Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Fahaiza-Manaraka
Ny Fahaiza-Manaraka
Ny Fahaiza-Manaraka
Ebook275 pages3 hours

Ny Fahaiza-Manaraka

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Dia fahafantarana mampavitribitrika ny fanarahana an’ Andriamanitra. Fahaiza-mianatra taloha nosafidin’ I Jesosy Kristy ho fitsipika nentiny nampiofanana ny fanarahana sy ny fandikana ny hafa. Fotoana hatakarana ny fahatsarana sy ny fanetren-tena amin’ ny fahaiza-manaraka izao fa tsy fialana lavitra izao fotoanan’ ny fomba fampiofanana.

Ho hitanao ato amin’ ity boky ity hoe iza, inona ary ahoana ny manaraka tsara. Manome toerana tokony hisy ny fahaiza- manaraka eo amin’ ny traikefantsika Kristiana ity boky feno faranitan-tsaina nosoratan’ i Dag Hewar-Mills ity.

LanguageMalagasy
Release dateJun 14, 2018
ISBN9781613958209
Ny Fahaiza-Manaraka
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Fahaiza-Manaraka

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Fahaiza-Manaraka - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Inona No Atao Hoe Fahaiza-Manaraka?

    Famaritana ny fahaiza-manaraka

    1. Ny fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana maka tahaka.

    2. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana maka tahaka ny olona iray izay ankafizinao ny fihetsiny.

    3. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana maka tahaka zavatra iray.

    4. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana hitovy tsy misy valaka amin’olona iray.

    5. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana mamerina mamokatra zavatra mitovy.

    6. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana manaoclônage.

    7. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana maka endrika mitovy sy mahavita mitovy.

    8. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana ho tonga toy ny kambana.

    9. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana manatratra izay eo aloha.

    10. Ny Fahaiza-Manaraka dia ilay fahaizana mandroso faingana sy amin-kery.

    Ireo Izay Nahomby tamin’ny Fampiharana ny Fahaiza-manaraka

    1. Ny ankizy dia mampiasa ny fahaizana manaraka.

    Ny ankizy dia mampiasa ny fahaizana maka tahaka mba handrosoany haingana amin’ny dingan-dava ka hanatratrarana sy hianarana fiteny sarotra ao anatin’ny fotoana fohy. Ny ankamaroan’ny fianarana rehetra ataon’ny ankizy dia amin’ny alalan’ny fahaizana manaraka, fakan-tahaka zavatra na fihetsik’olona.

    2. Ireo firenena izay manan-karena tao anaty taon-jato maro dia nampiasa ny fahaizana manaraka.

    Eoropa sy Amerika dia nampiasa ny fahaizana manaraka mba ho tonga firenena tranainy sy manan-karena indrindra amin’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny fakan-tahaka, ny firenena Eoropeana tsirairay dia lasa nitovy tamin’ireo mpifanolo-bodirindrina aminy ary lasa nandroso ka saika nanan-karena mitovy ireo. Mitovy ny làlana, trano avo ary ny foto-drafitrasa. Ny firafitry ny banky sy ny toe-karenany dia saika mitovy avokoa. Mitovy ny fahaizana ara-tafika. Ny fomba fiainana sy ny fari-piainan’ny olona dia samy mitovy avokoa any amin’ireto firenena ireto. Eny, tamin’ny alalan’ny fakan-tahaka, ny firenena tsirairay dia nanatratra ireo mpifanolo-bodirindrina taminy ary tsy nanaiky ho tavela any aoriana tamin’ny hazakazaka ho amin’ny fanambinana.

    3. Ireo firenena izay vao nisondrotra ara toe-karena dia mampiasa ny fahaizana manaraka.

    Taiwan, Chine, Korea dia fanta-daza amin’ny fahaizany manaraka sy maka tahaka.Ny ankamaroan’ny firenena izay lasa nanan-karena dia nampiasa tokoa ny fahaizana manaraka.

