Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Fahaiza-Mitarika (Natonta faha-3)
Ny Fahaiza-Mitarika (Natonta faha-3)
Ny Fahaiza-Mitarika (Natonta faha-3)
Ebook527 pages5 hours

Ny Fahaiza-Mitarika (Natonta faha-3)

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Ny antso ho amin’ ny asa fanompoana dia antso ho amin’ n fitantanana. Dr. Heward-Mills dia maneho indray ireo fitsipika arahina nahatonga azy ho mpitarika Kristianina miavaka, sady toromarika natao ho an’ ny rehetra sy azo apiharina. Ireo fahamarinana voalaza eto dia hanainga fanahy ny maro ho amin’ ny fahaiza-mitantana.

LanguageMalagasy
Release dateJun 16, 2018
ISBN9781613953686
Ny Fahaiza-Mitarika (Natonta faha-3)
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Fahaiza-Mitarika (Natonta faha-3)

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Fahaiza-Mitarika (Natonta faha-3) - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ny Zava-drehetra dia Miankina amin’ny Fitarihana

    Fa, indro, Jehovah, Tompon’ny maro, Manaisotra amin’i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’aina, Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona, Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody. Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy. Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ny manan-daza. Raha misy olona angatahin’ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao, Dia namaly izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho. Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny làlana alehanao.

    Isaia 3:1-7,12

    Iza no Miankina amin’ny Fitarihana?

    1. Miankina amin’ny Fitarihana azy ny Fiangonana.

    Ao amin’ny fiangonana, ny tsy fahampian’ny fitarihana marina dia miteraka fiparitahan’ny ota sy ny mpanao ratsy ary koa mpitarika sandoka. Ny tsy fahampian’ny mpitarika tena izy ao amin’ny fiangonana dia mahatonga ny olona ho hanary ny fanahiny, ho faty sy ho lasa any amin’ny Helo.Ahoana no mahatonga izany? Ny tena mpitarika ao amin’ny fiangonana dia hitarika ny mpiangona hamonjy fanahy sy hanao asana misionera.Na rahoviana na rahoviana ny fiangonana nijanona tsy niahy ny fanahy very na maty dia nisoko moramora sy nahazo vahana ny fivavahan-diso sy ny finoana hafa.

    Ny vatana tsy misy lohany dia tsy vatana. Ny fiangonana tsy misy mpitarika marina dia tena mampalahelo!Ny firenena tsy misy tena mpitarika dia voahozona! Raha ny marina, misondrotra na mianjera ny firenena dia noho ny mpitondra azy.

    Ny ankamaroan’ny toe-draharaha ratsy rehetra ao am-piangonana dia noho ny tsy fampian’ny fomba fitarihana tsara. Ny fisarahan’ny fiangonana sy ny tantara mahamenatra matetika dia vokatry ny tsy fisian’ny fitarihana matanjaka. Ao anatin’iry Soratra Masina ambony iry dia miteny Andriamanitra ny fomba hanozonana ny tany amin’ny fakàny ny mpitarika. Misondrotra na mianjera ny fiangonana dia noho ny fomba fitarihana. Amin’ny alalan’ny fitarihana tsara sy matanjaka, dia hitombo ho fiangonana goavana ny fiangonana. Amin’ny alalan’ny fitarihana malemy dia tsy ho aiza akory ny fiangonana na dia voahosotra be aza ny pastera. Indraindray ianao angamba mahita mpanompon’Andriamanitra voahosotra izay ratsy ny fahaizany mitarika. Matetika mikorontana ny fitarihany noho ny tsy fahaizany mitarika.

    Ny fitarihana dia fahaizana. Taranja fianatra eto amin’izao tontolo io, izay ilain’ny mpanompon’ny filazantsara ho hay.Ny fahaizana manoratra sy mamaky dia tsy zava-panahy; fahaizan’izao tontolo izao io izay mila ianarana. Raha tsy misy io fahaizana io dia tsy ho aiza mihintsy ianao eto amin’izao tontolo izao. Mitovy amin’izany ny fitarihana! Raha tsy misy fahalalana sy fahaizana mitarika dia tsy lasa mankaiza ny asa fanompoanao.

    2. Ny firenena tsirairay avy dia miankina amin’ny fitarihana azy.

    Amin’io Soratra Masina io Andriamanitra dia milaza mialoha ny fitsarana an’i Isiraely sy Joda. Efa nanapa-kevitraAndriamanitra ny hanasazy sy handrava ireo firenena ireo. Ahoana no fomba hanaovany izany? Io andini-tSoratra Masina io dia manazava izany.

    Taona marao lasa izay dia nanontany namana iray aho hoe iza no ho fidiany amin’ny fifidianana hoavy. Nihaotra kely izy, dia notohizako ihany ny fanontaniako. Nanontany aho hoe, Hifidy ny Filoha X ve ianao?

