Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ovao Ny Ministera Pastoralinao
Ovao Ny Ministera Pastoralinao
Ovao Ny Ministera Pastoralinao
Ebook254 pages2 hours

Ovao Ny Ministera Pastoralinao

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Tena tongasoa tokoa ity boky ity. Eveka Dag Heward-Mills, pastera ny tenany, no manazava ny antony sy ny fomba ny maha-hay atao ny manao izay ahombiazan’ ny asa fanompoana pastoraly.

LanguageMalagasy
Release dateJun 15, 2018
ISBN9781613958308
Ovao Ny Ministera Pastoralinao
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ovao Ny Ministera Pastoralinao

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ovao Ny Ministera Pastoralinao - Dag Heward-Mills

    Fizarana 1

    NY TENA MINISTERA

    Toko 1

    Nahoana No Tokony Hialanao Ny Ministera Tsy Izy

    Ao amin’ny Testamenta taloha, ny ministera tena izy dia fantatra tamin’ny fisian’ny volamena tao amin’ny tempoly. Ny zavatra rehetra manan-danja tao amin’ny tempoly dia voasaron’ny volamena daholo. Ny Tompo no nanome ny rafitry ny tempoly tamin’ny Mosesy.

    Ary Jehovah dia niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ny zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy… Ary aoka hanao fitoerana masina ho Ahy izy ireo, mba hitoerako eo aminy… Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ny volamena madio… Ary apetraho eo ambonin’ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana, ary ao anatin’ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. Ary ao no hihaonako aminao, ary avy eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana Aho no hiresaka aminao…

    Eksodosy 25:1, 2, 8,17,21,22

    Toa izany no tian’Andriamanitra hitovy tamin’ny tempoliny. Tsy misy olona manan-jo hampiditra ireo karazan-kevitra ao amin’ny vinan’Andriamanitra. Rehefa nanangana ny tempoliny ny mpanjaka Solomona dia nanaraka ara-bakiteny ny torolàlan’Andriamanitra.

    Ary teo anoloan’ny efitra anatiny roapolo hakiho ny lavany, ary roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho koa ny haavony, sady voapetaka TAKELA-BOLAMENA tsara izy dia nopetahany toy izany ny alitara hazo sedera. Ary nopetahan’i Solomona TAKELA-BOLAMENA TSARA ny anatin’ny trano, sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan’ny efitrano anatiny, ary nopetahany TAKELA-BOLAMENA koa izany. Ny ati-trano rehetra dia nopetahany TAKELA-BOLAMENA avokoa mandra-pahavitany ny trano rehetra, ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany TAKELA-BOLAMENA avokoa. Ary tao anatin’ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo olive roa, samy folo hakiho avy no haavony… Ary nopetahany TAKELA-BOLAMENA ny kerobima… Ary nopetahany TAKELA-BOLAMENA ny gorodona, na ny teo amin’ny efitrano anatiny, na ny teo ivelany.

    I Mpanjaka 6, 20-23, 28, 30

    Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin’ny tranon’i Jehovah: ny alitara VOLAMENA sy ny latabatra VOLAMENA, izay fitoeran’ny mofo aseho. Ary ny fanaovanjiro, dimy amin’ny ankavanana ary dimy amin’ny ankavia, teo anoloan’ny efitra anatiny, dia samy VOLAMENA madio, ary ny voniny sy ny lela fanaovanjiro ary ny hetin-jiro dia VOLAMENA koa; ary ny tsangambava sy ny antsy sy ny vilia famafazana sy ny sotro sy ny fitoeran-davenon-jiro dia VOLAMENA madio; ary ny vavin-tsavily ho amin’ny lela-varavaran’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra sy ho amin’ny lela-varavaran’ny tempoly dia VOLAMENA.