    Ireo firenena izay lasa nanan-karena tao anatin’ny dimampolo taona dia fanta-daza amin’ny fahaizany maka tahaka. Eny, maro amin’ireo zavatra vokariny dia lazaina tsotra hoe hala tahaka. Namokatra fiara izay tena mitovy tsy misy valaka amin’ ny modely Eoropeana malaza izy ireo. Ny Koreana dia tsy nahalala menatra mihitsy nandrafitra fiara Daewoo tahaka ny Opel, ny Ssangyong toy ny Mercedes Benz ary ny Hyundai toy ny Toyota. Amin’ny alalan’ny fakan-tahaka tsy nananany henatra izy ireo dia nahavita nanatratra sy nandroso faingana mandra-pahatongany ho lasa lohalaharana tamin’ny famokarana fiarakodia.

    Saika amin’ny sehatra rehetra mikasika ny teknolojia sy ny fiezahana dia nanatratra sy nandroso haingana ka nahaforona ilay harena izay toa nofinofy fotsiny ho an’ny hafa izy ireo. Ireo izay menatra ny haka tahaka dia nijaridina fotsiny raha nandroso nihoatra ka lasa mpanapitrisa, miliaridera sy trillionaires ireo tompon-daka amin’ny fakan-tahaka.

    4. Jesosy Kristy ilay zanak’Andriamanitra dia nampiasa ny fahaizana manaraka.

    Nampiasa ny fahaizana manaraka i Jesosy mba hanovana mpanjono tsy mahay mamaky teny sy manoratra ho lasa mpitarika sy mpitantana hetsika maneran-tany. Raha ny zanak’Andriamanitra no nampiasa ny fahaiza-manaraka ho fombany tokana fanofanana dia tsy maintsy izay no fomba ambony sy fara-tampony indrindra entina mianatra, manofana, mampianatra.

    Ny fahaizana manaraka dia ny fahaizana maka tahaka olona. Ny fahaizana manaraka dia ny fahaizana ho lasa mitovy amin’ilay olona derainao. Ny fahaizana manaraka dia ny fahaizana ho lasa mitovy amin’ilay zavatra izay efa nialoha lalana anao. Amin’ny alalan’ny fahaizana manaraka dia ho afaka manatratra sy handroso haingana ao amin’ny asa fanompoana ianao.

    Toko 2

    Ahoana No Ahombiazana Amin’ny Fahaiza-Manaraka

    Mba tsy ho malaina ianareo, fa hanahaka …

    Hebreo 6: 12

    Misy didy ara-Baiboly maro mba hanarahantsika olona. Ny Baiboly dia feno ohatra maneho hoe nahoana no tsy maintsy anarahantsika olona. Ato amin’ity toko ity ianao dia hianatra ireo fitsipika fototra izay ilainao mba hahombiazana amin’ny fanarahana, fakana tahaka, fakana tahaka fihetsik’olona ary fanatratrarana ireo izay eo alohanao.

    Ireo Fitsipika Fototra Sivy momba ny Fanarahana

    1. Afaka hahomby amin’ny fahaiza-manaraka ianao amin’ny safidinao hanaraka an’Andriamanitra Tenany.

    Koa amin’izany dia AOKA HANAHAKA AN’ANDRIAMANITRA ianareo tahaka ny zanaka malala; ARY MANDEHANA AMIN NY FITIAVANA, toy ny nitiavan’i Kristy antsika, dia ny nanolorany ny tenany ho antsika ho fanatitra sy sorona ho an’Andriamanitra ho fanatitra ankasitrahana.

    Efesiana 5: 1-2

    Ny fanarahana mahomby an’Andriamanitra dia tanteraka amin’ny fandehanana amin’ny fitiavana sy sorona. Fantatrao ve fa azo atao ny manaraka an’Andriamanitra? Misy olona tsara harahina kokoa noho Andriamanitra ve?