    Teo dia hoy izy, Raha afaka mifidy ny iray amin’ny zanakao izay efa-taona aho,i Davida sy Filoha X aho dia tena mazava fa aleoko mifidy ny zanakao izay efa-taona!

    Notohizany ihany hoe, Aleoko mifidy osilahy ho filohantsika toy izay iny olona iny.

    Mazava fa na ny zanakolahy na ny osilahy dia tsy afaka ny hanampy loatra ny firenenay. Ny fananana filoha ankizy na zaza, na osilahy araka ny nolazain’ity olona ity, dia hita ho azy fa ozona. Inona no ho vokatry ny fananana mpitarika tsy mendrika sy tsy vonona toy izany? Manana valiny ny Baiboly.

    Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ny manan-daza. (Isaia 3:5).

    Tsy efa nahita io sary io ve ianao any ho any – fangejana, tsy fahamarinana, henatra sy fitomboan’ny faharatsiana amin’ny karazany maro? Inona no nahatonga ny fikomiana aty Afrika, sy tanora an’arivony izay miaina anaty ny kolon-tsain’ny zava-mahadomelina any Eoropa sy Amerika? Any amin’ny firenena izay zara raha misy fitarihana na manana fitarihana ratsy, dia hitanao ny fiakaran’ny fanonganam-panjakana, fikomiana sy fitiavana ady.

    3. Ny fiaraha-monina dia miankina amin’ny fitarihana azy.

    Saiky hoesorin’Andriamanitra daholo izay rehetra karazana fitarihana eo amin’ny fiaraha-monina. Saiky tavela tsy misy mpitarika ny fiaraha-monina. Andriamanitra, Ilay Tsitoha mahalala tsara ny fomba fitarihana: Tsy misy mpitarika, tsy misy fandrosoana! Tsy misy mpitarika, tsy misy fivelarana! Tsy misy mpitarika, tsy misy fitahiana! Fantatr’Andriamanitra fa hianjera anaty fitsarana ny fiaraha-monina raha esoriny tsy ho eo aminy ny mpitarika. Satria ny zava-drehetra dia miakatra na mianjera noho ny fitarihana.

    Andriamanitra Tsitoha dia nandefa ny iray amin’ireo sazy ratsy indrindra izay mety hahazo ny olona, firenena na fikambanana. Dia ny tsy misy mpitarika. Raha mijery akaiky ity Soratra Masina ity ianao, dia ho hitanao fa nilaza mialoha Andriamanitra fa hanaisotra ny karazana mpitarika teo amin’ny fiaraha-monina Izy.

    Jehovah … Manaisotra … Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona, Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina.

    Raha mandinika akaiky ity lisitra ity ianao dia amin-tahotra no hahatsapanao fa tavela tsy hisy olona afaka mitarika azy mihintsy ny mponina. Esorina ny pastera. Esorina ny mpanao politika. Esorina ny zokiolona. Esorina ny olon-kendry. Esorina teo amin’ny fiaraha-monina daholo izy. Io no antsoiko hoe fiaraha-monina tsy misy lohany.

    4. Ny fianakaviana tsirairay avy dia miankina amin’ny fitarihana.

    Mihamanan-karena na mihamahantra ny fianakaviana noho ny fitarihan’ny ray. Iray amin’ny fitsarana henjana indrindra ataon’Andriamanitra dia ny fanesorana ny karazana mpitarika rehetra. Araka ny fantatrao dia tsy tian’ny natiora ny fahabangana. Ary eo amin’ny toeran’ny tena mpitarika dia nanomana ny fiakaran’ny mpitarika sandoka Andriamanitra hanolony azy.

    Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.

    Raha tokony ho ny ray no handray ny fitarihana, dia ny ankizy sy ny zaza no tsy maintsy hitarika ny làlana. Ireny ankizy ireny dia manambara fa mpitarika tsy mahay sy tsy misy ilaina azy izy. Mazava fa ny zaza dia tsy mahafehy ny kibony, vao mainka fa mifehy firenena.

    5. Ny kaontinanta dia miankina amin’ny fitarihana azy.

    Ny resaka ifanaovako amin’ny namana matetika dia momba ny kaontinanta Afrikana. Gaga foana aho mahita ny tsy fandrosoana sy ny haben’ny fahantrana aty Afrika. Manontany tena aho hoe, Inona mihintsy ary ity? Tsy mahay manamboatra ny làlantsika ve isika? Nahoana isika no miandry orin’asa vahiny hanao làlana sy lava-piringy ho antsika? Tsy mahazatra ny mandeha any amin’ ny firenena eoropeana ka mahita orin’asa vahiny manao làlana na lava-piringy any. Nahoana koa no be ny fahoriana sy aretina any amin’ny firenena an-dàlam-pandrosoana?

    Be ery ny teôria niezaka nanazava ny toe-draharahan’ny firenena mahantra sy miovaova. Misy milaza fa voahozona ny mainty. Misy indray miteny hoe tsy misy demokrasy any. Misy mihintsy aza mieritreritra fa voahozona ny kaontinanta afrikana manontolo. Izaho mino fa ny antony lehibe voalohany mahatonga ny toe-draharaha mahantra dia ny tsy fahampian’ny mpitarika tsara.

