Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Iray Aminareo Dia Devoly
Ny Iray Aminareo Dia Devoly
Ny Iray Aminareo Dia Devoly
Ebook161 pages1 hour

Ny Iray Aminareo Dia Devoly

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Ity filazana lalina ity hoe "Ny iray aminareo dia ratsy" dia nataon' I Jesosy Kristy tamin'ny antoko keliny nisy ireo mpianany roa amby folo. Maro amintsika no hampijalian' ny devoly satria isika tsy mahalala ny fomba fampiharihariana azy na ny famantarana ny asa-tanany. Ao amin' ity boky feno fitahiana ity, no hahitanao ny otan' ny devoly ary hanapahanao hevitra tsy handeha mandrakizay ao amin' ireny. Tsy hihatra aminao mandrakizay anie ny fehezanteny hoe" ny iray aminareo dia ratsy"!

LanguageMalagasy
Release dateJun 16, 2018
ISBN9781641356053
Ny Iray Aminareo Dia Devoly
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Iray Aminareo Dia Devoly

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Iray Aminareo Dia Devoly - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ahoana no Mahatonga ny Otan’ny Devoly ho Otan’ny Olombelona

    Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny ANANKIRAY AMINAREO AZA DIA DEVOLY?

    Jaona 6:70

    Hoy Jesosy tamin’ny mpianany:Ny Iray aminareo dia devoly. Fantatr’i Jesosy hatramin’ny fotoana halavoany. Fantany ny toe-tsaina ratsiny, ny saim-petsiny, ny natiorany, ny otany sy ny halavoany. Ho an’i Jesosy, ny niteny momba ny mpianany hoe:Ny iray aminareo dia devoly, dia tena fanambarana mavesa-danja indrindra.

    Nidika izany fa ny iray tamin’ny mpianany dia nandeha tao anaty ota sy nandia ny dian-tongotry ny devoly mihintsy. Ny iray tamin’ny mpianany dia nitondra tena toy ny devoly. Mora tamin’i Jesosy ny namantatra ny devoly satria fantany ilay voninahitra taloha, ireo ota sy ny nahalavoan’i Losifera!

    Ankehitriny, maro ny olombelona mandeha anaty ota sy manara-dia an’i Losifera. Isan’andro izy dia manao ny ota rehetra izay nataon’i Satana. Maro ny pastera mandeha amin’ny nandehanan’i Losifera ka miafara any amin’ny aizina sy fikorontanana tahaka izay misy an’i Satana ankehitriny. Mitondra tena tahaka ny devoly ve ianao? Devoly ve ianao? Mahalala olona ve ianao izay mitondra tena toy ny devoly sy manao ireo ota rehetra izay nataon’i Losifera?

    Ankehitriny, Satana dia mifatotra amina rojo vy ao anaty aizina raha ohatra ka tokony ho afaka sy sambatra ao amin’ny tontolon’ny fahazavana sy ho mandrakizay. Ny fiainany, ny fanompoany sy ny hoaviny dia potika noho ny hadisoana sy ny ota nataony fony mbola anjely tany an-danitra. Nitarika anjely tamin’arivony izy ary nahatonga hadisoan-kevitra, fientanentanana diso sy haratsiam-panahy izay mbola hitantsika eto amin’izao tontolo izao.

    Maro ny mpitandrina miaina anaty hadisoan-kevitra ka voatery ao anaty tsy fahombiazana, fahantrana sy aizin-kitroka. Tsy fantany akory izay mahazo azy ireo. Tsy azony hoe nahoana ny asa fanompoany no voageja sy voatery be toy izany ary mahantra.

    Ho hitanao ny otan’i Satana tsirairay avy ary tsy handeha amin’ireny intsony ianao aorian’ny famakianao ity boky ity!

    Ao anatin’ity boky ity dia te-hizara aminao aho fa afaka misoroka mba tsy ho tonga devoly ianao sy afaka miala tsy handeha amin’ny otan’i Satana. Ny mpanompon’ny Filazantsara tsirairay avy dia mila maniry amin’ny fony manontolo ny tsy handeha amin’ny nandehanan’i Losifera izay iray tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra avo indrindra taloha. Raha Losifera izay nonina tao amin’ny mazava no nety lavo ka nahatonga hadisoan-kevitra be toy izany, hanao ahoana lavitra isika izay miaina eto amin’ity izao tontolo izao hanjakan’ny aizina sy jamba!

    Toko 2

    Misy Olombelona Devoly ve ?

    Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny ANANKIRAY AMINAREO AZA DIA DEVOLY?

    Jaona 6:70

    Mila ianao manaiky ianao fa io olona amin’ny fiainanao io dia mazava ho azy fa mety devoly velona miasa amin’ny fotoana iray. Ny olona toy izany dia tsy tokony hankatoavina, hekena ary tsy mila henoina.

