Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Fahaizana Miandry Ondry
Ny Fahaizana Miandry Ondry
Ny Fahaizana Miandry Ondry
Ebook328 pages3 hours

Ny Fahaizana Miandry Ondry

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Raha mpiandry ny andian’ondrin’andriamanitra ianao dia ho ampiana be tokoa noho io asa tena tsara io. Mirakitra ny fampianarana amin’ ny antsipiriany sady voafantina tsara, antoky ny fahombiazanao ireto pejy ireto. Miainga avy amin’ ny traikefa maha-mmpiandry azy nandritry ny telopolo taona mahery i Eveka Dag Heward-Mills, mba hizarana fahazavan-tsaina azo ampiharina ao amin’ ny asa fanompoana.Tokony maniry ny ho tonga mpiandry ny olon’ Andriamanitra ve ianao, ity ilay boky manoro làlana notadiavinao hatrizay.

LanguageMalagasy
Release dateJun 14, 2018
ISBN9781613958230
Ny Fahaizana Miandry Ondry
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Fahaizana Miandry Ondry

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Fahaizana Miandry Ondry - Dag Heward-Mills

    Ny andinin-tSoratra Masina rehetra dia nalaina avy tao amin’ny Baiboly Malagasy avokoa.

    Ampahany nalaina avy tamin’ny A Shepherd Looks at Psalm 23, by W. Phillip Keller Copyright © 1970, 2007 by W. Phillip Keller.

    Alalana ahafahana mampiasa avy amin’ny Zondervan. WWW.ZONDERVAN.COM

    The Art Of Shepherdiing

    Copyright © 2015 Dag Heward-Mills

    Mpandika: Raveloarisoa Juliana

    E-mail: yurjuliana@gmail.com

    Lot : III R 10 bis Tsimbazaza Tananarive

    Firenena : Madagascar

    Taona nandikana: 2015

    Lohan-Tenin’ Ny Boky : Ny Fahaizana Miandry Ondry

    Navoaka voalohany amin’ ny fiteny Malagasy

    ny taona 2016 nataon’ny Parchment House

    Fantaro bebe kokoa ny amin’i Dag Heward-Mills ao amin’ny :

    Hetsika Jesosy no Mpanasitrana

    Manoratà: evangelist@daghewardmills.org

    Tranokala: www.daghewardmills.org

    Facebook: Dag Heward-Mills

    Twitter: @EvangelistDag

    EBOOK ISBN: 978-1-61395-823-0

    Misy fepetra mifehy ny zo hamorona, handika, hanamboatra.

    Ankoatry ny fanadihadiana fohy sy ny tenin’ny mpanoratra, ny fitrandahana sy ny fanontana na tsy manontolo ity sangan’asa ity dia voarara raha tsy nahazo alalana an-tsoratra avy tamin’ny mpanoratra.

    Fanoroam-pejy

    Toko 1: Inona no Mahatonga ny Ondry Hitoetra na Ho Tafandry

    Toko 2: Nahoana ny Ondry no Mila Rano

    Toko 3: Inona no Dikan’ny hoe Mitanondrika ny Ondry

    Toko 4: Nahoana ny Ondry no Mila Tari-dalana

    Toko 5: Nahoana ny Ondry no Mila Ahi-maitso

    Toko 6: Nahoana Ny Ondry no Mila Mandeha eny amin’ny Lohasaha

    Toko 7: Inona no Dikan’ny hoe Tsy Mety Afa-po Ny Ondry

    Toko 8: Nahoana no mila tsorakazo ny ondry

    Toko 9: Nahoana no mila tehina ny ondry

    Toko 10: Inona No Dikan’ny Hoe Manana Latabatra Eo Anatrehan’ireo Fahavalony Ny Ondry

    Toko 11: Nahoana ny Ondry no Mila Hosorana Diloilo

    Toko 12: Nahoana ny Oondry no Mila ny Fitobahan’ny Kapoakan’ny Mpiandry Azy

    Toko 13: Nahoana ny Ondry no Mila Mitoetra ao an-tranon’ny Mpiandry Azy

    Toko 14: Inona no Miseho amin’ny Ondry Tsisy Mpiandry

    Toko 15: Ny Aretin’ny Mpiandry dia Aretin’ny Ondry

    Toko 16: Nahoana no Marary ny Ondry

    Fizarana 2: NY MPIANDRY ONDRY

    Toko 17: Tanjona Telo Iombonan’ny Mpiandry Ondry Rehetra

    Toko 18: Ahoana ny Fomba Hamantarana Ireo Mpiandry Ondry Izay Tsy Miditra amin’ny Vavahady