    Ny Tenin’Andriamanitra dia maneho marina izay tokony hatao raha te-hanaraka an’Andriamanitra isika. Ny hany tokony hataontsika dia mianatra ny hoe ahoana no itiavana sy mianatra ny hoe ahoana no anaovana sorona. Ny fanaovana ireo zavatra roa ireo dia manome antoka fa manaraka an’Andriamanitra Tenany ianao.

    Raha mihevi-tena fa manaraka an’Andriamanitra ianao dia tsy maintsy olona mandeha amin’ny fitiavan’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana.

    2. Afaka mahomby amin’ny fahaizana manaraka ianao amin’ny alalan’ny fanarahanao lehilahin’Andriamanitra izay manaraka an’i Kristy.

    Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.

    1 Korintiana 11: 1

    Nomen’i Paoly toromarika ny fiangonana korintiana mba hanahaka azy kanefa nampitandrina azy ireo izy mba hanahaka azy raha mitohy ihany amin’ny fanarahana an’i Kristy izy.

    Eny, misy pasitera maro manaraka mpanapitrisa, mpitantana fandraharahana sy mpanao politika mihoatra noho ny fanarahana an’Andriamanitra. Ho voamarikao avy amin’ireo boky vakiany fa manaraka ireo olona laika ireo izy ary maniry hitovy amin’ireo mihoatra noho ny hitoviany amin’i Jesosy. Amin’izao fotoana izao, ny pasitera dia mamaky ny tantaram-piainanan’ny filoham-pirenana amerikana, mpanapitrisa ary mpandraharaha mahomby.

    3. Afaka hahomby amin’ny fanarahana ny lehilahin’Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ny fanarahanao olona izay nanaraka ilay olona tena tianao harahina.

    Ry rahalahy sy anabavy malala, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ary MIANARA AVY AMIN’IREO IZAY MANARAKA ny ohatra asehonay.

    Filipiana 3: 17 (NLT)

    Taona maro lasa izay, naniry ho ao amin’ilay asa fanompoana feno fahagagana aho. Fantatro tamin’izany fa tsy maintsy hanaraka olona izay efa ao anatin’ilay asa fanompoana feno fahagagana aho. Nanapa-kevitra aho fa hanaraka an’i Kathryn Khulman satria izy nanana ny asa fanompoana lehibe indrindra feno fahagagana izay tsy mbola reko hatramin’izay. Amin’ny maha mpitsabo ahy, dia tena nanaitra ahy ny karazam-pahagagana nananany. Kanefa nanana olana iray aho dia ny tsy nahafahako nihaona taminy teto an-tany satria efa nodimandry izy. Tsy afaka nanao na inona na inona aho ary tsy fantatro hoe ahoana no ahafahako manaraka olona efa maty. Ahoana no hanomezako fanatitra ho an’olona efa maty? Ahoana no iresahako amin’olona efa maty? handeha hamoha ny fanahiny avy any amin’ny maty ve aho?

    Tampoka teo, niteny tamiko ny Fanahy Masina: Manaraha an’i Benny Hinn raha toa ka te-hanaraka marina an’i Kathryn Khulman ianao. Nisy fahazavana namirapiratra nibaliaka teo amin’ny làlako, ary teo no ho eo dia fanatatro izay tokony hataoko. Nanomboka aho nanaraka ny dia ben’i Benny Hinn sy nianatra izay rehetra azoko natao mikasika ny asa fanompoana, ny fanasitrananan ary ny fahagagana . Ity no fitsipika fototra izay nozarain’i Paoly tamin’ny Filipiana. Afaka manaraka ahy ianareo amin’ny alalan’ny fanarahanareo ireo izay manaraka ny ohatro.

    4. Afaka ho tonga mpanaraka vondron’olona izay mandeha amin’ny fahasoavan’ny Tompo ianao.

    Ary ianareo efa NANAHAKA ANAY sy ny Tompo satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,

    1 Tesaloniana 1: 6

    Afaka manaraka vondron’olona izay mizotra amin’ny làlana iray voafaritra ianao toy izay manaraka olona tokana fotsiny ihany . Ohatra afaka manaraka mpitarika ao amin’ny fiangonana na asa fanompoana iray ianao. Afaka manaraka vondrona namana izay miara-manompo an’ Andriamanitra koa ianao.

