Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Fiangonana Goavana (Natonta faha-2)
Ny Fiangonana Goavana (Natonta faha-2)
Ny Fiangonana Goavana (Natonta faha-2)
Ebook169 pages2 hours

Ny Fiangonana Goavana (Natonta faha-2)

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

“... Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, MBA HO FENO NY TRANOKO” Lioka 14: 23. Ny ventsom-pon’ Andiamanitra dia ny ahavonjy izao tontolo izao ary ny ahafeno ny tranony – ny fiangonana! Avy amin’ io Fanambarana io no nahaterahan’ ity boky ity, “Fiangonana Goavana” nosoratan’ I Eveka Dag Heward- Mills, mpitandrina ny fiangonana anisan’ ireo fiangonana lehibe indrindra ao Ghana. Tsy ho toy ny teo aloha intsony ny Fiangonanao rehefa avy mamaky ity boky mampahomby ity ianao! “Dr. Heward Mills dia nanolo-tena ho an’ I Jesosy Kristy Tompo sy ny asa fitoriana filazan-tsara eto maneran-tany. Mpitarika Lehibe sy maodely ho an’izay rehetra ao amin’ ny asa fanompoana, ary izahay eto amin’ ny “Church Growth International”, dia tena faly tokoa fa mahafantatra sy miantso an’ i Dr. Dag Heward- Mills hoe namana sy mpiara-miasa ato amin’ ny saham-pijinjana lehibe eto amin’ izao tontolo izao.”-Dr. David Yonggi Cho Filoha, Church Growth International

LanguageMalagasy
Release dateJun 15, 2018
ISBN9781613953723
Ny Fiangonana Goavana (Natonta faha-2)
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Fiangonana Goavana (Natonta faha-2)

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Fiangonana Goavana (Natonta faha-2) - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Antony Dimy Amby Roapolo Tsy Maintsy Anananao Fiangonana Goavana

    Tsy maintsy maniry hanana fiangonana goavana ianao satria fahitana tena mety sy tanjona tsara tokony hotratrarin’ny Pasitera izany. Ny hananana fiangonana goavana no faniriana tsara indrindra ao am-pon’ny pasitera tsirairay. Raha hitantana fiangonana ihany, tsy aleo mitantana ny goavana?

    Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.

    Ohabolana 29:18

    2. Tsy maintsy maniry hananana fiangonana goavana ianao satria ny faniriana an’izany no hitarika anao amin’ny hampitombo ny fiangonananao. Ny fananana faniriana hisiam-pahagagana dia hitarika anao hanana vokatra avy amin’ny fahagagana ao amin’ny ministeranao. Ny faniriana hanana hosotra dia hamokatra vokatry ny hosotra. Ny faniriana hitomboan’ny fiangonana dia hitarika anao hahita ny fomba fampitomboana ny fiangonana.

    Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany.

    Marka 11:24

    3. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianaosatria ny anjara voatendrin’ny fiangonana Izay atsangan’i Tompodia hanana fiafaran goavan kokoa noho ny fiandohana. Aza kivy amin’ny hakelin’ny fiangonananao anio. Efa voalahatra hatrany aloha fa ho feno voninahitra kokoa ny fiafaran’ny ministeranao nohn’ny fiandohany.

    Satria ny tenin’Andriamanitra dia maminany fa ny voninahitry ny trano ato aoriana dia ho lehibe kokoa noho Ilay teo aloha, dia tsy maintsy miandrandra zavatra be voninahitra kokoa noho izay hitanao tany am-piandohana ianao. Hanao zava-dehibe Andriamanitra, hampitombo ny isan’ny mpino.

    Ka na dia kely aza no niandohanao, Dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.

    Joba 8:7

    4. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria ny ankamaroan’ny Pasitera dia fitahin’ny eritreritra hoe vita ny asa kanefa mbola tsy vita.

    Nandritry ny ministera nataony tety an-tany dia mpanambara teny matotra be i Jesosy.

    ... Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; ...

    Matio 9:37

    Ny dikan’izany dia hoe maro ny fanahy azo vonjena, maro ny asan-tsika olona tsirairay, maro ny olona tokony hameno ny fiangonantsika.

    Maro ny Pasitera voafitaky ny hoe efa feno ny fiangonana tarihiny. Maro ny ministera mahatsapa ny tenany hoe efa nahavita mandray karama tsara, manana fiara tsara. Efa notahian’Andriamanitra ianao, ary efa misy mandray an-tanana ny fandaniana ataonao. Tsy midika izany fa hoe tafita ianao. Aza avela hanajamba ny masonao tsy hahita ny tena asa tokony hatao ny devoly. Ny satana no mikopakopaka ny fiangonana hampatory azy!

    Mibitsika amin’ny fon’ny Pasitera maro ny manao hoe mandeha tsara ny zava-drehetra Eo amin’izay Efa nahavita ianao Hatreo ihany no afaka ataonao Izay no farany vitanao ho an’Andriamanitra. Ny Pasitera toy izany dia azon’ny fahajambana ara-panahy nataon’i satana.