    I Mpanjaka 7, 48-50

    Taona maro taty aoriana, nisy mpanjaka anankiray nanolo ny volamena tamin’ny varahina. Ny varahina madio dia mitovy tokoa amin’ny volamena. Mitovy na sahala izany fa tsy volamena. Ny Mpanjaka Rehoboama nitondra varahina tao an-tranon’Andriamanitra. Toa ilay tena izy, fa tsy faly tamin’izany Andriamanitra. Ny varahina dia ahitana zinc sy fangaro hafa. Raha ny marina dia tena samy hafa ny varahina sy ny volamena. Maro ny olona raha ilay tena izy no soloana ilay sarin-tsariny. Izay no antony anoratako an’ity boky ity.

    Dia niakatra Sisaka, mpanjakan’i Egypta, hamely an’i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena nataon’i Solomona. Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga VARAHINA ho solon’ireny ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina, izay niambina ny varavan’ny tranon’ny mpanjaka.

    2 Tantara 12, 9-10

    Ao anatin’ity boky ity dia te-hanampy anao aho hitahiry ny volamena ao amin’ny tempoly. Tsy azonao atao ny hanolo zavatra hafa ny tena ministera biblika marina. Tahaka ny zava-misy amin’ny asa maro, ny mpanandrakandrana dia tsy mahafantatra ny ataon’ny tena matihanina. Ny mpanandrankandrana ohatra dia tsy mahafantatra ny zavatra hain’ny mpamory fiara-manidina na ny dokotera. Tena zava-dehibe ny hahaizan’ny olona miditra ao anatin’ny ministerany mikasika izany.

    Ny zavatra hitako dia maro ireo olona tia mamorona tontolo feno tsiambaratelo mikasika ny asa ataony. Ny antony anaovany an’izany dia ny hampisongadinany ny aminy amin’ny lafiny asa. Kanefa ny Tompo dia mamporisika hampianatra anao amin’ireo izay tena andraikitry ny pasitera. Ato amin’ity boky ity dia tsy ho voaresaka amin’ny antsipiriany ny asan’ny pasitera, hozaraiko aminao ireo tena zava-dehibe.

    Nivavaka aho fa hino ny mahatsotra ny ministera ianao. Ny hitako matetika dia misy olona izay misafidy ny hirona mankany amin’ny foto-pampianarana nankasarotina toy izay ny fahamarinana tsotra sy mahitsy. Ny fahatsapany dia hoe araka ny maha-sarotra azy no maha avy amin’Andriamanitra azy. Kanefa ireo fahamarinana goavana matetika dia tsy sarotra ho azon’ny olona tsotra hazonina.

    Ao amin’ny Asan’ny Apostoly, Petera sy ireo Apostoly dia tonga teo amin’ny sampanan-dalan’ny ministera. Teo izy ireo dia tsy maintsy nanapa-kevitra ny amin’ny lalan-kizorana. Tsy maintsy nanapa-kevitra izy ireo na ho matihanina amin’ny ministera na ho mpandraharaha. Fa ministera tena izy no nofidiny.

    Ary nampiangona ny mpianatra rehetra ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao hoe: Tsy mety raha MANDAO NY AMIN’ANDRIAMANITRA HITANDRINA LATABATRA IZAHAY. Noho izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza, sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany. FA IZAHAY KOSA HAHARITRA AMIN’NY VAVAKA SY NY FAMPIANARANA NY TENY.

    Asa 6: 2-4

    Tsy maintsy hainao ny manavaka ny ministera tena izy amin’ny ministera sarin-tsariny. Ny ministera sarin-tsariny dia tsy ilay tena izy. Tahaka ny varahana izy, mpisolo mahonena ny volamena, manakaiky sy milahatra amin’ilay tena izy. Maro ny zavatra mitovy amin’ny ministera fa tsy tena ministera.