    Na oviana na oviana no misy mpitarika tsara, ho hitanao fa be ny fandrosoana sy ny harena. Ny tsy fisian’ny mpitarika dia hita endrika amin’ny tontolo roa. Ho hitanao ny tsy fisian’ny mpitarika eo amin’izao tontolo izao. Hitanao koa ny tsy fisian’ny mpitarika eo amin’ny ara-panahy na ny tontolon’ny fiangonana. Any amin’izay ahitanao tsy fahampian’ny fitarihana any amin’ny tontolon’ny fiangonana, dia hahita ianao ny tsy fisian’ny fandrosoan’ny asa, fahantrana, tsy fampian’ny fampianarana sy fahalalana, ary misy fiparitahan’ny ota.

    Mila mpitarika ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainana. Mila mpitarika marina eo amin’ny sehatr’ izao tontolo izao.Tena mila mpitarika eo amin’ny sehatra ara-piangonana. Mivavaka aho mba hatsangan’Andriamanitra ianao sy ny maro hafa ho mpitarika marina amin’ny fotoan’andronao! Tena marina fa miankina amin’ ny fitarihana ny zavatra rehetra!

    Toko 2

    Manapaha Hevitra ho Tonga Anisan’ireo Mpitarika Tsara Vitsivitsy Eran-tany

    Raha mino ianao fa nantsoina ho amin’ny asa fanompoana, dia nantsoina ianao izany ho an’ny asa fitarihana. Izany no maha-zava-dehibe ity boky ity; mba ho mpitarika mahay ho an’i Jesosy Kristy ianao. Nanoratra ho an’i Timoty i Paoly ary niteny azy hanao zavatra vitsivitsy mba hahatonga azy ho mpitarika tsara. Misy mpitarika tsara ary misy koa mpitarika ratsy. Manapaha hevitra mba ho mpitarika tsara!

    …mba ho mpanompo tsaran’i Jesosy Kristy ianao…

    1 Timoty 4:6

    Raha- te-hahomby ao amin’ny asa fanompoana ianao, dia mila mianatra asa fitarihana. Isaky ny mankany amin’ny fivarotam-boky aho dia eo amin’ny faritra misy boky momba ny asa fitarihana foana aho no voasarika. Namaky boky marobe momba ny asa fitarihana aho. Efa nianatra io lohateny tena mafonja io aho. Te-ho mpitarika tsara aho. Ny zavatra tsara tsy mianjera fotsiny aminao toy ny manga masaka avy eny ambony hazo. Tsy maintsy mianatra sy mikaroka izay zavatra rehetra mila ianarana misy eo ianao.

    Mazava ho azy fa tsy dia be ny mpitarika tsara. Raha be mantsy izy ireny, dia tsy ho sarotra amiko sy aminao ny manondro azy ireny avy hatrany. Mino aho fa maro ny antony mahavitsy ny mpitarika miavaka, fa handeha hojerena hoe nahoana no tsy te-hitarika ny olona voalohany indrindra.

    Reseo ny Sakana mba Ahatongavana Mpitarika

    1. Reseo ny tsy fahafantarana ny antsonao hitarika.

    Tsy mahalala izy satria tsy nisy niteny azy izany! Tsy fantany akory fa manana ny fahaiza-mitarika izy. Misy ny olona mihevitra fa vitsy ihany ny olona nateraka hitarika. Tsy mino aho fa misy olona natao mpitarika hatrany am-bohoka. Mino aho fa marobe ny olona no manana fahaizana mitarika fa tsy vonona ny handoha ny saran’ny fahatongavana ho mpitarika izy.

    Fa izay farany no ho voalohany, ary izay voalohany no ho farany: maro no antsoina fa vitsy no fidiana

    Matio 20: 16

    Fa maro no antsoina fa vitsy no fidiana

    Matio 22: 14

    Mampianatra antsika ny Baiboly fa maro no antsoina hanompo. Na iza na iza manaiky ny ho an’ny fanompoan’i Jesosy Kristy dia natao ho mpitarika ho azy. Ny mpanompon’ny filazantsara dia mila mampiseho famendrehana sy fahaizanaamin’ny fitarihana amin’ny fotoana rehetra.

    Raha nantsoina ho amin’ny Asany ianao, dia nantsoina ho mpitarika ianao izany. Tsy azonao ialana io!

    2. Reseo ny fiapangana izay mety manakana anao tsy ho tonga mpitarika.

    Ny mpitarika matetika dia voapanga ho manana toe-po miangitraingitra. Voapanga izy hoe manana tanjona ratsy. Gaga aho nahare olona nanameloka ahy fa ao amin’ny asa fanompoana hono aho noho ny vola. Fa Andriamanitra niteny ahy fa tsy azo sorohina fa tsy maintsy ho voapanga aho. Ny mpitarika tsara rehetra dia manana fahavalo avokoa. Ny fomban’ny fitarihana tsara dia mamaritra ny làlany ary mifantoka amin’ny tari-dàlany. Midika izany fa mety mandeha mitsivalana ianao ary handratra olona.

