Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Ny Olom-Boahosotra Sy Ny Hosotra
Ny Olom-Boahosotra Sy Ny Hosotra
Ny Olom-Boahosotra Sy Ny Hosotra
Ebook159 pages1 hour

Ny Olom-Boahosotra Sy Ny Hosotra

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Ny harena sarobidin' ny hosotra dia ao amin'ny voahosotra. Ny hosotra dia tsy misaraka amin'ny olona izay voahosotra. Ny hosotra dia ao amin' ny lehilahin' Andriamanitra! Ny hosotra dia miaraka amin' ny lehilahin' Andriamanitra! Ny hosotra dia eo amin'ny lehilahin' Andriamanitra. Ity boky vaovao sy mampientanentana izay nosoratan' i Dag Heward-Mills ity dia hampientanentana ireo izay mikatsaka ny hosotra.

LanguageMalagasy
Release dateJun 8, 2018
ISBN9781641346306
Ny Olom-Boahosotra Sy Ny Hosotra
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Ny Olom-Boahosotra Sy Ny Hosotra

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Ny Olom-Boahosotra Sy Ny Hosotra - Dag Heward-Mills

    Inona Marina Ny Hosotra?

    Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.

    Asan'ny Apostoly 10:38

    Ny hosotra dia ny Fanahy Masina. Ny fampianarana henonao rehetra mikasika ny Fanahy Masina dia fampianarana mikasika ny hosotra.

    Ny teny hoe hosotra dia sady matoanteny no anarana. Ny hosotra dia mety adika ho ilay zavatra ampiasaina mba hanosorana olona iray, ohatra ny diloilo fanosorana.

    Ny hosotra koa dia afaka adika hoe fandrarahana diloilo eo amin’ny olona iray.

    Rehefa miresaka momba ny hosotra aho dia miresaka ilay tsanganain’ny Fanahy Masina izay nomena anao mba hanao ny asan’Andriamanitra. Zava-dehibe ny mandeha mihoatra nyolom-boaosotra mba hahitana ny hosotra. Ny olom-boahosotra dia voasaron’ny hosotry ny Fanahy Masina tanteraka.

    Nandeha nanao soa teny rehetra teny Jesosy Kristy avy tany Nazareta noho Izy voaosotry ny Fanahy Masina sy ny heriny. Afaka nosorana tamin’ny menaka oliva, menaka môtera, diloilo kôkô na vazelina Jesosy. Raha nosorana tamin’ny iray tamin’ireo zavatra ireo Izy dia afaka nilaza tsara isika fa ny zavatra fanosorana dia ny menaka oliva, menaka môtera, diloilo kôkô na vazelina. Fa Jesosy dia nosorana tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny. Noho izany, afaka milaza isika fa ny zavatra nanosorana an’i Jesosy dia ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina mifono misitery dia tonga monina ao amin’ny olona iray nosoran’Andriamanitra.

    Rehefa nosorana ny olona iray, Andriamanitra Tsitoha dia miainga ka mitoetra eo amin’izany olona iray izany, ao anatiny na miaraka aminy amin’ny fomba miavaka. Izany no mahatonga ilay olona ho voaosotra sy feno hery. Rehefa manan-draharaha amin’ny olom-boaosotra ianao dia manan-draharaha amin’Andriamanitra. Rehefa manan-draharaha amin’ny olom-boaosotra ianao dia manan-draharaha amin’ny Fanahy Masina.