    Toko 19: Asa Atao ao Anatin’ny Fiandrasana Ondry: Ny Halemy Fanahy sy Halefaka

    Toko 20: Asa Atao ao Anatin’ny Fiandrasana Ondry: Mitarika sy Mitondra

    Toko 21: Ny Asa Atao ao Anatin’ny Fiandrasan’Ondry: Miambina ny Fanahin’ny Ondry

    Toko 22: Jehovah Ilay Mpiaro ny Ondry Ny

    Toko 23: Ny Asa Atao ao Anatin’ny Fiandrasana Ondry: Mamahana

    Toko 24: Ny Asa Atao Ao Anatin’ny Fiandrasana Ondry: Mamerina amin’ny Laoniny sy Manasitrana

    Toko 25: Ireo Pasitera Vampira

    Toko 26: Ny Fahaiza-manaon’ i Jehovah Amin’ny Fiandrasana Ondry

    Toko 27: Fanalahidy Dimy Amby Telopolo Hahatonga ho Mpiandry Tsara

    Toko 28: Ahoana No Hampidiranao Ny Ondrinao Amin’ny Karazana Fifandraisana

    Toko 29: Ireo Toetra Roa Ambin’ny Folon’ny Mpikarama

    Toko 30: Karazana Pasitera Mpikarama Sivy

    Toko 31: Mpiandry Ondry Mandiso Fanantenana

    Toko 32: Dingana Roa Amby Roapolo Fampivelarana Mpiandry Ondry

    Toko 33: Ahoana no Hivelaran’ny Zanaka Ara-panahy ho Tonga Mpiandry Ondry

    Toko 34: Sehatra Manan-danja Indrindra Hivelaran’ny Mpiandry Ondry

    Toko 35: Ahoana No Hahatonga Ny Tanora Ho Mpiandry Ondry

    Fizarana 3: NY FON’NY MPIANDRY ONDRY

    Toko 36: Ny Fo Ilay Ivo Amin’ny Asa Fanompoanao

    Toko 37: Ny Hahatakaranao ny Fo Ara-panahy raha Oharina amin’ny Fo Maha Olombelona

    Toko 38: Nahoana no manan-danja ny fon’ny mpiandry ondry

    Toko 39: Mampivelara Fo Malefaka

    Toko 40: Tandremo Ny Mafy Fo

    Toko 41: Mampivelara Fo Salama

    Toko 42: Sitràna amin’ny Aretim-po

    Toko 43: Mampivelara Fo Feno Faherezana

    Toko 44: Tandremo ny Mampivelatra Fo Ratsy Negatif

    Toko 45: Mampivelara Fo Tia Misaintsaina

    Toko 46: Miadia Manohitra Ny Fo Miziriziry

    Toko 47: Mampivelara Fo Manana Fijery Tsara Mandrakariva ‘Optimiste’

    Fizarana 4: ZAVA-MISY AO AMIN’NY MINISTERA

    Toko 48: Ahoana No Ahafahanao Manitatra Ny Asa Fanompoanao

    Toko 49: Ny Mpiandry Ondry Dia Fahazavana

    Toko 50: Nahoana Ny Olona Sasany No Fahazavana Lehibe

    Toko 51: Ahoana no Hahatonga Anao ho Fahazavana Lehibe

    Toko 52: Ny Fifandraisana Ara-panahy ao Amin’ny Asa Fanompoana

    Toko 53: Ireo Vato Manafitohina Ao Amin’ny Asa Fanompoana

    Toko 54: Mandresy ny Fiandrasana amin’ny Andro Mahory

    Toko 55: Zavatra Ratsy Dimy Ambin’ny Folo Rehefa Misy Ny Fiandrasana

    Toko 56: Antony Valo Mampitranga Ny Fiandrasana

    Toko 57: Tahaka ny Ahoana Ny Asa Fanompoana Rehefa Tsy Manampy Andriamanitra

    Toko 58: Tahaka ny Ahoana Izany Hoe Asandratr’Andriamanitra

    Marika

    Toko 1

    Inona no Mahatonga ny Ondry Hitoetra na Ho Tafandry

    Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika;

    Fa Izy no Andriamanitsika; Ary OLONA FIANDRINY SY ONDRY TANDREMANY ISIKA...