    Fa na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.

    Lioka 14:27

    Taona maro lasa izay dia niteny tamin’ny rahalahy iray aho fa tsy te-hitarika fiombonam-bavaka iray izay. Nolazaiko azy fa tsy dia be resaka aho ary tiako ny fiainako manirery. Niteny azy aho fa tsy te-hitory na hitarika aho. Fa nanana hevitra hafa Andriamanitra, dia izao aho mpitarika ao an-tranon’Andriamanitra. Ny maha mpitarika dia mety mitovy vidy amin’izay fiainana asiana vidiny lafo. Kely dia kely ny fiainako ho ahy manokana. Marobe ny olona no mahalala ny momba ahy. Resahiny aho any an-tranony sy any anaty fiarany. Toy ny mpitarika maro, dia derain’ny sasany aho ary haratsian’ny hafa. Izany no anjaran’ny mpitarika. Io no antony ialan’ny olona sasany tsy hanao mpitarika. Fa Jesosy niteny fa mila raisinao ny hazofijalianao dia manaraka Azy. Ny Kristianisma dia midika fahafoizan-tena. Tsy hanenenanao ny mitarika ao amin’ny fiangonana.

    3. Reseo ny tahotry ny fahafam-baraka.

    Maro ny mpitarika no niafara tamin’ny fahafam-baraka rehefa avy nanala ny kapotin’ny fitarihana. Ny sasany niaina tanaty ratra sy fangidiana nahatsiravina. Ny hafa indray nohomboin’ny olona notarihiny.

    Izaho manokana dia efa nijery ny fomba namaliana ratsy ny mpitarika sasany taorian’ny taona maro nanompoany. Efa nahita aho fiangonana maro (tena maro hoy aho) nandroaka ny pasterany taorian’ny taona maro nitarihany azy. Efa nahita aho pastera natao fihomehezana sy nambanian’ny mpivavaka izay nanompoiny tamin’ny vidiny lafo nandritra ny taona maro. Efa nahita aho pastera izay nahilika noho ny resaka fiara sy trano. Tena mampalahelo! Fantatsika rehetra fa nohomboina Jesosy rehefa nanompo nandritra ny telo taona sy tapany . Izay no valim-pitiany noho Izy fahazavana namiratra ho an’ny olony.

    Ato amin’ny fireneko dia efa nahita aho Filoham-pirenena betsaka izay maty tsy amin’ny antony ara-boajanahary taorian’ny nanapahany teo amin’ny firenena nandritra ny taona maro. Efa nahita koa izahay mpitsara novoina tsy tra-drano taorian’ny namoahany didy izay inoany fa mety. Iza no te-ho mpitarika amin’ny fiaraha-monina toy izany? Rehefa mandinika ny anjaran’ny mpitarika ianao, dia ara-dalàna raha mandositra ny asa fitarihana ny olona ary misafidy fiainam-pilaminana tsy misy mahafantatra. Azoko izao hoe nahoana ny olona no miala izao tontolo izao izay feno mpanao politika mandainga sy mpitarika lo.

    Amin’ity boky ity dia mandrisika anao aho hiakanjo ny kapotin’ny fitarihana Kristiana. Mandrisika anao aho handray ny antsonao hitarika ao am-piangonana. Tsy hanenenanao io! Ny fanamby dia mitovy be amin’ny fanamby eo amin’izao tontolo izao. Ny fanenjehana dia mitovy! Fa tsy hanenenanao!

    Ny mpitarika eto amin’izao tontolo izao dia miasa mba hovaliana valisoa toy ny vola sy laza. Fa valisoa mety lo ireny. Rehefa miasa ho an’i Jesosy ianao dia handray valisoa maharitra mandrakizay.

    …Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety lo.

    1 Korintiana 9:25

    Efa imbetsaka aho no nahatstapa fanaintainana amin’ny maha mpitarika. Fa rehefa misaina ny valisoa miandry ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra am-pahatokianaaho, dia mihamahery. Fantatro fa indray andro any dia ho faly amin’ny zavatra rehetra aho.

    Mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.

    Hebreo 12:2,3

    4. Reseo ny toe-tsaina mahatsapa ambany

    Misy ny olona mihevitra fa ara-pisainana dia tsy mahatratra ny fenitry ny mpitarika. Ny sasany manao hoe tsy manana ny toetran’ny mpitarika izy. Misy koa ny sasany mihevitra fa be loatra ny olany manokana ka tsy afaka ny ho mpitarika izy. Tsy azony ekena ny hovesaran’ny olan’ny olona hafa indray.

