Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ahoana no ahafahanao manana fotoana mangina mahomby isan'andro
Ahoana no ahafahanao manana fotoana mangina mahomby isan'andro
Ahoana no ahafahanao manana fotoana mangina mahomby isan'andro
Ebook82 pages50 minutes

Ahoana no ahafahanao manana fotoana mangina mahomby isan'andro

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Mamboraka ny iray amin’ ireo tsiambaratelony i Dr. Dag Heward-Mills, ilay mpitarika Kristiana tena miavaka. “Raha misy manontany ahy ny amin’ ny tsiambaratelo lehibe indrindra amin’ ny fifandraisako amin’ Andriamanitra, dia tsy ampisalasalana no hilazako fa ny herin’ ny fotoana mangina ananako miaraka Aminy isan’ andro izany.”Nanapa-kevitra ny hanoratra ity boky ity izy mba ahafahano mahazo tombotsoa avy amin’ ny herin’ ny fotoana mangina ihany koa.

LanguageMalagasy
Release dateJun 15, 2018
ISBN9781613958315
Ahoana no ahafahanao manana fotoana mangina mahomby isan'andro
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ahoana no ahafahanao manana fotoana mangina mahomby isan'andro

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ahoana no ahafahanao manana fotoana mangina mahomby isan'andro - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Vavaka Mangina – Ilay Fahazarana Manan-Danja Indrindra Amin’Ny Fiainananao

    Ny antsasany faharoan’ny fiainan’ny olona dia vokatry ny fahazarana izay azony nandritry ny antsasany voalohany.

    Dostoyevsky

    Ny fahatanjahan’ny lehilahy iraÛy dia vokatry ny fanaony mahazatra.

    Pascal

    Ny fahazarana dia zavatra ataonao izay tsy hieritreretana ny momba azy na fikasana hanao azy. Ny Kristiana tsara tsirairay dia manana fahazarana tsara maro. Ireo fahazarana tsara ireo no nahatonga azy izay maha izy azy.

    Ny lehilahy goavana rehetra dia manana fahazarana izay nahatonga azy ireo ho goavana. Jesosy Tompontsika dia nanana fahazarana izay nahatonga Azy goavana.

    Jesosy Kristy

    1. Mankany am-piangonana matetika

    Fantatrao ve fa nanana fahazarana tsara i Jesosy? Mampianatra antsika ny Baiboly fa nanana fahazarana Izy dia ny fankanesana any am-piangonana ny andron’ny Sabata.

    Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ARY ARAKA NY FANAONY dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.

    Lioka 4:16

    2. Mandeha mitokana mivavaka

    Nanana fahazarana ihany koa Jesosy ny mandeha amin’ny zaridaina voafaritra mba hitokana. Io dia toerana izay nalehany matetika. Ary ny rehetra dia nahalala ny fahazarany mivavaka any amin’ilay zaridaina.

    Rehefa voalazan’i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’izy sy ny mpianany.

    Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria MPANKAO MATETIKA JESOSY MBAMIN’NY MPIANANY.

    Jaona 18:1, 2

    Daniela

    Nivavaka tamin’ny ora voafaritra tamin’ny andro i Daniela. Io dia zavatra nataony mahazatra. Io dia isan’ny fanalahidy lehiben’ny fiainany.

    Ary noho izany dia nasian’i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany. Nony fantatr’i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satria FANAONY HATRAMIN’NY TALOHA IZANY.

    Daniela 6:10, 11

    Zavatra folo tokony ho fantatry ny Kristiana momba ny fahazarana

    1. Ny fahazarana dia HETSIKA IRAY IZAY MORA AVERINA tsy am-pieritreretana na am-piomanana

    2. Ny fahazarana dia HETSIKA IZAY TONGA FOMBA FANAONAO na tonga saina amin’izany ianao na tsia.

    3. Ny fahazarana matetika dia HETSIKA TSY MANAN-DANJA IZAY TOA TSY MANANA HERY hanova ny hoavy. Izay no mahatonga ny olona maro tsy mahalala ny hevitry ny fananana fahazarana tsara ho fitaovana mahery vaika ho amin’ny fahombiazana ho avy.

    4. Ny fahazarana dia mety HO TSARA NA RATSY, NATORALY NA ARA-PANAHY. Ny fahazarana ara-panahy dia zavatra tahaka ny hoe vavaka maraina sy vavaka mangina isan’andro. Ny fahazarana natoraly dia zavatra tahaka ny hoe miborosy ny nifinao ary mandro isan’andro.

    5. NY FAHAZARANA TSARA DIA AVERINA TAHAKA NY FAHAZARANA RATSY.

    6. NY FAHAZARANA RATSY DIA MITARIKA HO AMIN’NY TSY FAHOMBIAZANA MAHARITRA SY FAHARESENA kanefa tsy fantatr’ilay olona izay miseho.

    7. NY FAHAZARANA TSARA DIA MITARIKA HO AMIN’NY FAHOMBIAZANA MAHARITRA SY FANDRESENA kanefa tsy fantatr’ilay olona izay ataony.

    8. Ny fahazaran-dratsy dia mora volavolaina fa sarotra ny miaina miaraka aminy. NY FAHAZARANA TSARA DIA SAROTRA VOLAVOLAINA FA MORA NY MIAINA MIARAKA AMINY.

    9. NY KRISTIANA MAHOMBY REHETRA DIA MANANA FAHAZARANA TSARA MARO IZAY nitondra azy ho amin’ny fahombiazana. Taona maro lasa izay, nisy namako nampianatra ahy ny fomba hananana fotoana mangina miaraka amin’Andriamanitra isa-maraina. Novelariko izany ho fahazarako manokana ary io no fanalahidiko lehibe indrindra amin’ny maha-Kristiana ary taty aoriana amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra. Ny ankamaroan’ny zavatra ampianariko dia vokatr’io fahazarana tsara io.

    10. NY FAHAZARANA DIA DINGANA FIAROVANA HO AN’NY KRISTIANA. Ny antony dia satria na dia ao anaty vesatra aza ny mpitarika dia hanao zavatra tsara amim-pahazarana sy natoraly ary tsy amin-kasarotana izy. Ny mpitarika rehefa ao anaty vesatra dia mety tsy hanam-potoana hieritreretana izay tokony hatao sy fomba hihetsehana. Ny fahazarana tsara mivavaka na vavaka mangina no mety hitondra azy hiala amin’ny fahasarotana. Tahaka an’i Jesosy dia manana toerana izay falehako mivavaka ihany koa aho. Mandeha miaraka amin’ny mpitandriko koa aho matetika. Izany fahazarana izany dia mihazona ahy ho voaaro ara-panahy na dia tsy tonga saina ny amin’ny loza aza aho.

    Toko 2

    Vavaka Mangina – Fanalahidin’Ny Lehilahy Goavana Maro

    Nanana Fotoana Mangina Niaraka Tamin’Andriamanitra I Mosesy

    Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; ARY AOKA HIVONONA IANAO MANDRA-PAHAMARAINA;

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1