    Salamo 95:6-7

    Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, antsoina hoe ondry ny olony. Naneho Jesosy fa ondry tsy misy mpiandry. Tena zava-dehibe ny mahatakatra ny fiainana sy ny fitondran-tenan’ny ondry mba ahafahana mitarika azy ireny tsara. Tsy maintsy mahita ny tenanao ho tahaka ny ondry ianao amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy amin’ny pasiteranao. Tsy maintsy mahita ireo mpikambana amin’ny fiangonanao ho tahaka ny ondry koa ianao mba hahalana azy ireo tsara. Ao amin’ny Salamo fahatelo amby roapolo dia hitantsika Davida naneho ny fiainan’ny ondry avy amin’ny fahatsapany tamin’ny fiandrasana ondry. Io fanehoana mazava ny amin’ny fiainan’ny ondry io dia avy amin’ny vavan’ny Isiraelita mpiandry ondry izay nanana fahatsapana ary nanao ny tenany ho mpiandry ondrin’Andriamanitra.

    Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho!

    Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano tony Izy. Manarina indray ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

    Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Ianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao no mampionona ahy.

    Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Ianao; manosotra diloilo ny lohako Ianao. Ny kapoakako dia mitobaka!

    Eny tokoa, fahatsarana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah mandrakizay aho.

    Salamo 23:1-6 (The Living Bible)

    Nientanentana aho nahita fiainana ondry mitovy be dia be avy amin’ny mpiandry ondry amin’izao andro mivoatra izao, W. Phillip Keller, izay niasa valo taona tompona ondry sy mpikarakara ondry tany British Columbia. Nanana fahatsapana ny amin’ny fiandrasana ondry amin’ny fomba mivoatra izy ary nanome fanamarihana mahavariana ny amin’ny fanambarana ao amin’ny Salamo 23.

    JEHOVAH no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.MAMPANDRY AHY amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano tony Izy.

    Salamo 23:1-2

    Tafatoetra na mandry ny ondry Miankina amin’ny toe-javatra vitsivitsy no hahatafandry ny ondry. Tsy maintsy manao izay hitoeran’ny ondry sy miara-mitoetra aminy ao am-piangonanao ianao. Tsy maintsy mandamina ny ondry matahotra ianao ary mitahiry ny olona ho ankohonana manodidina anao. Amin’ny maha mpiandry ondry amin’ny alalan’io fahatsapana io, Phillip Keller dia nizara zavatra vitsivitsy izay mahatonga ny ondry hitoetra na ho tafandry. Ny tsirairay amin’ireto teboka eto ambany ireto dia maneho hoe nahoana ny olona sasany no tsy tafatoetra ao am-piangonana. Tsy fifanarahana amin’ny mpikambana hafa, tahotra, fanafihana demoniaka, tsy fisian’ny sakafo tsara avy eny amin’ny polipitra; izany rehetra izany no antony mahatonga ny ondry tsy hitoetra ao am-piangonana. Hoy Phillip Keller:

    1. Mitoetra na mandry ny ondry rehefa afaka amin’ny tahotra izy:Nohon’ny amin’ny tsi- fahatokian-tenany dia tsy mety mandry izy raha tsy afaka amin’ny tahotra.Tena saro-tahotra ny ondry ary mora mikorontana eny fa na dia bitrodia anankiray aza no mitsambikina avy any anaty ala dia afaka mampandositra ny andiana ondry. Raha misy ondry iray mandositra amin’ny tahotra dia misy roa ambin’ny folo hafa koa mandositra miaraka amin’ny fahajambana amin’ny tahotra, tsy miandry akory hoe inona no mampatahotra azy ireo.

    2. Mitoetra na mandry ny ondry rehefa tsy misy vesatra amin’ireo ondry mitovy aminy: Noho ny amin’ny fomba fiainana ara-tsosialy amin’ny andiana ondry, mitoetra ny ondry rehefa afaka amin’ny fifandonana amin’ny ondry mitovy karazana aminy.