    Izany no mampisy valiny henjana ho an’ny olona tsy mandray araka ny tokony ho izy ny olom-boaosotra sy ny hosony. Tsy olona no tsy hainy noraisina fa Andriamanitra. Rehefa nandainga tamin’i Petera, izay voaosotra ho apostoly Ananiasy sy Safira dia maty teo no ho eo. Valiny henjana nampatahotra ny mpikambana hafa tao am-piangonana izany. Nazavain’i Petera ny fahadisoana nataon’ny Ananiasy sy Safira. Hoy izy, "Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao HANDAINGA AMIN'NY FANAHY MASINA ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? Asan'ny Apostoly 5:3 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra. Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. (Asan'ny Apostoly 5:5)

    Hitanao, tena nandainga tamin’ny Fanahy Masina i Ananiasy sy Safira. Tsy Petera no nandaingainy fa ny Fanahy Masina, izay nitondra valiny henjana sy toy ny tena ratsy. Mitandrema rehefa manao zavatra amin’ny olom-boaosotra. Mety manafohy ny andro sy ny minisiteranao ianao nohon’ny fanambaniana sy fijery diso ny fahalebiazan’ny hosotra entiny.

    Mety hanontany angamba ianao hoe, Nahoana ary no maro ny olona ankehitriny no mandainga amin’ny pasitera kanefa toy ny tsy maty eo no ho eo? Satria ve izy ireo tsy voaosotra? Tsotra ny valiny. Misy karazana fisehoan’ny Fanahy Masina samihafa amin’ny fotoana samihafa. Na dia teo amin’ny minisiteran’i Petera aza dia tsisy olona maty hafa intsony satria nilaza lainga. Tsy afaka ho fantarinao mihitsy ny fomba hisehoan’ny herin’Andriamanitra amin’ny fomba iray. Azoko antoka fa maro ny olona hafa efa maty nohon’ny filazany lainga tamin’ny Fanahy Masina. Mety tsy maty teo no ho eo angamba, kanefa ny fahafatesana dia mbola fahafatesana foana.

    Toko 2

    Aiza Marina Ny Hosotra?

    Ny haren’ny hosotra dia tafakambana amin’ny olom-boaosotra. Tsy azo sarahina amin’ny olona ny hosotra. Ny lehilahin’Andriamanitra dia manana ny hosotra ao aminy, miaraka aminy ary eo aminy.

    Ankehitriny, izaho sy ianao dia mitady ilay mitondra fanasitranana, fipoahana, fanafahana ary fandrosoana eo amin’ny fiainantsika. Ny hosotra izany! Ny hosotra no manapaka ny zioga.

    Koa, aiza marina ary no misy ny hosotra? Afaka hahita ny hosotra any amin’ny havoanan’ny West Hills Mall ve isika? Afaka hahita ny hosotra any amin’ny West Gate Mall ve isika? Afaka hahita ny hosotra any amin’ny seranam-piaramanidina ve isika? Afaka hahita ny hosotra any amin’ny tranombarotra ve isika? Tsia, tsy any amin’ny iray amin’ireo toerana ireo ny hosotra.

    Ny hosotra dia hita AO amin’ny olom-boaosotra!

    Ny hosotra dia hita MIARAKA amin’ny olom-boaosotra!

    Ny hosotra dia hita EO amin’ny olom-boaosotra!

    Ny hosotra dia tsy azo sarahina amin’ny olona izay nosoran’Andriamanitra.

    Iza No Manana Ny Hery; Ny Hosotra Ve Sa Ny Olom-Boahosotra?

    Satria ny hosotra no manapaka ny zioga dia zava-dehibe ny mahita izay misy ny hosotra. Taona maro lasa izay, dia hitan’ny olona fa ny voasary dia afaka manasitrana aretina. Fotoana vitsy taty aoriana, nandeha lavitra ny siansa ary nahita ilay singa ao anatin’ny voasary izay tena mitondra ilay fanasitranana. Nahita ny Vitamina C izy ireo! Ankeitriny, dia mionona fotsiny ny olona amin’ny fihinana pilina Vitamina C. Nahazo ny fanambarana ny tsiambaratelo izay mitondra ny fanasitranana izy ireo.