    Taona maro lasa izay, taorian’ny nampihaonana ahy tamin’i Kenneth Hagin, dia voamariko ireo olona izay mifanerasera taminy. Olona toa an’i Kenneth Copeland, Jerry Savelle, Fred Price, Charles Capps ary John Osteen no hita tao amin’ny valan-dresaka nataony sy tao anaty gazety bokiny. Io vondron’ny lehilahin’ny finoana io dia lasa nahasarika ahy ary lasa nanaraka azy ireo aho. Lasa namaky ny bokin’izy ireo aho, nianatra tamin’izy ireo satria vondrona faka tahaka izay azoko narahana izany.

    5. Afaka mahomby amin’ny fahaizana manaraka ianao amin’ ny alalan’ny fahatongavanao ho mpanaraka fiangonana iray.

    Fa ianareo, ry rahalahy, dia TAHAKA NY FIANGONAN’Andriamanitra izay any Jodia izay ao amin’i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ny nanjo ireo noho ny nataon’ny Jiosy taminy.

    1 Tesaloniana 2: 14

    Afaka manaraka fiangonana iray ianao amin’ny alalan’ny fianaranao avy amin’ireo mpitarika ao aminy, ny tantarany, ny foto-pampianarany, ny fandreseny, ny kriziny, ny fahadisoany, sns. Mba hanarahana araka izay tokony ho izy ny fiangonana iray, dia tsy maintsy mianatra ny tantarany amin’ny fomba rehetra ianao. Maro ny fiangonana nandalo fiovana mahagaga rehefa nandeha ny taona. Matetika tsy azonao atao ny mampitaha fiangonana iray ankehitriny amin’ izay mety ho endriny tamin’ny zato taona lasa.

    Zato taona lasa izay, ny fiangonana tany Suisse dia tena nahery vaika tokoa ka nandefa tanora zazalahy maro ho faty amin’ny sehatra misiona tany an-tany lavitra. Tamin’ny alalan’ny ezaka nataon’ny fiangonana Suisse dia tonga tamin’ny firenena manontolo toa an’i Ghana sy Nigeria ny fiangonana sy ny maha Kristiana. Ankehitriny ny fiangonana any Suisse dia maty tanteraka, hany ka nikatona ny ankamaroan’ny fiangonana ary ny maha-Kristiana dia heverina toy ny raharahan’ireo vahiny sy mpifindra monina.

    Ankehitriny ny tranon’ny fikambanana izay nandefa misionera ho an’izao tontolo izao dia navadika ho trano fandraisam-bahiny ary ny arsiva mirakitra ny asa misionera lehibe dia tehirizina any amin’ny lakavy ambanin’ny trano fandraisam-bahiny!

    Tena maro ny zavatra nianarako avy tamin’ny Fiangonana Metodista. Maro tamin’ireo ohatra tsara nananany no narahiko ary nianarako ny fiainan’ ireo mpanorina azy. Tamin’ny fanarahana io fiangonana io aho dia nomen’Andriamanitra fahatakarana lalina sy tari-dalana ho amin’ny asa fanompoako.

    6. Tsy maintsy lasa mpanaraka ireo zavatra tsara izay asehon’ny Fanahy Masina ianao.

    Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha MANARAKA IZAY TSARA IANAREO ?

    1 Petera 3: 13

    Tsy maintsy manaraka ireo zavatra tsara ianao. Raha mikasika ny fonao ny Fanahy Masina momba ny zavatra tsara ao amin’ny asa fanompoan’olona iray, dia tsy maintsy everinao fa Andriamanitra izay no misarika ny fifantohanao ho amin’ny zavatra izay ilaina hataonao. Maneho mandrakariva ny zavatra tsara izay tokony harahantsika ny Fanahy Masina. Miankina aminao ny hanokatra ny fonao hijery ny zavatra tsara mikasika ny fiangonana sy ny asa fanompoana hafa.