    3. Mitoetra na mandry ny ondry rehefa tsy korontanina amin’ny zavatra mihofahofa sy manaitaitra: Raha korontanina amin’ny zavatra mihofahofa sy manaitaitra ny ondry dia tsy ho tafatoetra. Rehefa afaka amin’ireny biby manaitaitra ireny izy dia tony tsara.

    4. Mitoetra na mandry ny ondry rehefa afaka amin’ny hanoanana: Tsy mety mitoetra ny ondry raha tsy efa feno izay ilainy amin’ny fitadiavana sakafo. Tsy maintsy afaka amin’ny hanoanana izy ireo. Mba hisian’ny fitsaharana dia tsy maintsy voafaritra mazava ny fahafahana amin’ny tahotra, fahamafisana ary hanoanana.¹

    Toko 2

    Nahoana ny Ondry no Mila Rano

    JEHOVAH no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; MITONDRA AHY EO AMORON’NY RANO TONY IZY.

    Salamo 23:1-2

    Ny mpiandry ondry moderina, Phillip Keller, dia maneho ny fahatsapany amin’ny ondry ary mizara ny filan’ny ondry rano mba iainana ara-dalana. Hitany fa rehefa tsy mahazo ny ranon’ny Fanahy izay ilainy ny ondry dia lasa mitady an’izany amin’ny toerana tsy izy. Mampianatra antsika izany fa ny mpiandry ondry rehetra dia tsy maintsy manao asa fanompoana ary mamatsy ny ranon’ny Fanahy Masina ho an’ny ondry. Tsy maintsy ara-panahy ireo pasitera ary manao asa fanompoana mahery vaika avy amin’ny hosotry ny Fanahy Masina. Ny tsi-fisian’ny hosotra amin’ny asa fanompoana avy eny amin’ny polipitra no antony mahatonga ireo mpikambana mandeha mitady vahaolana amin’ny loharanon’ny sampy sy ny herin’ny mpamosavy.

    Hoy Phillip Keller:

    Tsy hafa fa tahaka ny vatana manana toerana ary mila rano, noho izany dia manondro antsika mazava tsara ny soratra masina fa ny fanahy mahaolona dia manana toerana ary mila ny ranon’ny Fanahy avy amin’Ilay Andriamanitra mandrakizay. Rehefa mangetaheta ny ondry dia lasa tsy manam-pitsaharana ary mandeha mitady rano. Raha tsy tarihana amin’ny rano tsara izy ireo dia hifarana amin’ny fisotroana amin’ny toerana maloto izay hahazoany hidihidy anaty, misy atodi-kankana ary zavatra hafa.

    Tena tadidiko tokoa ireo amin’ny andiana ondry nojereko indray andro izay notarihana ho eny amin’ny tendrombohitra mahafinaritra anankiray. Namoaka rano ny ranomandry izay nitobaka madio tsara ary mazava tahaka ny kristaly teo anelanelan’ny hazo mahafinaritra. Nefa teny an-dalana dia nisy mafy loha sasany nandeha ho eo fa ny zanany kosa nijanona, raha tokony hisotro kely amin’ny rano maloto feno fotaka teo amin’ny làlana. Naloto ny rano ary voaloto tsy tamin’ny diky avy amin’ny ondry hafa nandalo teo ihany fa nisy fivalanan-drano avy amin’ny andian’ondry teo aloha koa izay nandalo tamin’io làlana io. Na izany aza dia azo antoka fa ireo ondry mafy loha dia nankeo ihany fa io no rano azo sotroina.

    Maloto ilay rano ary tsy madio ho azy ireo. Mainka lavitra, tena feno zavatra sy atodin-kankana izay hitarika azy ireo amin’ny zavatra hafa miaraka amin’ny hidihidy anaty sy aretina mitondra fahapotehana.

    Misy loharano telo ho an’ny ondry: mpampitsiry ary mpampitombo, mpanondraka ny bozaka ary lava-drano lalina. Ny vatan’ny biby tahaka ny ondry dia mitondra rano 70% amin’ny salan’isa. Natao itehirizana ny vatana ho ara-dalana ny rano, anjaran’ny sela rehetra izany, mampifandray ny fampandehanana sy ny fiodinan’ny fiainana ho ara-dalana.