    Manana vaovao tsara omena anao aho androany!Tsy miara-miasa amin’ny olona tanteraka Andriamanitra..Miara-miasa amin’ny olona manana finiavana Izy. Ny fo no jereny ary fantany ny fahalemen’olombelona. Raha nitady fahatanterahana Jesosy dia azoko antoka fa tsy nisy tamin’ny mpianany no mendrika ny hanana toerana mpitarika tao amin’nyfiangonana. Raiso ohatra i Petera; in-telo izy no namadika an’i Jesosy herinandro vitsy fotsiny talohan’ny nanosorana azy. Niozonozona sy nanozona toy ny tsy nahazo fihofanana ireny izy. Nefa dia nampiasa azy ny Tompo. Raiso ny mpianatra hafa izay nifanditra ny amin’izay ho toerany any an-danitra. Izao no ho lehibe indrindra any an-danitra? hoy ry zareo.

    Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe.

    Lioka 22:24

    Taorian’ny nifandirany ny amin’izay ho lehibe indrindra, dia nandao an’i Jesosy ny mpianany tamin’ny fotoana nilany azy indrindra. Hatoky olona toy izany ve ianao? Hampiasa olona toy izany ve ianao? Tamin’i Jesosy anefa dia eny! Tsy mila tanteraka ianao vao lasa mpitarika. Fa raha izany mantsy no izy dia tsy hisy mpitarika mihintsy eto an-tany na any am-piangonana.Izany anefa tsy midika hoe tsy misy fenitra tratrarina. Manantena ilay fenitra ambony indrindra ny amin’ny toetra sy fitondran-tena Andriamanitra.Nefa dia miara-miasa amin’ny olona tsy tanteraka izy.

    Mijery ny fo Andriamanitra. Ataovy azo antoka fa marina ny fonao dia ho afaka hampiasa anao Andriamanitra.

    …fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.

    1 Samoela 16:7

    5. Reseo ny fitiavan-tena

    Ny olona toy izany dia miahy izay azy ihany. Faly izy fa nahazo famonjena.Faly izy fa manana ny Fanahy Masina. Faly izy fa manana fanambinana. Fa tsy miraharaha ny hafa izy. Rehefa mety ny amiko, hoy izy, dia Mety ny sisa rehetra. Izany ny fanahin’ny fitiavan-tena.

    Ny olona tia tena dia tsy te-hisahirana handalo fiofanana na fahafoizan-tena ho tonga mpitarika. Tsy mazoto handany hery hamonjy fanahy hafa iray izy. Raha ohatra Jesosy ka nanapa-kevitra ny hijanona tao amin’ny nahafinaritra azy tany an-danitra, ho taiza no nisy anao androany? Niala tao am-pasana izy dia tsy ho tafala teo am-pandriana akory ianao. Roahiko ny fanahin’ny hakamoana sy ny fitiavan-tena! Misaora an’Andriamanitra ny amin’ny misionera maro! Misaora an’Andriamanitra ny amin’ny olona izay mandao ny fonenany ho any amin’ny kolon-tsaina hafa mba hamonjy olona.

    Toko 3

    Anarana Malagasy Efa-polo iantsoana ny Mpitarika

    Handrava ny lehilahy mahery sy ny mpiady Izy, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona, Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fibœribœriky ny mpanao ody. Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.

    Isaia 3:2-4

    Ny fiteny Malagasy dia manana teny maro mitovy dika amin’ny teny hoe « mpitarika ». Ireny anarana maro isan-karazany ireny dia maneho ireo karazana mpitarika misy eto an-tany. Ny sehatr’asa rehetra dia samy manana mpitarika; ary manome anarana manokana ho an’ny mpitarika eo amin’ ny sehatr’asa tsirairay avy. Ny mpitarika ao amin’ny sambo izao dia antsoina hoe kapiteny, ny mpitarika ao amin’ny fiaramanidina dia antsoina hoe mpamily fiaramanidina, ny mpitarika miaramila kosa dia antsoina hoe jeneraly. Ao amin’ny tontolon’ny politika, ny mpitarika firenena dia antsoina hoe filoha na praiminisitra ary ny mpitarika oniversite kosa dia antsoina hoe mpitan-tsoratra ambony. Ao amin’ny tontolo ara-pinoana, ny mpitarika fiangonana dia antsoina hoe Mpitandrina ary ny mpitarika moske kosa dia antsoina hoe Imam. Ny mpitarika tanàna Arabo dia antsoina hoe Sheikhs ary ny mpitarika tanàna any Ghana antsoina hoe sefo.