    Tsy tokony hihetsika amin’izay hitan’ny masonao ianao. Mila mihetsika ianao amin’izay fanambaran’Andriamanitra momba ilay olona ifandraisanao.

    Ny olona sasany dia mila raisina toy ny devoly satria izany mihintsy izy (mety fotoana fohy angamba) aminao. Ny sasany indray dia fananan’ny devoly tanteraka sy lasa fonenany! Ny tsy fitondrana ny olona sasany toy ny devoly, dia miafara amina olana mahatsiravina sy saro-bahana. Nahoana aho no miteny zavatra toy izany? Ny Soratra Masina dia mampianatra antsika fa tsy mifampitolona amin’ny nofo aman-drà isika fa amin’ny fanapahana sy fahefana. Mazava avy amin’io Soratra Masina io fa ny fahavalontsika dia tsy nofo aman-drà fa fanahy! Ary tena marina, ny ifampitolomantsika, ny ifaninanantsika sy ny iadivantsika dia tsy nofo aman-drà fa fanahy ratsy.

    Na izany aza, ireny fanahy ratsy ireny dia tena mahay monina, mandemy sy maka ny olona hany ka sarotra ny manavaka ny olombelona sy ny devoly. Rehefa izay no miseho dia lasa toy ny devoly mihitsy ilay olombelona ary mila entina toy ny devoly.

    Te-hanamafy aho fa raha tena itoeran’ny devoly tanteraka ny olona iray, nohalemeny sy nampiasainy dia tsy mahazo mamela izany olona izany hanodidina anao ianao. Nahita pastera aho izay rava satria nahalala fomba loatra, nalefaka loatra sy voasakana loatra tamin’ny fandroahany ny devoly. Nahita pastera aho izay rava satria nahalala fomba loatra, nalefaka loatra sy voasakana loatra tamin’ny fitondrany ny olona izay nanao zavatra toy ny devoly tenany mihintsy.

    Misy olona izay mila everina toy ny devoly tenany mihintsy. Mila miresaka amin’ireny olona ireny toy ny miresaka amin’ny devoly tenany mihintsy ianao! Ny tsy fanaovana izany dia mamela ny devoly hiaina malalaka sy hanao izay tiany hatao manodidina anao sy manohitra anao.

    Diabolos

    Ny teny hoe: ‘diabolos’ matetika dia adika amin’ny teny hoe’devoly’ ary miresaka ny devoly tenany mihintsy. Ny teny hoe: diabolos dia nampiasaina im-balo amby telopolo ao amin’ny Testamenta Vaovao manontolo. In-dimy amby telopolo no nadika hoe devoly io teny io. Ohatra, Ary Jesosy dia nentin’ny devoly nankany an’efitra mba halain’ny devoly fanahy.

    Na izany aza, tamin’ny fotoana telo lehibe, ny teny hoe diabolos dia nampiasaina ilazana olombelona. Tsy mahagaga ve izany? Ny teny hoe diabolos dia nampisaina ilazana an’i Jodasy Iskariota, vadina pastera sasany sy vehivavy antitra sasany. (Mba amarino ange io dia ho hitanao e). Raha ao amin’ny Baiboly izay lazaiko, dia mila inoanao.

    Manaraha ny Ohatr’i Jesosy Kristy dia Ataovy toy ny Devoly ny Olona Sasany

    1. Nataon’i Jesosy toy ny devoly tenany mihintsy i Petera.

    Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!

    Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: MANKANESA ATO IVOHOKO, RY SATANA; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.

    Matio 16:22-23

    Toa an’i Jesosy, dia mila ekenao ny fahamarinana fa misy olona fanan’ny devoly mandritry ny fotoana iray sy ampiasainy ka toa manjary devoly hita vatana mihintsy izy amin’ny fiainanao. I Petera ilay notendren’i Jesosy ho lehiben’ny fiangonana, nandritry ny fotoana iray, dia nanao zavatra toy ny devoly ary dia maranitra be ny tenin’i Jesosy sady entitra. Tsy namela azy hanohy hiteny intsony teo anatrehany Jesosy. Tsy namela azy hanohy hanao zavatra tamin’ny fiainany intsony Jesosy.

    Tsy niteny Jesosy hoe ny devoly no nanome saina an’i Petera! Niresaka taminy tahaka ny amin’i Satana tenany mihintsy Jesosy!