    Satana dia te-hanao izay hijanonan’ny fiangonana ho kely hatrany. Araka ny mahakivy ny olona ao amin’ny fiangonana no mahamaro ny babo ananany. Ny haben’ny fiangonanao no mamaritra ny haavon’ny refy anafihanao ny helo. Rehafa manana fiangonana goavana ianao dia midika izany fa mampitoetra fanahy maro ianao.Midika ihany koa izany fa maro ny fanahy afa-mandositra ny fihazonan’ny helo azy ireo.

    5. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hahafeno ny tranony.

    Maro ny fiangonana tsy feno satria tsy goavana izy ireny. Ary hoy ny tompo tamin’ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. " MBA HOFENOINA NY TRANOKO.

    Lioka 14:23

    Ao amin’ny Lioka 14, ny Tompo dia manome antsika fanambarana lehibe. Hoy ilay Tompo tamin’ny mpanompony Tiako ho feno ny tranoko. Ilay Tompo eto dia i Jesosy. Tian’i Jesosy ho feno ny tranony. Izany hoe ny fiangonany no tiany ho feno eto. Andriamanitra mila fiangonana feno. Tsy ilay tompo voalazan’ny tantara eto satria vitsy no tonga tany amin’ny fanasany. Afaka manao fety ihany izy fa mbola te-hanana olona maro izy. Tiany ho feno ny tranony.

    Amin’ny alalan’io tantara io dia maneho ny sitrapony ho an’ny fiangonana Andriamanitra. Olona maro kokoa! Efitra feno olona maro no iriny! Fiangonana mitobaka no ilainy. Fiangonana goavana no sitraky ny fony.

    6. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria izao tontolo izao saha fijinjanao.

    Tsy any amin’ny fokontany, tsy any amin’ny tanàna vitsivitsy fotsiny no nanirahan’Andriamanitra antsika fa any amin’izao tontolo izao, maneran-tany. Raha kely ny toeram-pijinjana dia ho kely ny vokatra azo.

    Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.

    Marka 16:15-16

    Koa raha maneran-tany no mila tratrarina dia milaza izany fa betsaka tokoa ny fanahy ho jinjaina. Ny ankamaroan’ny olona maneran-tany no tiana hambara. Koa raha izany ary no tanjona dia tokony ho sahirana amin’ny fahakelezan’ny toerana avokoa ny fiangonana tsirairay. Tsarovy fa mihoatra ny olona enina lavitrisa no iandry antsika hitondra amin’izy ireo ny Filazan-tsara ao ivelany ao.

    7. Mila manana fiangonana goavana ianao satria ny fiangonana ara-baiboly dia manana mpikambana an’arivony.Koa tsy ohatra tsara indrindra ho antsika va ilay fiangonana tany aloha? Raha manana mpikambana telo arivo sy dimy arivo ny fiangonana tamin’izany, tsy tokony ho modely ho antsika va izany? Ny marina dia noraiketina ao anaty Baiboly ireo isa ireo mba hahafantarantsika ny tanjona tokony hotratrarina.

    Ireo izay nino izay nolazain’i Petera dia natao batisa sy nisaina ho isan’ny mpikambana eo amin’ny telo arivo eo ho eo. Niaraka tamin’ny mpino hafa samy nanokan-tena tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiaraha-nivavaka nizara ny fanasan’ny Tompo sy niara-nivavaka.

    Asa 2:41-42 (NLT)

    Kanefa maro amin’ireo olona nandre ny hafatra no nino izany, koa nahatratra dimy arivo ny isan’ny lehilahy, ankoatra ny zaza amam-behivavy.

    Asa 4:4 (NLT)

    8. Mila manana fiangonana goavana satria midika ho fitomboan’ny isan’ireo fanahy voavonjy izany. Amin’ny fiangonana ngeza dia misy fotoam-bavaka maro kokoa, ny antson’ny alitara maro kokoa sy fahafahana ho voavonjy raha mitaha amin’ny fiangonana kely. Koa tsy tanjon’ny Pasitera tsirairay ve ny hahavonjy fanahy maro ho an’ny Tompo? Sa tsy fitahiana fanampiny ny fisian’ny fiangonana goavana izay mitarika famonjena ho an’ny olona maro?

    9. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria amin’izany no hahafahana maniraka mpiasa sy mpijinja maro hiasa ho an’Andriamanitra.

    Hoy izy tamin’ireo mpianany betsaka ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy koa mivavaha ho an’ny tompon’andraikitry ny fijinjana, angataho Izy mba handefa mpiasa maro kokoa ho an’ny sahany.