    Indreto misy anarana sy fiantsoana vitsivitsy fanampiny iantsoana ny mpitarika. Zava-dehibe ireo anarana sy fiantsoana ireo satria tsy maintsy fantatrao ny fitarihana na dia amin’ny sehatr’asa hafa ankoatra izay tontolo misy anao aza. Matetika mifankahafantatra foana ny mpitarika na dia tsy mitovy aza ny sehatr’asa misy azy ireo. Ohatra, fantatry ny olona iray izay sady tsy mino an’I Kristy no tsy mivavaka ao am-piangonana ny fahaizako mitarika. Afaka nanamarika io lehilahy io fa mpitarika tokony ho henoina aho. Tsy nahita ny foto-pampianarako ara-panahy na ara-pinoana izy fa nahita ny fahaizako mitarika ary nangataka tamiko ny mba hizaràko izany fahaizana izany amin’ny olona tsy mino an’Andriamanitra hafa. Raha mpitarika ara-pinoana ianao dia hahafantatra ny mpitarika namanao na mpandraharaha izy na mpanao politika na tsy mino an’Andriamanitra na mpitarika ara-pinoana hafa.

    Amin’ny lafiny iray, raha tsy mpitarika ianao dia tsy hahafantatra hoe mpitarika ny olona iray amin’ny fotoana hahita azy. Ohatra, maro amin’ny mpanao politika amin’ny governemanta no tsy tia sady tsy mahafantatra mpitarika amin’ny sehatra hafa satria izy ireo mihitsy no tsy mpitarika. Samy hafa ny hoe mpanao politika izay miteny zavatra izay hahafinaritra ny olona rehetra sy hahitana fitia aminy, sy ny hoe mitarika olona ho amin’ny fahombiazana sy fandrosoana.

    Eo amin’ny Soratra Masina etsy ambony dia hahita ireo karazana mpitarika teo amin’ny tanànan’i Jerosalema ianao. Ny famaizan’Andriamanitra dia ny fanalàna ireo karazana mpitarika rehetra teo amin’ny fiaraha-monina ireo.

    1. Ny mpitarika dia antsoina hoe kapiteny

    2. Ny mpitarika dia antsoina hoe sefo

    3. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpifehy

    4. Ny mpitarika dia antsoina hoe filoha

    5. Ny mpitarika dia antsoina hoe praiminisitra

    6. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpiandry ondry

    7. Ny mpitarika dia antsoina hoe jeneraly

    8. Ny mpitarika dia antsoina hoe governora

    9. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitari-dàlana

    10. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitandrina

    11. Ny mpitarika dia antsoina hoe tompon-draharaha

    12. Ny mpitarika dia antsoina hoe ny lohany

    13. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitondra

    14. Ny mpitarika dia antsoina hoe filohan-tsekoly

    15. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpanapaka

    16. Ny mpitarika dia antsoina hoe olo-manan-kaja

    17. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpanolo-tsaina

    18. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpamily fiara-manidina

    19. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitantana ambony

    20. Ny mpitarika dia antsoina hoe ny lehibe

    21. Ny mpitarika dia antsoina hoe loholona

    22. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpamily fiaran-dalamby

    23. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpanara-maso

    24. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpanatanteraka

    25. Ny mpitarika dia antsoina hoe tale

    26. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpampianatra

    27. Ny mpitarika dia antsoina hoe tompo

    28. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitondra tsy refesi- mandidy

    29. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpanjaka

    30. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpialoha làlana

    31. Ny mpitarika dia antsoina hoe zoky

    32. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitan-tsoratra ambony

    33. Ny mpitarika dia antsoina hoe sheikhs

    34. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitsara

    35. Ny mpitarika dia antsoina hoe za-draharaha

    36. Ny mpitarika dia antsoina hoe manam-pahaizana manokana

    37. Ny mpitarika dia antsoina hoe lehilahy mahery

    38. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpitan-tsoratra

    39. Ny mpitarika dia antsoina hoe mpialoha ireo mpihazakazaka

    40. Ny mpitarika dia antsoina hoe andriana

    Toko 4

    Ahoana no resahan’ny Baiboly mikasika ny Asa Fitarihana

    Ny Asa Fitarihana dia tena loha-hevitra lehibe ao anatin’ny Baiboly. Ny ankamaroan’ny Baiboly dia tsy dia mampiasa ny teny hoe mpitarika rehefa miresaka ilay loha-hevitra. Noho izay antony izay, ny loha-hevitra hoe asa fitarihana dia very any amin’ireo mpanentana am-bava sy ho an’ny tombotsoa ivelany sasany. Na izany aza, ny fahatakarana ireo teny sy fomba fiteny samihafa izay nampiasaina teo amin’ny toeran’ny teny hoe mpitarika dia manampy anao ahafantatra io loha-hevitra io ao anatin’ny baiboly. Ireto andinin-tSoratra Masina ireto dia maneho ireo famaritana samihafa ao anaty baiboly mikasika ny mpitarika ireo.

    1. Ny Asa Fitarihana dia antsoin’ny Apostoly Paoly hoe governemanta. Ho fanampin’izay, ny Asa fitarihana dia noraisina ho fahasoavana avy amin’Andriamanitra.

    Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany ho Apostoly teo amin’ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, aorian’izay dia fahagagana avy eo fanomezam-pahasoavana entina manasitrana, fanampiana, GOVERNEMANTA, fahaiza-miteny samihafa.