    Ohatra, raha mpitantana fiangonana no asa sahaninao dia hitombo ny asanao manodididna ilay ministera. Maro ireo pasitera no lasa misahana mihitsy ny asan’ny mpitantana fiangonana. Hita ho sahiran-dava izy ireo eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-piangonana. Ao amin’ny sainy dia mahatsapa izy fa miasa ho an’Andriamanitra. Ka izao tontolo izao aza mba miafina mba miasa ao amin’ny birao sy miafina ao ambadikin’ny ordinatera. Ny olona dia tsy manan-java-dehibe hatao amin’ny 9 ka hatramin’ny 5 hariva. Mivoaka ny trano amin’ny maha sekretera, mpiambina, mpikirakira solo-tsaina, sns… Raha hita fa tsy manao toy izany ny pasitera dia mahatsapa fa toy ny tsy an’asa. Misy olona miantso ahy an-tariby aty an-tranoko amin’ny 11 atoandro. Matetika izy ireo no manontany sao mbola matory aho. Heverin’izy ireo fa matory fotsiny no ataon’ny pasitera ao anatin’ny herinandro.

    Ry mpitory filazantsara ô! Aza mety ho voakasika izay mety ho fiheveran’ny olona ianareo. Aza manara-drenirano nohon’ny tsindry ataon’izao tontolo izao. Ny andrianan’ny hery eny amin’ny rivotra no mitarika sy manapaka an’izao tontolo izao. Ao amin’ny tontolon’ny fanahy no ifehezana ny zavatra rehetra ety an-tany. Satana dia fetsy ary efa namitaka an’izao tontolo izao. Kanefa, tsy mahazo miditra ao am-piangonana izany fitaka izany.

    Izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.

    Efesiana 2, 2

    Izao tontolo izao dia voafitaka ny amin’ny fieritreretana fa tsy misy fiainana intsony aorian’ny fahafatesana.

    Mihinana, misotroa, mifalia fa ho faty isika rahampitso! Rehefa maty ianao dia maty toy ny alika! Ny paradisa sy ny helo dia samy ety an-tany avokoa! Ny fiainana dia izay itondranao azy eo ihany!

    Ireo teny entina manentana amin’ny fomba ankolaka ireo dia nisy fiatraikany tamin’ny be sy ny maro nahtonga azy hiaina hanenjika vola sy fahafinaretana.

    Rehefa tafiditra ao am-piangonana ity karazam-pisainana ity dia lasa mieritritra ny olona fa ny zavatra ara-panahy avy amin’izao tontolo izao no tena zava-dehibe. Na ny pasitera aza dia voatosika hividy ordinatera sy hipetraka ao anaty birao tahaka ny olona hafa rehetra.

    Fa tsy mitovy amin’ny hafa isika! Mpiandrin’ny ondrin’Andriamanitra isika.

    Ny mpiandry ondry dia olona maloto, miaina eo anivon’ny ondry. Ny mpiandry ondry dia olona mahafoy ny fiainany ho an’ny ondry. Ny mpiandry ondry dia tsy tale jeneraly eo ambony seza.

    Rehefa manambara ianao fa vavaka ny asanao dia hafahafa avy hatrany ny fijery anao. Ny mpitondra fanjakana moa dia sahy manoro hevitra hoe tokony hanao zavatra mamokatra kokoa ny fiangonana. Fa inona ny mamokatra kokoa noho ny vavaka? Nahoana isika no mihaino ny tsy mpino amin’ny fomba tokony hanaovantsika ny asantsika? Nahoana no olona tsy arakan’Andriamanitra no tokony hampianatra ny fiangonana ny andraikiny?

    Lasa eo ambany tsindry mafy ny fiangonana ka maro ireo ministera nahafoy ny Iraka Lehibe. Ilay Iraka Lehibe no tena toro-marika fototra ho antsika avy amin’ny Lohan’ny fiangonana.

    Koa mandehana ianareo, dia mampianara ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay zavatra rehetra nandidiako anareo, ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Amena.

    Matio 28, 19, 20

    Vakio ho anao izany! Voasoratra mazava tsara izany. Tsy misy asa sosialy, na ara-pahasalamana izany na ara-panabeazana. Ny fahasalamana sy ny fanabeazana dia vokatra avy amin’ilay Iraka Lehibe kanefa ny vokatra tsy ho lasa iraka velively.

