jakoba 3:15

    Ny vokatra fara-tampony entin’ny fitaomana mamy ataon’ny Fanahy Masina ho anao dia ny hanao anao ho olona ara-panahy. Ny Testamenta Vaovao dia miresaka be ny amin’ny olona ara-panahy. Ny olona ara-panahy dia olona manan-danja indrindra ao amin’ny fiangonana. Fa ny olona tsirairay avy dia manana zavatra efatra isafidianany. Ho arak’izao tontolo izao. na araka ny nofo, na hanaraka ny fomban-devoly na handeha araka ny Fanahy.

    Manana anjara toerna lehibe ireo mpandraharha amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Manana anjara toerna lehibe ireo dokotera amin’ny tontolon’ny fahasalamana fa any ampiangonana, ireo olona ara-panahy no manana toerana lehibe. Ny apostoly Paoly dia nanoratra ny taratasiny ho an’ny olona ara-panahy ihany satria ny olona ara-panahy ihany no nahafantatra izay nolazainy na avy amin’Andriamanitra na tsia. Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho MANANA FAHAIZAM-PANAHY, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo. (1 Korintiana 14: 37).

    Mila mibanjina ny ho tonga olona ra-panahy ianao izay miaina eo amban’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny fitaomana mamy ataon’ny Fanahy Masina no hanodina anao ho ara-panahy. Eo an-danin’izany, raha tsy miaina eo ambanin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao dia handeha tanteraka eo ambanin’ny fitaomana hafa.

    Araka izao Tontolo izao, Araka ny nofo na Araka ny Devoly!

    Na ianao ho arak’izao tontolo izao na ianao mandeha araka ny nofo na ianao mandeha araka ny devoly. Tsy sarotra ny mamantatra ny olona araka izao tontolo Izao, araka ny nofo na ny araka ny devoly. Hitantsika eny rehetra eny izy amin’ny fotoana rehetra. Raha tokony ho ara-panahy ny Kristiana dia maro aminy no araka izao tontolo izao, araky ny nofo na araka ny devoly!

    Toy Inona ny Olona Araka ny nofo?

    Ny araka ny nofo dia voagejan’ny retsiny sy ny fihetseham-pony. Manaraka ny faniriany izy ary manenjika izay rehetra hitany sy jereny. Ny olona araka ny nofo dia mihinana be, matory be, manao firaisana ara-nofo be dia tia manaraka ny fahafinaretana izay misy eo. Maro ny tanora no manomboka ny fiainany manaraka fotsiny ny fahatsapan’ ny nofo. Ny toeram-pandihizana, ny alim-pandihizana sy ny fetifety dia feno olona mandihindihy sy manaraka ny filan’ny nofony amin’ny faratampony. Ny Mpivarotra sy mpividy ary ny mpampiasa zava-mahadomelina dia manaraka ny filany ho amin’ny faharavany

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona izay tsy hitanao.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona izay tsy hita vantana.. Andriamanitra dia fanahy.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona izay tsy mamaly fanontaniana sy tsy miteny.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona amin’ny alalan’ny solon-tenany.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny maka sary an-tsaina olona izay tsy mitovy aminao.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona izay tsyazonao tsapaina.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona izay tsy azonao henoina ny feony.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona izay tsy mbola nihaonanao.

    Ny olona araka ny nofo dia miady hahalala an’Andriamanitra satria sarotra ny mahafantatra olona izay misitery ny momba azy.

    Toy Inona ny Olona Araka izao Tontolo izao?

    Ny olon’izao tontolo izao dia mametraka ny fijeriny eto an-tany. Maro ny olona arak any nofo no manova ny vantany ho tonga ilay endrik’olona izay everiny fa tsaratsara kokoa. Ireny olona arak any fahatsapan’ny nofo ireny dia miova ho olona manana fisainana araka izao tontolo izao. Ny olona araka izao tontolo izao dia tsy manana erireritra momba ny Lanitra na ny Helo. Tsy mahita fianana ankoatr’ity eto an-tany ity izy. Ny fikasany sy ny fialam-boliny rehetra dia mampiseho ny tsy fahaizany mitsinjo lavitra sy ny fahajambany ny amin’ireo zavatra maharitra mandrakizay. Tsy mieritreritra fitsarana ny olona toy izany; fa ny fihetsiny sy ny asany dia haseho sy haharihary ary handoha ny vidin’ny otany izy.

    Maro amin’ireny filoha sy praiministra izay toa mendrika ireny no fijery azy ary nianatra tany Oxford, Cambridge, Harvard, sns, …no niaina fiainana adala tamin’ny tanora, nandray zava-mahadomelina, nisotro sy nifoka tsy nijanona. Niova tamin’ny maha olona arak any nofo azy izy ary nanjary ho olon’izao tontolo izao. Olona mendri-kaja ny fijery azy ary lavitry ny androny taloha tamin’izy araka ny nofo. Fa lazaiko anao fa maro amin’izy ireny no olon’izao tontolo izao kokoa noho ny araka ny nofo, tsy misy resaka momba

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1