    1 Korintiana 12:28

    2. Ny mpitarika dia nofaritan’I Paoly ho mpanapaka. Ho fanampin’izay, ny Asa Fitarihana dia noraisina ho fanomezana avy amin’Andriamanitra.

    Izay mananatra dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; IZAY MANAPAKA, miaraka amin’ny fahazotoana; izay mampiseho famindram-po, miaraka amin’ny fifaliana.

    Romana 12:8

    3. Ny seho ara-baiboly momba ny Asa Fitarihana dia samy hafa amin’ny hamaritan’izao tontolo izao ny Asa Fitarihana.

    Fa tsy tahaka izany kosa ny aminareo, fa izay lehibe aminareo no ho lasa tahaka ny zandriny indrindra, ary NY MPITARIKA TAHAKA NY MPANOMPO.

    Lioka 22:26

    4. Ao anatin’ny Baiboly, dia heverina ho mendrika hitarika fiangonana ny olona iray raha mahavita mitarika vehivavy izy. Ho fanampin’izay, ny Asa Fitarihana dia raisina ho fiarovana ny olona sasantsasany (fa tsy ny olona rehetra).

    Fa raha tsy mahafantatra ny fomba hanapahana ny tokatranony ny lehilany iray, amin’ny fomba ahoana no hikarakarany ny fiangonan’Andriamanitra?

    1 Timoty 3:5

    5. Ireo mpitarika ny Israely tamin’ny fotoan’andro dia nantsoina hoe mpitsara. Nisy fotoana koa izy ireo nantsoina hoe mpanjaka. Ny fomba Fitarihan’izy ireo sy ny zava-bitany dia nofaritan’ny bokin’ny Mpitsara sy Mpanjaka.

    Kanefa JEHOVAH NANANGANA MPITSARA, izay namonjy azy tamin’ny tànan’ireo nambabo azy. Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin’ny làlana izay nandehanan’ny razany nanaraka ny didin’I Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ny tànan’ny fahavalony tamin’ny andro rehetra niainan’izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon’ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tamin’ny fanaony na tamin’ny làlana fanaovany ditra izy.

    Mpitsara 2:16-19

    Tahaka ny nomban’i Jehovah ahy ry mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’i Solomona koa, ary hanao ny seza fiandrianany ho lehibe mihoatra noho ny seza fiandrianan’ny TOMPOKO MPANJAKA DAVIDA.

    1 Mpanjaka 1:37

    Toko 5

    Ireo Karazana Asa Fitarihana Tokony Sorohinao

    Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao ,sady mandrava ny làlana alehanao.

    Isaia 3:12

    Andriamanitra dia nilaza fa ny vehivavy sy ny zaza no hitarika ny olony. Ny hevitr’io tenin’ny Soratra Masina io dia mitarika antsika hino fa ozona na fanasaziana ho an’ny vondron’olona sasany ny tarihin’ny vehivavy na ny zaza. Amin’ny fijery azy, dia tahaka ny masiaka izany, saingy ny fieritretana kely sy ny fisaintsainana ny hevitr’io Soratra Masina io dia hanampy anao hampivelatra ny fahaiza-manao anananao ho enti-mitarika. Araka izany, ireo dia ozona roa izay tsy maintsy takatrao sy sorohanao na ahoana na ahoana.

    Mety efa henonao ilay fitenenana hoe: Sain-jaza ianao! mety efa henonao ilay fitenenana hoe: Mitondra tena tahaka ny zaza ianao! mety niteny ianao taloha hoe: Tsy zazakely aho akory.

    Natao izany fitenenana izany satria misy ny olon-dehibe mitondra tena tahaka ny zaza. Indrisy fa ireo mpitarika manana toerana ambony matetika dia mitondra tena tahaka ny zaza ary misy fiantraikany amin’ny olona manodidina azy ireo izany.

    Maro koa ireo mpitarika mitondra tena tahaka ny vehivavy amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fomba fitarihana. Ny vehivavy iray tsy entanin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina dia mety ho olon-dozabe ho an’izay eo ambany fiahiny. Amin’ny ankapobeny, ireo vehivavy dia mila atao malefaka sy malemy fanahy mba ho tonga mpitarika tsara sy sahaza ary maha-te ho tia.

    1. Tsy maintsy sorohanao ny fomba fitarihana tahaka ny fitarihan-jaza.

    2. Tsy maintsy sorohanao ny fomba fitarihana tahaka ny fitariham-behivavy .

    Toko 6

    Ny Asa Fitarihan’ny Zaza

    Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.

    Isaia 3:12

    1. NY ASA FITARIHAN’NY ZAZA DIA MISEHO AMIN’NY TSY FAHAIZA-MANDAMINA.

    Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.