    Matio 9:37-38 (NLT)

    Hisy hatrany eo anivon’ny ondry ho tena mpiasa tena miasa. Na inona hataonao na inona ho lazainao dia hisy hatrany olona ao am-piangonana tsy hiditra hanao ny asan’ny ministera. Hisy hatrany ireo mpitazana sy mpitsikilo. Hisy hatrany ireo mpanadihady. Ny mpiasa koasa dia hanao ny ministera hatrany. Araka ny mahabetsaka ny vahoaka no hanirahana ny mpiasa hiasa, sy hanamora kokoa ny famatsianao azy ireo ara-bola.

    10. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria amin’ny alalan’izany no ahafahanao manendry sy handefa mpitory ny Filazantsara, Pasitera matihanina sy Eveka any am-pijijnana. Amin’ny fiangonana goavana dia hisy fiofanana manokana izay hamokatra ministera. Noho izany hamokatra Pasitera maromaro kokoa ny fiangonana misy mpikambana arivo noho ny fiangonana manana mpikambana zato monja. Ny marina dia tsy hisy firy ny olona te-hanao Pasitera ao amin’ny fiangonana misy olona vitsy an’isa.

    11. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria ho maro kokoa ny olona hiditra anaty vavaka hiady amin’ny herin’ny andriana eny amin’ny rivotra.

    "Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra [lanitra].

    Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.

    Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,

    Ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan’’ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;

    Ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra,"

    Efesiana 6:12-18

    Rehefa manana fiangonana goavana ianao, dia maro kokoa ny vavaka voasandratra ao amin’ny Tompo. Noho izany maro kokoa ny olona ho voavonjy sy ho tafatoetra. Rehefa naniraka ahy hanorina fiangonana tany Eropa Andriamanitra, dia naneho ahy andraikitra manokana Izy dia ny hananganana vaovao indray ny Fanjakany amin’io kontinanta io. Fantatrao fa lasa kontinantan’ny tsy mpino Eoropa. Nesorin’izy ireo tao an-tsainy Andriamanitra. Maro ny Eoropeana tsy mino akory fa misy Andriamanitra.

    Taona maro lasa izay dia Eoropa no naniraka misionera nankany amin’izao tontolo izao. Fa ankehitriny, dia latsaka ao anaty lavaka demoniaka amin’ny fahajambana sy tsy fananana an’Andriamanitra i Eoropa. Ny Tompo dia naneho ahy fa iray amin’ireo andraikitray eo amin’ny fiangonana ny handefa vavaka any amin’ny atmosfera mikasika ny fiangonana ao Eoropa. Ny fisianay ao Soisa, Pays-bas sy Angletera dia vokatr’ireo vavaka natao ho an’ireo firenena ireo.

    Ny fiangonanay ao Génève dia manana alim-bavaka isaky ny zoma, mivavaka manomboka amin’ny sasak’alina ka hatramin’ny 6 ora maraina. Miditra anaty ady am-bavak izy ireo, eo amin’ny tany izay toa hadino Andriamanitra. Koa raha maro ny fiangonana toa anay mankany amin’ny firenena maro dia hisy vavaka maro kokoa hisandratra. Iray amin’ireo ilàna fiangonana lehibe sy misy sampany izany.

    Rehefa nihatombo ny fiangonana nitandremako dia ny Lighthouse katedraly izany, dia afaka nanao alim-bavaka izahay. Nanana gropy maro be izahay teo anivon’ny fiangonana ka afaka nampifandimbiasina izy ireo mba hanana alim-bavaka iray manokana ny vondrona samihafa. Ka vondrona tsy miverimberina no mivavaka isan’nadro.

    Araka ny mahangeza ny fiangonana no afahana mamorona vondrom-bavaka hatrany. Afaka mivavaka bebe kokoa rehefa mihagoavana ny fiangonana. Izany no itiavan’ny devoly ny fiangonana hijanona ho kely.

    12. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria miteraka fiangonan’ny olona maro amin’ny toerana iray izany olona maro mitondra fiandrandrana.

    Fa raha mbola niandry ny olona ka samy nisaina an’i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,

    Lioka 3:15

    Ny traikefa no naneho ahy fa arakaraka ny mahamaro ny olona no itomboan’ny fiandrandrana. Rehefa tafavory maro amin’ny toerana iray ireo zanak’Andriamanitra dia misy fientanentanana, fiandrandrana sy finoana miharihary eo. Fa nahoana?

    Ny fahitana vahoaka maro dia manetsika finoana sy miteraka fientanentanana. Ny fitambaran’ny finoan’ny be sy ny maro dia lehibe kokoa noho ny finoan’ny olon-tokana. Manampy izany hisintonana ilay fahasoavana avy amin’ilay ministera.

    Efa nitory tamin’ny olom-bitsy sy vahoaka maro aho. Tsy mitovy ny atmosfera ara-panahy amin’ireo roa ireo matetika.

    13. Tsy maintsy manana fiangonana goavana ianao satria ao amin’izany no hahitanao fahagagana bebe kokoa noho ny amin’ireo vahoaka maro sy ny fiandrandran’izy ireo ihany koa.

    "Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao. Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ny feo mahery, dia nivoaka

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1