    Tahaka izany koa, misy singa manao famantarana ao amin’ny olom-boahosotra ary izay singa izay dia ny hosotra. Indrisy fa tsy misy dingana ara-tsimika hanasarahana ny hosotra amin’ny olom-boaosotra toy ny Vitamina C sarahina amin’ny voasary. Tsy maintsy ianao manao zavatra amin’ny olom-boaosotra raha maniry hahazo hosotra. Tsisy tsotra izao izany labôratoara na indostria mpanodina hosotra atao anaty tavoahangy ka afahana mahazo hosotra tsy hijerena mihitsy ilay olom-boaosotra izany.

    Nifidy olona mainty, fotsy hoditra, olona manam-pahaizana na tsy mahay na inona na inona koa aza Andriamanitra hametrahany ny hosony. Tsy maintsy ianao mankany amin’izany olona izany izay manana sy mitondra ny hosotra. Izany tsy fahaiza-mampisaraka ny olom-boaosotra sy ny hosotra izany no anton’ny tsy fahombiazan’ny Kristiana miavona. Tiako izaho no ampiasain’Andriamanitra fa tsy te hifandray amin’ny voaosony aho vao hahazo hosotra.

    Ny Hosotra Eo Amin'ny Toerana Telo

    1. Ny hosotra dia miaraka amin'ny olom-boahosotra.

    Dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, SATRIA MITŒTRA EO AMINAREO IZY, ARY HO AO ANATINAREO.

    Jaona 14:17

    2.      Mitondra ny Fanahy eo amin'ny olom-boaosotra.

    Ny Fanahin'i Jehovah no ATO AMIKO, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,

    Lioka 4:18

    3. Mitondra ny Fanahy ao anatin'ny olom-boaosotra.

    Ary ny aminareo, dia ILAY HOSOTRA noraisinareo taminy no MITŒTRA AO AMINAREO, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomœra ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.

    1 Jaona 2:27

    Ny hosotry ny Fanahy Masina dia na ao amin’ilay olona na miaraka aminy na eo aminy. Ireo no tena toerana misy ny hosotra. Izany no mahatonga ny olom-boaosotra ho manan-danja aminao. Mpitondra ilay zavatra ilainao izy. Raha izy amin’izao dia malemy, tsy manan-kery, tsy misy ilaina azy ary olombelona. Fa nofidiana hitondra ampaany amin’ny Fanahy miaraka, ao anatiny ary eo aminy izy. Miraikitra loatra sady iray tanteraka amin’ilay olona ny hosotra izay mahatonga antsika tafalatsaka indraindray amin’ny fiheverana fa ilay olona no manana karazana hery.

    Ny fahaizanao mandray sy mifandray amin’ny olom-boaosotra no hamaritra ny fahatongavanao eo amin’ny hosotra. Tadidio fa hosotra no ilainao. Alaivo sary an-tsaina hoe mitady fatratra ilay ranom-boasary ao anaty zinga ianao. Ny ranom-boasary no ilainao fa tsy maintsy mandray ilay zinga amim-pitandremana ianao noho izy misy ilay ranom-boasary.

    Tiany ny hosotra fa izy tsy te hanao na inona na inona amin’ny olom-boaosotra. Tsy tsapany fa ny toe-pony amin’ny olombelona voahosotra no mampisaraka azy amin’ny hosotra ary mitondra azy any amin’ny faharavana. Matetika Andriamanitra manosotra olona hafahafa ary ny fahaizanao mifandray amin’ny hafahafa, tsy mahazatra na toetra tsy fahita izany no hampifandray anao amin’ny hosotra.

    Ao amin’ny Salamo 89 dia afaka mianatra ianao fa mampidi-doza ny tsy fahaiza-mandray ny olom-boaosotra izay mitondra ny hosotra. Andriamanitra nilaza, Nahita an’i Davida mpanompoko aho ary ny diloiloko masina no nanosorako azy. Nilaza Izy taorian’ny nanambarany fa nanosotra an’i Davida Izy; Ny sandriko no hampahatanjahiko azy. Satria voaosotra Davida dia

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1