    Isaia 3:4

    Raha tsy afaka mandamina ny tranonao ianao, na ny efitranonao dia zaza ianao izany. Raha tsy afaka manadio ny toerana iainanao ianao dia zaza ianao izany. Raha tsy afaka manadio ny tanànanao ianao dia zaza ianao izany na dia miantso anao ho ny ben’ny tanàna na koa hoe ministra aza ny olona rehetra.

    Tsy maintsy mianatra ny asa fitarihana ianao, mahatakatra ny atao hoe asa fitarihana, mampihatra ny fitsipika mifanaraka amin’izany fa raha tsy izany dia hitantana ny olona miaraka amin’ny toe-tsain-jaza ianao. Tsy maintsy miafara amin’ny fisavorovoroana sy fikorontanana ny asa fitarihan’ny zaza araka ny voalazan’ny Baiboly.

    Na aiza na aiza ahitànao fikorontanana, faharesena, tsy filaminana, tsy fahatakarana dia azonao lazaina fa ny fitarihan’ny zaza izay no miasa ao.

    2. NY ASA FITARIHAN’NY ZAZA DIA MISEHO AMIN’NY TSY FAHAMPIAN’NY FAHATAKARANA NY TENA OLANA LEHIBE SY NY LOZA TAMPOKA.

    Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.

    1 Korintiana 13:11

    Tsy maintsy mianatra ny asa fitarihana ianao, mahatakatra ny atao hoe asa fitarihana, mampihatra ny fitsipika mifanaraka amin’izany fa raha tsy izany dia hitantana ny olona miaraka amin’ny toe-tsain-jaza ianao. Ny fisainan’ny zaza dia voafehin’ny tsy fahampiana fahatakarana ny tena olana be sy ny loza eo anatrehany.

    Matetika ny olona tsy manana mpitarika dia maloto ny toeram-pisakafoanany ary maloto koa ny toeram-pivoahany. Ny ankizy kely dia miaina ao anaty loto ary tsy mahatakatra ny dikan’izany. Mitombo ny loto sy ny vovoka rehefa ilaozana irery ny zaza. Izany no antony tsy hamelana zaza irery. Tsy hanadio, tsy hamafa na hanasa na inona na inona izy ireny.

    Izany no mahatonga ny firenena manana zaza no mpitarika manana toeram-pivoahana tena maloto sy tatatra lehibe efa mihoatra ety ivelany miaraka amin’ny fako mitera-doza. Ny toetoetra fototry ny tanàna izay fehezin’ny zaza dia ny fakofako sy ny fitoeram-pako mampidi-doza izay mety ho hita etsy sy eroa. Ny fitarihan-jaza dia tsy mahazo an-tsaina ny fifandraisana misy eo amin’ny fandrika mahafaty sy ny fahasalaman’ny vahoakany. Na dia azon’izy ireo an-tsaina aza ny fifandraisany dia tsy fantany izay atao. Ny ilainy dia Dada sy Neny manome vahaolana azy ireo. Ny firenena tsy manana mpitarika dia nandrava ny fomba fampianaran’ny fireneny ary tsy mahalala akory ny fiatraikan’ ny zavatra ataony.

    3. NY ASA FITARIHAN’NY ZAZA DIA MISEHO AMIN’NY TSY FAHATAKARAN-JAVATRA IZAY MISY FAHASAROTANA KELY.

    Ry rahalahy sy rahavavy, AZA MANAO FANAHIN-JAZA AMIN’NY FAHATAKARANAO ireo zavatra ireo… fa manàna fahamatorana ary manàna fahendrena amin’ny fahatakaranao zavatra sahala amin’izany.

    1 Korintiana 14:20

    Tsy maintsy mianatra asa fitarihana, mahatakatra ny asa fitarihana, sy mampihatra ny fomba fanao sahaza amin’ny asa fitarihana ianao raha tsy izany dia hitarika ny olona amin’ny fisainan-jaza. Rehefa ao anatin’ny asa fitarihana ny olona iray ary manana fisainan-jaza dia tsy hahataka-javatra izay misy fahasarotana kely izy.

    Mazava ho azy rehefa olona tsy nianatra no eo amin’ny familiana ny asa, tsy azony ny vokatry ny fanambarana ataony. Mpitarika Afrikana iray no nanambara tamin’ny fahasahiana fa tsy handoa ny trosan’ny fireneny intsony izy.Mpitarika hafa iray koa dia nanome efatra amby roa-polo ora ny vahiny rehetra hody any aminy ary tsy navelany nitondra entana mihoatra ny efatra amby roa-polo kilao farafahabeny. Ny mpitarika sasany indray dia manonta vola amin’ny arivo tapitrisa sy analinalin’ny dolara ho an’ny olona ao aminy mba hampiasain’izy ireo amin’ny fividianana sakafo. Eo ambanin’ny fitarihany ny anjara mofo iray dia mety hahatratra hatramin’ny arivo tapitrisa dolara ny vidiny. Ny olona toy izany dia tsy mamaky na mahatakatra ny vokatry ny zavatra ataony sy lazainy.

    Ny mpitariky ny firenena mahantra

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1