    Angamba tsikaritrao ny hatsaran’ny mozika ao anaty fiangonan’olon-kafa. Angamba voamarikao ny hatsaran’ny antokom-pihira; angamba voamarikao hoe hatraiza ny fahadiovan’ny trano fivoahana. Angamba voamarikao ny hatsaran’ny firafitry ny trano fiangonana. Angamba voamarikao ny hatsaran’ny toritenin’olona tao. Angamba voamarikao ny hatsaran’ ny fomba fihiran’ny olona. Ireo zavatra tsara rehetra voamarikao ireo dia hafatra avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny zavatra tsy maintsy arahanao.

    7. Afaka mahomby amin’ny fanarahana lehilahin’ Andriamanitra iray ianao amin’ny fanarahana ireo solontena nirahana sy notendrena.

    …manahafa ahy ianareo: FA NOHO IZAO ANTONY IZAO DIA NIRAHAKO HO ATY AMINAREOTIMOTY, izay zanako malalako sy mahatoky ao amin’ny Tompo, ary izy no hampahatsiaro anareo ny fombako ao amin’ny Kristy, tahaka ny ampianariko na aiza na aiza any amin’ny fiangonana rehetra any."

    1 Korintiana 4:16-17, NASB

    Tian’i Paoly hanaraka azy akaiky ny korintiana. Noho izany antony izany, nanendry an’i Timoty izy ary nandefa azy ho any amin’ny korintiana. Izay rehetra te-hifandray amin’i Paoly dia tsy maintsy nifandray amin’i Timoty.

    Ny olona izay tsy afaka hifandray tsara amin’ireo solontena voatendry dia tsy mintsy hahatsapa fa very tombon-tsoa hianatra sy hanaraka. Ny olona manan-danja matetika dia voatery maniraka solontena hihaona aminao sy hifampiresaka aminao. Raha raraka amin’ny fifampiresahana sy fifandraisana ianao, satria hoe tsy ilay olona tena ilainao no mifandraharaha aminao, dia ho diso fitahiana maro tokoa ianao. Ny fahaizana manaraka dia ny fahaizana manaraka ireo solontena nirahana.

    Efa tany Korea imbetsaka aho mba hifampiresaka tamin’i David Yonggi Cho. Dia tsy maintsy nifampiresaka tamin’ny olona izay notendreny hikarakara ahy sy ireo mpikambana ao amin’ny komity aho. Ny fanekena am-pifaliana ireo solontena nirahany no lakilen’ny tombon-tsoa azo avy amin’ny fifaneraserana aminy. Izay mihevi-tena ho lehibe loatra ka tsy afaka mifampiraharaha amin’ny iraka nomena fahefana dia lehibe loatra ka tsy afaka hanaraka!

    8. Afaka mahomby amin’ny fanarahana ny lehilahin’ Andriamanitra iray ianao raha toa ka manaraka ny finoany sy ny faharetany.

    Mba tsy ho malaina ianareo, fa hanahaka ireo mpandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.

    Hebreo 6: 12

    Ny lakile roa izay tsy maintsy katsahanao ao amin’ny lehilahy iray izay arahanao dia ny finoany sy ny faharetany. Nahoana aho no milaza izany? Ny Soratra Masina dia mampianatra antsika fa ny finoana sy faharetan’ny olona iray no ahafahany mandova ny teny fikasan’Andriamanitra .

    Ny finoana sy ny faharetan’i Kenneth Hagin no nanome azy ilay asa fanompoany maneran-tany. Ny finoana sy ny faharetan’i Yonggi Cho no nanome azy ilay fiangonana lehibe indrindra maneran-tany. Ny finoana sy ny faharetan’i Benny Hinn no nanome azy ireo tafika masina feno fahagagana. Ny finoana sy ny faharetan’i Fred Price no nanome azy ilay asa fanompoany maneran-tany. Ny finoana sy ny faharetan’i Reinhard Bonnke no nanome azy ilay asa fanompoany maneran-tany.