    Noho izany, dia ny rano no mamaritra ny tanjaka, hery ary tanjaky ny ondry.²

    Toko 3

    Inona no Dikan’ny hoe Mitanondrika ny Ondry

    Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra…

    Salamo 42:11

    Ny mpiandry ondry moderina dia maneho ihany koa ny fahatsapany ny amin’ny ondry ary mizara ny dikan’ny hoe mitanondrika ny ondry. Tena mahaliana tokoa ny mahita hoe lasa tsy afaka mahavita na inona na inona ny ondry ary tsy afaka mijoro amin’ny tongony raha tsy misy mpanampy. Ny fitovizan’ny tena ondry sy ny tena olona dia mahavariana mihitsy, raha tsy hilaza afa-tsy ny kely indrindra:

    Nizara ny fahatsapany Phillip Keller ny amin’ny maha tompon’ondry azy ary niasa niaraka tamin’ny ondry marina. Hoy izy:

    Mianjera na mitanondrika dia fomba fiteny Anglisy ho an’ny ondry izay mivadika mianjera amin’ny lamosina ary tsy tafatsangana irery intsony. Mahonena ny mijery ondry mitanondrika. Matory amin’ny lamosiny ary ny tongony ambony, manidina tahaka ny adala mitotototo mba hitsangana tsy misy fahombiazana. Matetika dia mety misy fanampiana kely nefa amin’ny ankapobeny dia mitoetra mitondra tahotra sy fahaverezan-kevitra.

    Raha tsy tonga eo amin’ny fotoana fohy ny tompony dia ho faty ilay ondry. Izany no izy, nefa koa misy antony hafa: tena zava-dehibe tandremana tsara ho an’ny mpiandry ondry, dia nymijery ny andian’ondriny isan’andro, manisa azy ireo ary mijery raha afaka mijoro amin’ny tongony izy rehetra. Raha misy anankiray na roa tsy hita dia matetika ny eritreritra voalohany tonga ao an-tsainy dia hoe, Mitanondrika any ho any ny ondriko anankiray. Tsy maintsy andeha hitady azy aho ary hampijoro azy amin’ny tongony indray.

    Tsy ilay mpiandry ondry irery ihany anefa no mijery tsara ilay ondry mitanondrika fa mijery koa ireo biby mihinana hena. Ny voromahery, ny alika sy ny biby hafa dia mahalala avokoa fa ny ondry mitanondrika dia mora kokoa ny misambotra azy ary tsy lavitra ny fahafatesany.

    Izany no fahatakarana fa izay ondry mitanondrika dia tsy mahavita na inona na inona, akaikin’ny fahafatesana ary mora tafihana ary mahatonga ilay mpiambina ny ondry manana olana tena ratsy tokoa momba ilay ondry mitanondrika. Tsy misy te-hisahirana hiahy na mazoto mikarakara ny andian’ondry amin’ny trangan-javatra toy izany; na dia betsaka aza, matavy, matanjaka ary salama tsara ny ondry dia mety mitanondrika ary azon’ny loza. Matetika dia ny ondry matavy no mora mitanondrika.

    Tahaka izao no fisehony: ny ondry mavesatra, matavy no mitoetra tsara amin’ny toerana lemaka kely amin’ny tany. Mety mivadibadika manatsotra ny tenany eo izy. Tampoka eo dia tafahodina izy ary ny lamosiny no amin’ny tany ary mitsirara izy ka ny tongony no mievaeva eny amin’ny rivotra. Mety mitondra fahatsapana fahaverezan-kevitra izany ary manomboka mitady fanavotana. Matetika dia zavatra ratsy iray ihany no vokany. Miodikodina eo fotsiny izy. Tena tsy hainy atao tanteraka ny hiverina hitsangana amin’ny tongony.

    Raha mbola midaboka miady irery eo izy, dia manomboka miakatra ny entona mahafaty. Rehefa miparitaka ireny dia mamatotra azy ary mampijanona sy manapaka ny fandehanan’ny ra tsy hiparitaka amin’ny vatany, indrindra fa amin’ny tongony. Raha tena mafana miaraka amin’ny masoandro ny teotr’andro dia ho faty ao anatin’ny ora vitsy ny ondry very. Raha tony sy misy rahona ary avy ny orana dia mety ho velona ihany amin’ny toerana misy azy amin’ny andro vitsy izy.