    Nifankazatra tamin’i Jesosy i Petera. Tsy zakany angamba ny fanendrena azy ho lohan’ny fiangonana ka nihaotra ny fefiny izy. Nanandrana nitarika an’i Jesosy amin’ny fanompoany izy. Ny Zanak’Andriamanitra indray no nobedesiny. Noteneniny Jesosy mba hanadino ny resaka fahadalan’ny hazo fijaliana! Tsarovy fa ny toriteny momba ny hazo fijaliana dia fahadalana ho an’ny olona maro! Tena fahadalana tokoa ilay izy tamin’i Petera tamin’iny andro iny. Nolazainy an’i Jesosy fa tsy ilaina ny hanohy ho amin’ny hazo fijaliana izany. Hitan’i Jesosy ny tsy fahamatorana sy fifankazarana be loatra tao amin’i Petera. Fa tsy niteny izy hoe tsy matotra na misy fifankazarana be loatra tao amin’i Petera. Fantany Satana nampiasa ny feon’i Petera. Nobedesiny avy hatrany Petera ary najanony mivantana fotsiny izao Satana.

    Raha fantatry ny olona ny feon’i Satana tamin’i Adolf Hitler nikabary tamin’ny 1933, dia ho nosakanany izy tsy hanohy ny lalany. Eny, fa na dia mpitandrina aza dia niarahaba ity mpamono olona ity ka nanao azy ho mahery fo. Adolf Hitler no nahatonga ny fahafatesan’ny olona dimampolo tapitrisa. Fanahy iniana no namonoany ireny olona maro ireny. Ny toro-mariny farany dia ny handripahana ny mponina alemana, hoy izy tsy mendrika ny ho velona ireo satria resy an’ady. Ny namelana ity rangahy ity hiteny, ho velona, hivelatra sy ho tonga mpitarika dia fahadisoana goavana indrindra nataon’i Alemaina. Mila fantarina Satana ary sakanana amin’ny lalany!

    Aza mamela an’i Satana hanao zavatra amin’ny fiainanao na dia iray minitra fotsiny aza. Mbà kinga saina ary haingana tahaka an’i Jesosy Kristy. Raha misy menarana gabona ve ao an-tranonao dia avelanao ao herinandro vitsivitsy iny?

    Tandremo ireny olona izay mamela menarana gabona hipetraka ao an-tranony ireny ! Manao fahadisoana be mahatsiravina izy ireny!

    Mitandrema amin’ny olona izay lasa mifankazatra be aminao!

    Mitandrema amin’ny olona izay mihoa-pefy! Ny olona toy ireny dia tsy mahita fa tsy anjarany ny mitarika, mifehy na manitsy ny mpanompon’Andriamanitra!

    Ny fiheveranao ny maha olombelona ny olon’Andriamanitra dia mety manakorontana anao sy maka fanahy anao tsy hanara-dalàna.

    2. Nataon’i Jesosy ohatry ny devoly mihintsy ny fitondra an’i Jodasy.

    Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny ANANKIRAY AMINAREO AZA DIA DEVOLY?

    Jaona 6:70

    Ny mpianatra sy ireo mpiaraka taminy dia mety ho nivadika diabolos (devoly) ary mitondra tena toy ny devoly

    Nantsoin’i Jesosy hoe diabolos ilay mpitam-bola izay azony antoka. Diabolos no entina ilazana an’i Jodasy Iskariota. Ny famelana olona mpamadika iray hiasa manodidina anao dia mitovy amin’ny famelana kobra (bibilavabe mahafaty) handehandeha malalaka ao an-tranonao.

    Aza mamela karazana olona mpamadika hijanona akaikinao. Aza avela hisy kobra amin’ny mpitandrina mpiara-miasa aminao. Fantaro haingana izy dia ataovy izay ilaina hatao aminy.

    Devoly no nilazan’i Jesosy an’i Jodasy.Tsy nolazainy hoe ny devoly no nanome saina an’i Jodasy. Nolazainy fa Jodasy dia devoly. Hoy Izy Fa tsy Izaho ve no nifidy anareo, nefa ny iray aminareo dia devoly. Raha avelanao hiriaria malalaka amin’ny fiainanao sy ny asanao ny devoly dia azo antoka fa hahita fasahiranana ianao. Ny famelana ny mpikambana tsy mahatoky iray hiasa malalaka ao amin’ny fiangonana dia mitovy amin’ny famelana ny devoly hanao izay tiany hatao ao am-piangonana.

    Azonao inoana ve hoe misy bibilavabe mahafaty ao amin’ny efitrano fialan-tsasatrareo? Avelanao hitohy hiaina ao ve io? Tsy hataonao tahaka ny zava-mahafaty io? Raha mahita mamba mainty (karazana bibilavabe mahafaty hita any Afrika) ao an-tranonareo ianao, dia avelanao fotsiny amin’izao ve io? Tsy hataonao tahaka ny zava-doza amin’ny fiainanao io? Tsy hataonao tahaka ny zavatra mitondra fahafatesana io? Tsy hataonao izay hahafaty an’io ? Tsy hanao izay rehetra azonao hatao

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1