    Tsy ny vola, na fahalalana olona na dokam-barotra no nanome ireo olona ireo ny zavatra izay nananany. Fa ny finoana sy ny faharetany no nanome azy ireo izay azony.

    Ry namana malala, te-hahomby amin’ny fahaizana manaraka lehilahin’Andriamanitra ve ianao? Koa araho ny finoany sy ny faharetany! Inona no dikan’izany hoe manaraka finoan’olona izany? Ny hoe manaraka finoan’olona dia manontany hoe"Inona no ninoany, nahoana izy no nino ireny zavatra ninoany ireny? Fony aho nianatra ny finoan’i Billy Graham dia voamariko fa nandray fanapahan-kevitra tsara izy ny hino fa ny singa tsirairay ao amin’ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra avokoa. Noho ny amin’io finoana io izy dia mitanisa Soratra Masina maro rehefa mitory teny amin’ny mpanota. Inoany fa raha Tenin’Andriamanitra ireo teny ireo dia hanana hery lehibe hamonjy, hanasitrana ary hanafaka rehefa vakiana mafy amin’olona.

    Raha mamaky sy mianatra ianao dia hahita zavatra maro mikasika ny finoan’ireo olona lehibe ireo. Fomba hafa ahoana no ahafahanao mahalala bebe kokoa mikasika ny finoan’ny olona lehibe iray? Amin’ny alalan’ny fijerena sy fihainoana ireo zavatra nolazainy taloha tao amin’ny asa fanompoany. Any amin’ny tapany farany amin’ny asa fanompoan’ny olona iray dia ho hitanao ny vokatra mahazendana avy amin’izay ninoany. Kanefa tany amin’ny tapany aloha amin’ny asa fanompoany dia ho hitanao sy ho tsapanao ny fampiasan’ilay olona ny finoany ho an’ny zavatra lehibe ao amin’Andriamanitra. Amin’ny fotoana fiandohan’ny asa fanompoany dia kely ny zavatra hita fa be dia be ny finoana ary be dia be ny fanambarana matanjaka. Mahaliana foana ny fomba nijoroan’ireo lehilahy tany an’efitra sy nanombohany nino zavatra lehibe ho an’ny asa fanompoan’izy ireo.

    Araho ny finoana sy faharetan’ny lehilahy lehibe dia hanaraka ny zavatra izay tokony harahana ianao. Ankehitriny ny olona dia te-hanao fitafiana mitovy, kiraro mitovy, ary hamily fiara tahaka ny an’ireo lehilahy lehibe an’Andriamanitra. Ny Baiboly dia tsy milaza fa nandova ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fiarany, tranony sy fitafiany izy ireo! Tamin’ny alalan’ny finoany sy faharetany no nandovany ny teny fikasana!

    Ka noho izany, ahoana no ahafahanao manaraka ny faharetan’ ny olona iray? Afaka mianatra ny faharetan’ny olona iray ianao amin’ny ahitanao hoe oviana izy no nanomboka nino ny zavatra sasany ary oviana marina izy no nifaly tamin’izy ireny. Rehefa manomboka mikajy sy mahita ny isan’ny taona izay ninoan’ny olona ka nizorany ho amin’ny làlana voafaritra iray ianao, dia ho gaga hoe faharetana toa inona no nananany.

    Ny ankamaroan’ny olon’Andriamanitra dia niasa mafy nandritra ny taona maro hahazoana vokatra kely ary dia nahita ny Tompo nanao asa lehibe tamin’ny fiafaran’ny androm-piainany sy asa fanompoany. Eny, ny finoana sy faharetan’ny olona no zava-miafina ao ambadiky ny asa fanompoany.