    Mety mandany ora ny mpiandry ondry mitady ondry anankiray tsy hita. Matetika dia lavitra no hahitany azy, midaboka amin’ny lamosiny ary matory tsy misy manampy. Tsy maintsy hihazakazaka amin’izany izy – mandeha aingana araka izay azony atao – tena zava-dehibe ny minitra iray. Misy fahatsapana tahotra sy fifaliana ao anatin’ilay mpiandry ondry: tahotra fa mety ho tara loatra; fifaliana fa hita ihany ilay izy.

    Raha vao tonga eo amin’ilay ondry ilay mpiandry ondry, ny zavatra voalohany ataony dia ny mampiarina azy. Avadiny moramora amin’ny lafiny tokony misy azy ilay ondry. Manala ilay entona manery azy izany. Raha ela no nandrian’ilay ondry teo dia tokony hampijoro azy amin’ny tongony ilay mpiandry ondry. Rehefa izany, atsangana amin’ny tongony ilay ondry ary ilay mpiandry ondry no mihazona ny azy mba hijoro, mikosoka ireo rantsana mba hamerenana amin’ny laoniny ny fikorinan’ny ra amin’ny tongony. Matetika dia mila fotoana kely ny fanaovana izany. Raha vao manomboka mandeha indray ilay ondry dia matetika no mianjera mihoatra ny iray.

    Tsikelikely dia mahazo tanjaka indray ilay ondry. Mety manomboka mandeha miadana sy mitandrina tsara izy. Tsy ela dia ho tafaraka amin’ireo hafa indray, afaka tamin’ny tahotra sy ny fahaverezan-kevitra, nomena fahafahana mba ho velona indray izy. Mety very na mitanondrika amin’ny antony maro ny ondry.

    1. Ny ondry mifidy ny fahazoan’aina, fahatoniana, ary toerana tsy misy na inona na inona mba itoerana dia matetika very sy mitanondrika. Amin’ny trangan-javatra sasany dia tena mora ny ivadihany amin’ny lamosiny.

    Amin’ny fiainana kristiana dia misy loza lehibe hatrany hita eny amin’ny toerana tsotra, eny amin’ny toerana hahazoana aina izay tsy misy fahasarotana, tsy ilana vovokaina, tsy mitaky fifehezan-tena.

    2. Ny fananana volo be loatra dia mahatonga ny ondry ho very na mitanondrika. Matetika rehefa lasa lava ary mavesatry ny fotaka, zezika sy tany na zavatra hafa ny volo dia mora amin’ny ondry ny ho very na mitanondrika, vesaran’ny volony fotsiny izy.

    Volon’ondry ao amin’ny soratra masina dia maneho ny fiainana taloha amin’ny Kristiana. Fanehoana ety ivelany ny toetra ao anaty izany, fanehoana ny faniriantsika manokana, ny fanantenana sy ny fihetseham-po. Io no lafiny amin’ny fiainantsika izay mahatonga antsika mifandray tsy tapaka amin’ny tontolo manodidina antsika. Eto no ahitantsika fahazoana zavatra, fananana amin’ny hevitr’izao tontolo izao izay mitarika sy mihazona antsika ho ambany.

    Manambara izany fa tsy nisy mpisorona lehibe nahazo nanao volon’ondry rehefa niditra tao amin’ny toerana masina indrindra. Miresaka ny tena, fireharehana ary ny momba ny tena manokana – ary Andriamanitra tsy hihevitra an’izany.

    Raha very na mitanondrika ny ondry dia satria lava sy mavesatra loatra ny volony ary mila mandray dingana haingana ilay mpiandry ondry mamaha olana izany tranga izany. Hanapaka sy hanadio ary hanala ny loza izay mety hahavery ny ainy izy. Tsy dingana mahafinaritra izany. Tsy tia tapahana volo ny ondry. Tena asa mafy izany ho an’ilay mpiandry ondry nefa tsy maintsy atao.

    3. Ny matavy loatra dia mety hahavery na hampitanondrika ny ondry. Tena fantatra fa ny ondry tena matavy dia tsy mba salama tsara na tena mahavokatra. Ary noho izany dia izay tena matavy no matetika very na mitanondrika.

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1