    Ankehitriny, ny sampana maro ao amin’ny fiangonana dia lasa hopitaly tsotra izao na sekoly na vondrona mikarakara ny fahasalamana na lasa serasera ara-piarahamonina. Mampalahelo izany. Hitanao fa ireo sampana ireo dia tsy mametraka ny asany mba handeha hitory ny tenin’Andriamanitra. Satana dia mitsikitsiky am-pankasitrahana rehefa mivadika ho mpanao politika, mpiasa sosialy sy ara-pahasalamana ny mpitory ny filazantsara. Nosoloina varahana ny volamenan’ny ministera. Io toe-po io dia mikoriana hatrany ao anatin’ny Kristiana tsotra. Indray andro dia nisy tanora anankiray nanao tatitra tamiko avy eny amin’ny Oniversite.

    Hoy izy: Pasitera, manao hetsika eny amin’ny oniversite Andriamanitra.

    Hoy aho: Marina ve, inona no mitranga eny?

    Hoy izy: Miasa Andriamanitra!

    Nanontany aho: Inona no ataony, ahoana ny fomba ihetsehany?

    Hoy izy tamiko: Afa-panadinana ny olona!

    Taitra be aho: Fanadinana!

    Na tsy nolazaiko ary ilay izy dia hoy aho anakam-po Rehefa mihetsika Andriamanitra dia voavonjy sy feno ny Fanahy ny olona.

    Ny fahafaham-panadinana dia fitahiana avy amin’Andriamanitra fa tsy hetsik’Andriamanitra. Aoka tsy hampifangaroantsika ny asan’Andriamanitra. Aoka ho azontsika ny zavatra ampianarin’ny Baiboly mikasika ny ministera. Aoka tsy hoheverintsika ho varahina ny volamena. Andao hialana ny fitsarana nahazo an’i Rehoboama amin’ny alalan’ny fitondrana volamena fotsiny ao am-piangonana.

    Ny vavaka ataoko dia rehefa mamaky ity boky ity ianao dia ho takatrao ny andraikitra mila sahanin’ny Pasitera, mpiandry ondry sy ny mpitarika fiangonana. Fotoana hialana amin’ny ministera sarintsariny izao. Tsy afaka hanafaingana ny fiverenan’ny Tompo Jesosy Kristy isika amin’ny alalan’ny zavatra mitovitovy amin’ilay tena izy kanjo tsy izy.

    Antony telo

    Raha fintinina dia misy antony telo mila tokony hialantsika amin’ny ministera saritsariny

    1. Ny fiangonana no hany rafitra tokana nahazo baiko hitory ny filazantsara ary hahatonga ny firenen-drehetra ho mpianatra. Tsy misy olona hanao izany asa izany ho antsika.

    2. Tsy mahazo miezaka hanao ny mahafinaritra an’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny fanaovantsika ny zavatra tiany hataontsika. Andriamanitra no niantso antsika ka izay mahafaly Azy ihany no tsy maintsy ataontsika.

    3. Amin’ny alalan’ny tena ministera ihany no ahafahantsika mandresy an’i Satana sy ny forongony. Ny ministera sarintsariny dia tsy manan-toerana amin’izao ady goavan’ny andro farany izao.

    Manana fanafohezan-teny aho izay hanampy ahy sy ianao hahatadidy ireo andraikitry ny Pasitera nohosoran’Andriamanitra. Toy izao ilay izy: VFFF. : V vavaka (prayer), F famangiana (visitation), F fampianarana (teaching), F fifandraisana (interaction).

    Toko 2

    Ny Fomba Ahafahanao Manao Ny Tsara Indrindra Ao Amin’ny Ministera

    Afaka mahavita ny tsara indrindra ianao ao amin’ny ministera! Afaka ny tsy hirefarefa amin’ny tany ny ministeranao. Na izany aza, tsy maintsy fantatrao fa izany tsara indrindra izany dia tanterahina amin’ny mari-drefin’Andriamanitra fa tsy mari-drefin’olombelona. Ato anatin’ity toko fohy ity dia te-haneho aminao aho lakile efatra nanokafany ny tsara indrindra tamin’ny ministeran’i Jesosy.

    " Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy ENDRIKY NY TENANY

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1