    9. Tsy maintsy mandresy ny hakamoana, fahalainana sy fidonananam-poana ianao mba hanarahana olona iray amin’ny fomba mahomby.

    Mba TSY HO MALAINA IANAREO, fa hanahaka ireo mpandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.

    Hebreo 6:12

    Azonao inoana ve fa ny hakamoana no antony tsy hahafahan’ny maro manaraka? Nandre ny tenin’olona kamo aho, izay tsy te-hanaraka sy hianatra. Ny hany lazainy dia:

    Oadray, manana ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’ny fiainanao ianao.

    Hoy izy ireo, fahasoavana nomen’Andriamanitra anao ny fananana ireo fiangonana ireo.

    Oadray, hoy izy ireo, tena tiako mihitsy ny fomba fanaovanao zavatra. Tena fahasoavana no anananao.

    Hoy izy ireo, Izaho tsy manana ilay fahasoavana anananao. Tsy amin’izany ny antsoko.

    Eny, mety ho marina tokoa fa ilay fahasoavan’Andriamanitra no miasa. Fa matetika ny olona dia lasa kamo mianatra zava-baovao tsotra izao.

    Eny, mitaky angovo be ny hitoviana amin’olona izay eo alohanao. Mitaky fotoana be sy ezaka matotra ny hahitana ny tsiambaratelon’ny mpitarika iray sy maka tahaka azy. Tsy afaka hahomby amin’ny fahaizana manaraka ny kamo.

    Toko 3

    Ireo Fanalahidy Fiton’ny Fahaiza-Manaraka

    1. Manaraha ny lehilahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampianarany sy ny zavatra ataony.

    Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako NY AMIN’IZAY NATAON’I JESOSY SY IZAY NAMPIANARINY,

    Asa 1: 1

    Ny fampianaran’ny olona iray sy ny zavatra ataony dia samy manan-danja. Mba hanarahana an’i Jesosy Kristy dia tsy maintsy manaraka ny fampianarany sy ny zavatra nataony ianao. Ny filazantsara tsirairay dia samy mirakitra ny fampianaran’i Kristy sy ny tantaran’ny zavatra nataony koa. Ny fampianaran’i Kristy dia nosoratana amin’ny mena ary ny zavatra nataony amin’ny mainty.

    Zava-dehibe ny mahatakatra fa ireto endrika soa ireto dia tena samihafa kanefa dia tena manan-danja. Misy zavatra maro izay tsy nampianarin’i Jesosy Kristy ny momba azy. Eny, misy zavatra maro nataony kanefa tsy nasiany fanazavana izay nataony. Izany no antony nanoroana hevitra an’i Teofilo mba hianatra avy amin’izay nataon’i Jesosy sy izay nampianariny.

    2. Manaraha ny lehilahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’izy ireo.

    Tena zava-dehibe ny ahatakaranao fa ny olona sasany dia manana talenta hampianatra izay hainy. Io dia mitarika ny fananan’ny olona sasany fampianarana maro, foto-pampianarana, fitsipika ary hevitra maro izay zarainy. Ohatra i Kenneth Hagin, mpaminany lehibe iray dia nanompo tamin’ny fanasitranana ka nampianatra betsaka mikasika ny fomba nampiharany ny asa fanompoana sy nahavitany zava-dehibe ho an’Andriamanitra. Afaka nianatra zavatra maro momba ny asa fanompoana aho tamin’ny fitsimponana avy tamin’ny fampianarany. Nisy koa ireo mpaminany lehibe hafa izay velona sy maty tao anatin’izany vanim-potoana izany, kanefa izy ireo tsy namela fampianarana mihitsy izay mety ho nitarika ny sasany ho amin’ny asa fanompoana mitovy.

    3. Manaraha ny lehilahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanarahana izay ataony.

    Nahita olona izay nahavita zava-dehibe ho an’ny Tompo aho kanefa zara raha namela fampianarana ny amin’ny fomba nanaovany

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1